Toko faha 25

1 sady nimaty i samoela. Niara-nivory gny Israely manontolo sady nisaona gnazy, la nalevindrozy tagny an-tragnony tagny Rama ie. La niainga i Davida sady nizotso nagnagny agn'efits'i parana. 2 Nisy johary raiky tagny Maona, zay tagny Karmela gny fanagnany. Tena nanan-kanagna lay johary. Nana aondry telo arivo voho aosy arivo ie. 3 Nanenty gny aondriny tagny Karmela ie. Nabala ro agnaran'ilay johary, sady gny agnaran'ny valiny la abigaila. Naragnin-tsay lay ampela sady soa endriky. Fa lay johary koa masiaky sady raty tamin'ny fitondrany. Taranaky gny avorohotan'i Kaleba ie. 4 ren'i davida tagny agn'efitsy fa nanenty gny aondriny i Nabala. 5 Ka la nandefa tovolahy folo ie. La hoy Davida tamin'ireo johary ;' Miakara agny karmela, mandeha agny amin'i nabala, sady miarahaba gnazy amin'ny agnarako. 6 Lazaonareo aminy hoe:' Miveloma agnaty fanambina. Fiadagna anie ho gnanao sady fiadagna anie ho gna'ny avorohotanao, sady fiadagna anie gnan'izay iaby hanagnanao. 7 Reko fa mana mpagnety maro iha. Fa niaraky taminay reo mp[iaraky aondrinao ,sady tsy mba nagnisy raty gnan-drozy rahay, sady tsy nisy na ino ino tsy ampy tamin-drozy fony tagny Karmela. 8 agnontanio gny zatovo lahinao, la holazan-drozy aminao. sady engao reo zatovo lahiko hahita sitraky eo imasonao, fa tsy maintsy avy rahay amin'ny andro fety. Mba omeo lahy ndra ino ino hanagnanao eo an-tagnanao ho gnan'ireo mpanomponao sady ho gnan'i Davida anaky lahinao." 9 lafa avy gny zatovolahin'i Davida, la nolazain-drozy tamin'i Nabala ho gnan'i Davida iaby io iaby io , bakeo la nandigny rozy. 10 Namaly reo mpanompon'i Davida i Nabala nanao hoe;' Ia moa io davida , sady ia io anaky lahin'i Jese? Nisy mpanompo maro zay nisara-dala tamin'ny tompon-drozy tamin'io andro io. 11 Tokony hangalaky gny mofoko voho gny ranoko sady gny henako zay fa novonoako ho gnan'ny mpagnetiko va aho, sady hagnome gnan'io ho gnan'ny olo zay tsy haiko akory hoe baka aia?' 12 ka la nimpoly sady nandeha noly gny zatovolahin'i Davida, sady nivola zay iaby voalza taminy. 13 La hoy Davida tamin'ireo olo kirakiraiky."apetraho gny sabatsy gny olo kirakiraiky." ka la nametraky gny sabany gny olo kirakiraiky. La nametraky gny sabany avao koa i davida. Johary teo amin'ny efajato teo ro nagnaraky gnan'i Davida, sady roanjat ro nijano teo agnilan'ny enta. 14 Fa niresaky tamin'iAbigaila, valin'i Nabala, gny raiky tamin'ireo olo,nanao hoe:' Nandefa iraiky maro bakagny agn'efitsy mba hiarahaba gny tomponay i Davida ,sady notsiratsirany rozy. 15 Kanefa tena soa taminay tokoa gny olo. fa tsy nisy raty nanjo gnany sady tsy nisy tsy ampy taminay laha mbo nandeha niaraky tamin-drozy koa rahay fony tagny amin'ireo saha. 16 Manda ho gnanay rozy na andro na haly, nandritsa zay niarahanay tamin-droy niaraky aondry. 17 Nohon'io haiko io sady hevero zay hataonareo, fa misy raty kasanao hatao amin'ny tomponay, voho gny avorohotany. La gny raty fagnahy tokoa ie farany ka tsy misy raiky afaky mivola gnazy." 18 Bakeo Abigaila nangalaky mofo roanjato malaky , divay roa filako, aondry voavoatsy limy, fatran-dango maiky limy, mofo voaloboky zato, voho ampempan'aviavy roanjato, sady napetrany teo agnabon'ireo boriky reo. 19 La hoy ie tamin'ny zatovolahinyu:' Mandehana eo alohako, la hagnaraky gnanao aho bakeo." Fa ingo tsy nivola tamin'i Nabala valiny ie. 20 Lafa nondra gny borikiny ie la nizotso agnilan'ny havoana, Davida voho reo olony nizotso nagnegny aminy, sady naifankahita tamin-drozy ie. 21 Sady nivola Davida hoe:' Tena zava-poana ro niambenako zay iaby nanana gnan'io johary io tagny agn'efitsy, fa tsy nisy na ino ino trobo zay iaby gnazy, la novaliany raty gny soa nataoko gnazy. 22 Hanao manahaky gnan'io amiko anieNdranagnahary, ry Davida, sady mandilatsy aza, laha mamela ndra la johary raiky amin'ireo izay gnazy aho mandra-paray." 23 Lafa nahita gnan'i Abigaila i Davida, la nizotso malaky bakeo amin'ny borikiny sady nandohaliky sady niondriky sady nampiakohoky gny vatany teo amin'ny tany teo agnatrehan'i Davida. 