Toko faha 20

1 Sady Davida nandositsy bakagny Naiota agny Rama ka nagnagny amin'i Jonatana sady nanao hoe;" Fa ino ro nataoko? Ino ro heloko? Ino ro fahotako teo agnatrehan'ny rainao, ro mila hifofo gny aiko ie." 2 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe;' sagnatria anie io; tsy ho maty iha. Tsy manao raha na bevata ndra kely ka tsy milaza gnan'io amiko gny raiko. Nagnino ro tokony hagnetaky gnan'io raha io amiko gny raiko? Tsy io velively." 3 Sady nivoaly ndraiky Davida ka nanao hoe:' hainy gny rainao soa fa nahita sitraky teo imasony aho. Fa nilaza ie hoe:' Ka enga ho hain'i Jonatana zao, laha tsy io la halahelo ie. Nefa laha velo maray Yaveh, sady laha mbo velo koa iha, la kely avao gny elagnela eo amiko voho gny fahafatesa." 4 Sady hoy i Jonatana tamin'i Davida :' Ndra ino ino lazainao, la hataoko ho gnanao." 5 Hoy i Davida tamin'i Jonata:' Hamaray gny voaloham-bola, ka tokony hipetraky hiara-hihina amin'ny mpanjaka aho. Nefa engao aho handeha , mba hietaky agny an-tsaha hatramin'ny harivan'ny gn'andro fahatelo. 6 Laha mahatiaro gnahy gny rainao , la ataovo hoe:' Nanao fierena mare tamiko i Davida mba hamonjy gnan'i Betlehema tanany; fotony fa ankatoky gny soro isan-tao ho gnan'ny fianakavia manontolo agny. 7 Laha hoy ie hoe;' Soa io, la hanam-piadagna gny mpanomponao. Fa laha masiaky mare ie, la fantaro fa nanapa-kevitsy hanao raty ie. 8 Nohon'io la mifagnaraha soa amin'ny mpanomponao. Fa fa nanday gny mpanomponao ho amin'ny fagnenken'i Yaveh niaraky taminao iha. Nefa laha misy fahota amiko, la iha r hamono gnahy; ka nagnino aho ro andesinao agny amin'ny rainao?' 9 Hoy i Jonatana:' Sagnatria amiko anie io! Laha nahay aho fa nanapa-kevitsy gny hanao raty gnanao gny raiko la tsy hilaza aminao va aho?" 10 La hoy i Davida tamin'i Jonatana ;' Ia ro hivola amiko laha sagnatsia mamaly gnano amin'ny vola mare gny rainao?' 11 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: " Andao , andeha tsika hiboaky agny an-tsaha." Ka niboaky tagny an-tsaha rozy roe lahy. 12 Hoy i Jonatana tamin'ni davida:" Yaveh , Ndranagnaharin'Israely anie ro ho vavolombelo. Lafa baka nagnontany an-draiko aho hamaray amin'izao ora zao. na amin'ny andro fahatelo , jereo laha misy raha soa ho gnan'i Davida, moa tsy hagniraky ho agny aminao voho hampahay gnanao va aho? 13 Laha mahafaly gnan-draiko gny hanao raty gnanao, Yaveh anie hanao gnan'io amin' Jonatana sady mandilatsy aza raty tsy mampahay gnan'io aminao voho mandefa gnanao , mba handehananao am-piadagna. Homba gnanao anie Yaveh, manahaky gny fa nombany gny raiko. 14 Fa laha mbo velo koa aho, moa tsy hampiseho gnahy gny tsy fivadiham-pagnenken'i Yaveh va iha, mba tsy ho maty aho? 15 Ka manapaky gny tsy fivadiam-pagnenkenao hiala amin'ny an-kohonako mandrakizay__ ndra la foagnan'i Yaveh eo amin'ny tany aza gny fahavalon'i Davida iaby. " 16 Sady Jonatana nanao fagnenkea tamin'ny ankohonan'i davida ka nanao hoe:' Yaveh anie hitaky gny hanohitsy eo amin'ny tagnan'ireo fahavalon'i Davida." 17 Nampanao voady gnan'i Davida ndraiky i Jonatana noho gny fitiavany gnazy, fotony tia gnazy manahaky gny fitiavany gny fagnahiny avao ie. 18 La hoy i Jonatana taminy :' hamaray gny voaloham-bola. Ho tarovy iha fotony rava gny sezanao. 19 Lafa nijano telo andro iha, la mizotso malaky sady mankanesa agny amin'ny toera zay niafenanao lafa teo am-pelatagna gny raharaha , sady mandignasa eo agnilan'ny vatolampy Ezela. 20 Nandefa ana-tsipika telo agnilan'io aho, manahaky gny hoe mitifitsy raha kendrea. 21 Sady hagniraky gny zatovolahiko aho ka hivola aminy hoe;' Andeha ilao reo ana-tsipika.Laha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe:" Ingo, intoy agnilanao toy reo ana-tsipika; alao reo, la miavia, fa hisy fiarova sady tsy hisy raty ho gnanao, laha mbo velo koa Yaveh. 