Toko faha 19

1 sady Saoly nivola tamin'i Jonatana anany lahy voho tamin'ireo mpanompony gny tokony hamonoan-drozy gnan'i Davida. Kanefa i Jonatana , anak'i saoly, la tia gnan'i Davida mare. 2 Ka hoy i Jonatan tamin'i Davida:" Mila hamono gnanao i Saoly raiko. Nohon'io miabena amin'ny maray sady mietaha amin'ny toera mangina. 3 Zaho hiboaky hitsanga eo agnilan'ny raiko eo amin'ny saha zay misy gnanao, sady hiresaky momba gnanao amin'ny raiko aho. Lafa mahay raha aho, la havolagniko iha." 4 Nilaza soa momba gnan'i davida tamin'i Saoly rainy i Jonatana ka hoy ie taminy.' Ao tsy hanota amin'i Davida mpanompony gny mpanjaka. fa tsy nanota taminao ie, sady nanday soa ho gnanao reo asany. 5 Fa ie fa nanao gnainy tsy ho zavatra ka namono lay Filistina. Yaveh fa nanday fandresea bevata ho gnan'Israely manontolo. Nahita gnan'io hanohitsy gny ra tsy manan-tsiny amin'ny famonoa gnan'i Davida tsy akory tsy akory iha?' 6 Nijanjy gnan'i Jonatana i Saoly . Ka nianiana hoe;' Laha mbo velo kao Yaveh, la tsy hovonoa ie." 7 La nikaiky gnan'i Davida i Jonatana, sady nivolagniny tamin'i Davida io raha iaby io. Nandesin'i Jonatana tagny amin'i Saoly i Davida , sady teo amin'ny fagnatrehany manahaky gny taloha ndraiky ie. 8 sady nisy aly , la niboaky hialy amin'ny Filistina i davida ka nandresy gnan-drozy tamin'ny famonoa bevata. La nandositsy teo agnatrehany rozy. 9 avy tamin'i Saoly gny fagnahy raty bakamin'i Yaveh laha nipetraky tao an-tragnony niaraky tamin'ny lefo tegny an-tagnany ie, sady laha nitendry raha magneno igny i Davida. 10 Sady i saoly nagnandra nikendry gnan'i Davida teo amin'ny rindry tamin'ny lefony, kanefa nandositsy gny fagnatrehan'i Saoly ie, ka natsatok'i Saoly teo amin'ny rindry gny lefo. Nitsoaky i Davida sady afa-nandositsy tamin'ny haly igny. 11 Nandefa iraky tagny an-tragnon'i Davida mba hanenty gnazy mba hahafahany mamono gnazy i Saoly gny maray. Mikala, valin'i Davida, nivola gnazy hoe:' Laha tsy mamonjy gny ainao henanio haly io iha, la hovonoa iha hamaray." 12 Nengan'i Mikala hizotso teo amin'ny lafonety i Davida. La lasa ie ka nitsoaky, sady afa-nandositsy. 13 Nangalaky sampy tao an-tragnony i Mikala la nametraky gnan'io teo am-pandria. Sady nangalaky onda volon-aosy ie ka napetrany teo amin'ny lohany , sady norakofany akanjo io. 14 Laha nandefa iraky mba hangalaky gnan'i Davida i saoly, la hoy ie hoe:' Marary ie." 15 La nandefa iraky mba hanenty gnan'i Davida ndraiky i Saoly, ka hoy ie:' andeso hiakatsy atoy amiko amin'ny fandria ie, mba hahafahako mamono gnazy." 16 Laha nilitsy reo iraky, ingo, gny swampy zay tao an-tragnony ro teo am-pandria miaraky amin'ny onda volon'aosy eo amin'ny lohany. 17 La hoy i Saoly tamin'i Mikala;' Nagnino ro namitaky gnahy iha ka namela gny fahavaloko handeha, ka la afa-nandositsy ie?' Mikala namaly gnan'i Saoly hoe:" Hoy ie tamiko, engao aho handeha. Nagnino aho ro hamono gnanao?" 18 Sady nitsoaky voho afa-nandositsy i Davida la nagnagny amin'i Samoela tagny Rama ka nilaza taminy . La nandeha ie voho Samoela ka nipetraky tagny Naiota. v 19 Nisy nagnambara tamin'i Saoly io, manao hoe:" Ingo, ao Naiota agny Rama i Davida." 20 La nandefa iraky anambotsy gnan'i Davida i Saoly . Laha nahita gny naman'ny mpaminany naminany rozy. sady Samoela nijoro ho lehiben-drozy , gny fagnahin-dranganahry avy tamin'ny irak'i Saoly, la naminany koa rozy. 21 Lafa nilaza gnan'io Saoly, la nandefa iraky hafa ie, sady naminany avao koa rozy. Sady nandefa iraky fagnintelo ndraiky i Saoly, ka naminany avao koa reo. 22 La nagnagny Rama koa ie sady avy teo amin'ny lava-drano tai Seko. Nagnontany ie hoe;' aia i Samoela voho Davida?' Nisy olo nivola hoe:' Ingo, ao Naiota agny rozy." 23 Nagnagny Naiota agny Rama i Saoly . la avy tao aminy koa gny fagnahin'i Yaveh, ka naminany tegny am-pandehana mandra-piaviany tagny Naiota tagny Rama ie. Nangalaky gny fisikinany ie sady naminany teo agnatrehan'i Samoela. Nitanjaky nandritsa gny andro voho gny haly manontolo ie. Io ro antony nagnontanian-drozy hoe:' Isan'ireo mpaminany koa va i Saoly?'