Toko faha 23

1 Sady hoy rozty tamin'i Davida :' Ingo mialy amin'i Keila gny Filistina sady mandroba reo famoloa." 2 Ka nivavaky tamin'i Yaveh Davida mba hagnampy gnzy ka nagnontany Gnazy hoe:" Tokony handeha hanafiky gnan'ireo Filistina reo va aho?" Sady hoy Yaveh tamin'i Davida:' Mandehana sady tafiho reo Filistina ka vonjeo i Keila." 3 Sady hoy reo joharin'i davida taminy:' Ingo, matahotsy tsika eto Joda. Ka mainka fa handeha ho agny Keila ka hialy amin'ireo tafiky gny Filistina?' 4 La mbo nivavaky tamin'i Yaveh ndraiky Davida mba hagnampy gnzy. Namaly gnazy Yaveh hoe;' Mitsangana, mizotsoa magnagny Keila. Fa hameako gnanao gny fandresea reo Filistina." 5 La nagnagny Keila i Davida voho reo johariny sady nialy tamin'ireo Filistina. Nandesiny lavitsy reo biby fiompy sady namely gnan-drozy tamin'ny famonoa bevata ie. Ka voavonjin'i Davida gny olon'i Keila. 6 Lafa nandositsy tagny amin'i Davida tao Keila i abiatara anaky lahin'i Ahimeleka, la nizotso niaraky amin'ny efoda tegny an-tagnany ie. 7 Sady nambara tamin'i Saoly fa nagnagny Keila i Davida . Hoy Saoly;' Fa nomen-Dranagnahary gnahy ho eo am-pelatagnako ie. Ka voahily ao ie fotony tao amin'ny tana misy vavahady voho fefy." 8 Nampikaiky gny tafiny manontolo i saoly mba hialy, hizotso ho agny Keila, sady hanao fahirano gnan'i Davida voho reo johariny. 9 Sady hain'i Davida fa manao teti-draty hanohera gnazy i saoly. Sady hoy ie tamin'i Abiatara mpisoro hoe;' Andeso atoy gny efoda." 10 La hoy i Davida :' Ry Yaveh, Ndranagnahary gny Israely, fa ren'ny mpanomponao tokoa fa i Saoly la mialy hagnagny Keila, mba handringa gny tana nohon'ny amiko. 11 Hanolotsy gnahy ho eo an-tagnany i Saoly va gny olon'ny Keila? Hizotso va i Saoly, araky gny re'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Ndranagnahariny gny Israely, mitalaho aminao aho, miangavy laha mba volagno gny mpanomponao." Sady hoy Yaveh hoe:" 'Hizootso ie." 12 La hoy i Davida hoe;" Hatolotsy gny olon'i Keila ho eo an-tagnan'i Saoly va zaho voho reo johariko? La hoy i Yaveh hoe:' Hanolotsy gnanao rozy." 13 La niainga i Davida voho reo johariny, zay tokony ho teo amin'ny eninjato, ka niala vakao Keila, sady nandeha nifindra toera toera. nambara tamin'i Saoly fa nandositsy bakao Keila tamin'i Saoly najanony gny fagnenjeha. 14 Nijano tao agnaty fiarova mafy tagny agn'efitsy i Davida, tegny amin'ny tany havao tagny agn'efits'i Zifa. Nikaroky gnazy isan'andro i Saoly, nefa Ndranagnahary tsy nanolotsy gnazy teo an-tagnany. 15 Sady hitan'i Davida fa nifofo gny ainy i Saoly; sady fa tagny agn'efitsy gny Zifa agny Horesa i Davida. 16 Sady Jonatana, anaky lahin'i Saoly, niainga ka nagnagny amin'i Davida tagny Horesa, sady nankahery gny tagnany tao amin-Dranagnahary. 17 Hoy ie taminy hoe;'' Ka matahotsy . Fa tsy ho hitan'ny tagnan'i Saoly raiko iha. Iha ro ho mpanjaka eo amin'ny Israely, sady zaho la ho eo agnilanao. Hain'i Saoly raiko io." 18 Nanao fagnenke teo agnatrehan'i Yaveh rozy. La nijano tao Horesa i Davida, sady Jonatana noly tay amin'ny fipetrany. 19 Sady namonjy gnan'i Saoly tao Gibea reo Zifita ka nivola hoe:' Tsy i Davida va ro mietaky agny aminay ao agnatin'ny batery fiarova mafy agny Horesa, agny amin'ny havoa Hakila, zay agny antimon'i Jesimona? 20 Amizao mizotsoa ry mpanjaka! Araky gny sitrakao, mizorsoa!Hanolotsy gnazy ho eo am-pelatagnan'ny mpanjaka ro anjaranay." 21 sady hoy i Saoly;' Yaveh anie hitahy gnanareo.Fa nahaferignahy gnahy nareo. 22 Mandehana, atovo azo antoky tokoa. Fantaro voho ilao gny toera zay hietahany voho zay nahita gnazy tagny . Nambara tamiko fa fetsy tokoa ie. 23 Jereo , sady fantaro reo toera iaby zay hagnetahany gny vatany. La mimpolia ndraiky atoy amiko hilaza marimarina tokoa la hiaraky aminareo himpoly aho. Laha agny amin'ny tany ie, la hokorahiko amin'ireo Joda agn'arivony manontolo." 24 Bakeo nitsanga rozy ka nagnagny Zifa mialohan'i Saoly. sady tagny amin'ny efitsy gny Maona i Davida voho reo johariny, tagny Araba antimon'i Jesimona. 25 Nandeha hila gnazy Saoly voho gny johariny. Fa namabara tamin'i Davida io, ka nizotso tagny amin'ny tany havoa bevato rozy sady nipetraky tagny agn'efitsy Maona. Lafa nahare gnan'io Saoly, la nagnenjiky gnan'i Davida tagny an-tany efits'i Maona ie. 26 sady i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitsy raiky, Davida voho reo johariny koa tamin'ny ialny raiky hafa. Nandeha malaky i Davida mba hagnalavitsy gnan'i Saoly. Laha fa nagnodidy gnan'i Davida voho gny johariny i Saoly voho johariny mba hangalaky gnan-drozy, 27 la nisy mpanday teny namonjy gnan'i saoly ka hoy ie taminy hoe:' Malaky avia, fa manao fanafiha hanohitsy gny tany reo Filistina." 28 La nimpoly bakagny amin'ny fagnenjeha gnan'i Davida i saoly sady nandeha nifagnatsiky tamin'ireo Filistina. Nohon'io ro nikahia io toera io hoe:'Vatoampin'ny Fandosira. 29 Niakatsy bakagny Davida ka nipetraky toa amin'ireo fiarova mafin'i En-jedy.