22 Nefa laha mivola amin'ilay zatovolahy aho hoe:' Ingo, ao afara reo ana-tsipika, fa fa nandefa gnanao i Yaveh. 23 Laha gny amin'ny fifagnaraha zay nifampiresahantsika, ingo , eo agnivontsika mandrakizay i Yaveh.' 24 Ka nietaky tagny an-tsaha i Davida. Lafa avy gny voaloham-bola, la nipetraky nihina sakafo gny mpanjaka. 25 Nipetraky teo amin'ny sezany gny mpanjaka , manahaky gny mahazatsy , teo amin'ny seza teo agnilan'ny rindry. Nijoro i Jonatana , sady Abnera nipetraky teo agnilan'i saoly . Nefa gny sezan'i Davida. 26 Mbo tsy nivola na ino ino i Saoly tamin'io andro io, fotony nieritreritsy ie hoe:' Nisy raha nahazo gnazy. Tsy malio ie; azo antoky tsy malio ie." 27 Fa tamin'ny andro faharoe koa, gny hamarain'igny voalohambola, la rava gny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana anany lahy:' Nagnino ro tsy avy amin'ny fisakafoana gny anaky lahin'i Jese na nimaly na androany?" 28 Jonatana namaly gnan'i Saoly hoe:' nangataky alala fatratry tamiko mba handeha agny Betlehema i DaviDa. 29 Hoy ie:" Engao lahy aho mba handeha . Fa gny avorohotany mana soro ao an-tana, sady gny rahalahiko nandidy gnahy ho agny . Amizao , laha fa nahita sitraky teo imasonao aho, la engao lahy aho handeha sady hanenty reo rahalahiko. Io ro antony tsy niaviany teo an-databatsy gny mpanjaka." 30 Ka nirehitsy tamin'i Jonatana gny hatezeran'i Saoly , sady hoy ie taminy;' Iha anaky lahy mpamadiky, ampela mpikomy!Moa va aho tsy mahay fa fa nifily gny anaky lahin'i Jese ho fahamegnara ho gnanao, voho fahamegnaran'ny fitanjahan'ny reninao iha? 31 Fa laha mbo miay eto an-tany gny anaky lahin'i Jese , la tsy ho tafapetraky na iha na gny fanjakanao. Ka amizao, alefaso sady andeso atoy amiko ie, fa sy maintsy ho maty tokoa ie." 32 Jonatana namaly gnan'i Saoly rainy hoe:' fa ino ro antony hamonoa gnazy? Ino ro antony?' 33 sady Saoly nanipy gny lefony taminy mba hamono gnazy. Ka la hain'i Jonatana fa tapakevitsy gny hamono gnan'i Davida gny rainy. 34 Nitsanga niala tam-pahavinira teo amin'ny latabo sady tsy nihina sakafo i Jonatana andro faharoan'ny drala, fa nalahelo gnan'i davida ie, fotony nangala baraky gnazy gny rainy. 35 Gny maray, niboaky nagnagny an-tsaha tamin'ny fotoa voatondro niaraky tamin'i Davida i jonatana, voho gny zatovo lahy niaraky taminy. 36 Hoy ie tamin'ilay zatovolahy:' Milesa sady ilao reo ana-tsipika zay natifitso." Sady laha nilay lay zatovolahy, la notifiriny ana-tsipika tafarany tao. 37 Lafa avy teo amin'ny toera zay nitsatohan'ny ana-tsipika nalefan'i Jonatana lay zatovolahy, la nikaiky lay zatovolahy i Jonatana bakeo , sady nanao hoe:'Moa tsy ao afara va gny ana-tsipika?" 38 sady nikaiky lay zatovolahy i Jonatana hoe:" Malaky, malaky, ka mijano!" sady lay zatovolahyn'i Jonatana namory reo ana-tsipika niakatsy sady nagnagny amin'ny tompony. 39 Nefa tsy nanahy na ino ino lay zatovolahy. Jonatana voho Davida avao ro nahay gny raharaha. 40 Namean'i Jonata gnan'ilay zatovolahy reo fitaovam-piualia sady hoy ie taminy;' Mandehana, andeso agny an-tana reo." 41 Laha vao lasa lay tovolahy, la nitsanga bakao mbaliky gny dongon-tany i Davida, niankohoky teo amin'ny tany, sady niondriky intelo. Nifagnoroky voho niara-nitagny rozy , sady Davida nitagny mare. 42 Hoy i Jonatana tamin'i Davida :" Mandehana am-piadagna, fotony fa samby niainia tamin'ny agnaran'i Yaveh tsika sady nanao hoe:' Yaveh anie ho eo agnivontsika, sady eo agnivon'ireo avorohotako voho reo avorohotanao mandrakizay." Sady nintsanga Davida ka lasa, fa Jonatana koa nimpoly tagny an-tana.