24 Nandohaliky teo amin'ny tombony ie sady nanao hoe:' Ho amiko raiky avao io, ry tompoko, gny fahameloha. Engao lahy gny mpanomponao mba hiresaky aminao, sady mijanjigna reo tenin'ny mpanomponao. 25 Ao tsy hijery gnan'io Nabala, johary raty fagnahy io gny tompoko, fa araky gny agnarany, la manahaky gnan'io ie. Nabala ro agnarany, sady miaraky aminy gny hadala. Fa zaho mpanomponao la tsy nahita reo zatovolahin'ny tompoko, zay nalefanao. 26 Amizao , ry tompoko, laha mbo velo koa i Yaveh, sady laha mbo velo koa iha, fotony narovan'i Yaveh tamin'ny fandasahan-dra, voho tamin'ny famalian'ny vatanao tamin'ny tagnanao avao iha, la ao reo fahaveloma, voho reo zay mila hanao raty amin'ny tompoko, hanakay gnan'i Nabala. 27 Sady ao toy fagnomeza zay fa nandesina'ny mpanomponao tamin'ny tompoko toy mba hatolotsy ho gna'ireo zatovolahy zay magnaraky gny tompoko. 28 Mba engao lahy gny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hananga fipetraha azo antoky ho gnan'ny tompoko tokoa i Yaveh, fotony mialy gny alin'i Yaveh gny tompoko; say mbo velo koa iha. 29 Ndra la mitsanga hagnenjiky mba hangalaky gny ainao aza reo johary, la fa fehezin'i Yaveh Ndranagnaharinao amin'ny talin'ny velo gny ain'ny tompoko; sady hatsipiny gny ain'ireo fahavalonao, eo amin'ny foetsan'ny antsamotaly. 30 La hataon'i Yaveh amin'ny tompoko reo iaby nampanantenainy gnanao, araky gny nanendreany gnanao ho mpanday eo amin'ny Israely. 31 Tsy ho enta mavesatsy ho gnanao__gny nandatsahanao ra tsy manan-tsiny, na nohon'ny nanandraman'ny tompoko hagnavotsy gny vatany. Fa lafa hanao soa ho gnan'ny tompoko i Yaveh la tarovo gny mpanomponao." 32 La hoy i Davida tamin'i Abigaila:' Isaorana anie Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, Ie lay nandefa gnanao hihaona amiko henanio. 33 Ho tahy gny fahendrenao, sady ho tahy iha, fotony fa naravoravonao tamin'ny fandatsan-dra voho famalia faty gny vatako tamin'ny tagnako avao aho! 34 Fa laha gny to, laha mbo velo koa i Yaveh, Ndranagnaharin'Israely, Ie lay niaro gnahy handratsy gnanao, laha tsy nandeha malaky hihaona amiko iha, la tsy hisy niangana ho gnan'i Nabala afa-tsy aja johary kelikely raiky gny maray." 35 Ka la nandramby zay nandesiny ho gnazy bakamin'ny tagnany i davida; hoy ie taminy:" Mandehana am-piadagna agny amin'ny avorohotanao; ingo, fa nijanjy gny feonao aho, sady fa nagnenky gnanao." 36 La nimpoly tagny amin'i Nabala i Abigaila; ingo, nanao fanasa tao an-tragnony ie, manahaky gny fanasan'ny mpanjaka; sady gny fon'ny mpanjaka faly tao agnatiny, fotony mamo tanteraky ie. Ka tsy nivola ndra ino ino ie mandra-parainy gn'andro. 37 Lafa ray gnan'andro, lafa nisava gny divain'i Nabala, la nolazain'ny valiny taminy reo raha reo; la nilofoky tao agnatiny gny fony, sady nanjary manahaky gny vato ie. 38 Sady folo andro tatoy afara la namely gnan'i Nabala i Yaveh ka maty ie. 39 Lafa ren'i Davida fa nimaty i Nabala, la hoy ie:' Isaorana anie Yaveh, lay nangalaky gny faniratsira gnahy bakamin'ny tagnan'i Nabala, voho niaro gny mpanompony tamin'ny raty. Nagnampoly gny raty nataon'i Nabala teo amin'ny lohany avao ie." Bakeo Davida nagniraky sady niresaky tamin'i Abigaila, mba hangalaky gnazy ho valy. 40 Lafa avy tagny amin'i Abigaila tagny Karmela reo mpanompon'i Davida, la niresaky taminy rozy sady nanao hoe:" Nandefa gnanay ho atoy aminao i davida mba hangalaky gnanao ho valiny." 41 La nitsanga ie, nampiankohoky gny vatany tamin'ny tany, sady nanao hoe:' Ingo, ry mpanompo vavinao la mpanompo hanasa gny tomboky gny mpanompon'ny tompoko." 42 La nitsanga malaky i Abigaila, sady nondra boriky niaraky tamin'ireo mpanompo vaviny limy zay nagnaraky gnazy; sady nagnaraky reo irak'i Davida ie ka lasa valiny. 43 La nalan'i Davida ho valiny avao koa Ahionoama Jezirela; la samby lasa valiny rozy roe. 44 Sady koa , Saoly nanolotsy gnan'i Mikala anaky ampelany, valin'i Davida, ho gnan'i Palty anaky lahin'i Laisa, zay bakagny Galima.