toko faha 18

1 Lafa baka niresaky tamin'i Saoly ie, la nifafamehy tamin'ny fagnahin'i Davida gny fagnahin'i Jonatana, sady nitian'i Jonatana manahaky gny fagnahiny avao koa ie. 2 Nalan'i Saoly ho amin'ny fanompoa gnazy i Davida tamin'io andro io; tsy nengany himpoly agny an-tragnon-drainyie. 3 Bakeo Jonatana voho Davida nanao fanenkem-pinamana fotony nitian'i Jonatana manahaky gny fagnahiny avao koa ie. 4 Nangalaky gny akanjo lava zay nanaovany i Jonatana sady nagnome gnan'io Davida niaraky taminy fiarovany, voho gny sabany , gny tsipika, voho fehin-kibo. 5 La nandeha tagny amin'izay toera nagnirahan'i Saoly gnazy i Davida, sady nahomby ie. Nametraky gnazy teo amin'ireo joharin'aly i Saoly. Nankasitraky teo imason'ny vahoaky iaby io sady teo iamsona'ireo mpanompon'i Saoly avao koa. 6 Laha nandeha noly baka nandresy reo Filistina rozy, la avy bakamin'ireo tanan'Israely iaby reo ampela, nihira voho nisinjaky , mba hitsena gnan'i Saoly mpanjaka , niaraky tamin'ny amponga tapaky , hafalia, sady raha magneno. 7 Nifandimby nihira reo ampela niisa rozy. Nihira rozy hoe:' Novonoan'i Saoly reo agn'arivony, sady Davida koa reo agn'aliny." 8 Nasiaky mare i Saoly , sady tsy nampazoto gnazy io hira io. Hoy ie Hoe:" fa nagnome agn'aliny ho gnan'i Davida rozy, nefa agn'arivony avao ro namean-drozy ho gnahy. Ino avao koa ro afaky hanagnany afa-tsy gny fitodram-panjaka? 9 Nijery gnan'i Davida tam-piahiahia i Saolynanomboky tamin'io andro io. 10 Gny andro magnaraky la nisy fagnahy mampidi-dozz bakamin-Dranagnahary nizotso teo amin'i Saoly sady nirediredy tao an-tragno ie. Nohon'io la niisa gy raha-magnenony gny ataony isan'andro i davida. Sady nana lefo tegny an-tagnany i Saoly. 11 Natoran'i Saoly lay lefo, fotony nieritreritsy ie hoe:' Ho tombohiko ho eo amin'ny rindry i Davida. Kanefa ingo tafala gny fagnatrehan'i Saoly tamin'io fomba io i Davida. 12 Natahotsy gnan'i Davida i saoly , fotony nomba gnazy Yaveh, fa tsy nomba gnan'i saoly sasy. 13 Ka nalan'i Saoly teo amin'ny fagnatrehany ie sady nontendreny ho mpifehay gny arivo. Io ro fomba niboahan'i Davida voho nankanesany teo agnatrehan'ny vahoaky. 14 Nambiny tamin'ny lalany iaby i Davida, fotony nomba gnazy Yaveh. 15 Lafa hitani Saoly fa nambi ie, la talanjona taminy ie. 16 Fa tia gnan'i Davida gny Israely voho Joda iaby, fotony niboaky ie sady nandeha teo agnatrehan-drozy . 17 sady i Saoly tamin'i Davida hoe;' Intoy i Meraba anako ampelako zoky mare. Hameako gnanao ho valy ie. Fa mana herim-po ho gnahy sady mialia gny alin'Yaveh. Fa nieritretsy Saoly hoe;' Ka enga eo aminy tagnako, fa ao gny tagnan'ireo Filistina ro ho eo aminy." 18 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe:' Ia moa aho, sady ia moa reo longoko, na gny longon'ny raiko agny Israely, ro tokony ho vinanto lahin'ny mpanjaka aho?" 19 Fa tamin'ny fotoa tokony nagnomeza gnan'i Meraba, anaky ampelan'i Saoly ho gnan'i Davida, la namea gnan'i Adriela Meholatita ho valy ie. 20 Kanefa i Mikala, anaky ampelan'i Saoly tia gann'i Davida. Nivola tamin'i Saoly rozy, sady nahafaly gnazy io. 21 Bakeo i Saoly nieritreritsy hoe:' Hameako gnazy ie, mba ho fandriky ho gnazy, sady mba hanohitsy gnazy gny tagnan'ireo Filistina." Ka nivola fagnindroany gnan'i Davida ndraiky i Saoly hoe;' Ho vinanto lahiko iha." 22 Nandidy reo mpanompony i saoly hoe;' Miresaha manoka amin'i Davida, sady lazao hoe;' Ingo, mankasitraky gnanao gny mpanjaka , sady tia gnanao reo mpanompony iaby. Ka amizao , meteza ho vinanto lahin'ny mpanjaka." 23 Ka nilaza reo teny reo tamin'i Davida reo mpanompon'i Saoly. Bakeo Davida nilaza hoe:' Raha kely ho gnanao va gny ho vinanton'ny mpanjaka, fotony , fotony olo mahantra aho, sady atao tsinontsino na? 24 Nitatitsy taminy reo teny reo zay nolazain'i Davida reo mpanompon'i saoly. 25 Sady hoy i Saoly hoe:' Lazao gnan'i Davida zao; Tsy magniry vodiondry gny mpanjaka, fa lohan-tsitsy zaton'ireo Filistina avao, mba hamalia faty re fahavalo gny handavo gnan'i Davida tamin'ny tagnan'ireo Filistina. 26 lafa nailaza reo teny reo tamin'i Davida reo gny mpanompony, la nahafaly gnan'i Davida gny ho vinanton'ny mpanjaka. 27 Talohan'ny nahadila gnan'ireo andro ireo, la nandeha niaraky tamin'ireo olony Davida sady namono Filistina roan-jato. Nandesin'i Davida gny lohan-tsitsin-drozy, sady namean-drozy ho gnan'y mpanjaka avokoa reo, mba ho lasa vinanton'ny mpanjaka ie. ka namean'i Saoly gnazy ho valy i Mikala anany vavy . 28 Lafa hitan'i saoly, voho hainy fa nomba gnan'i Davida i Yaveh, sady Mikala anaky ampelan'i Saoly, la tia gnazy , 29 La natahotsy mare tokoa gnan'i Davida i Saoly. sady fahavalon'i Davida hatragny i Saoly. 30 Bakeo reo andrian-dahin'ireo Filistina niboaky hialy , sady arakaraky gny niboahan-drozy matetiky , ro nahombiazan'i Davida bebe kokoa noho reo mpanompon'i Saoly manotolo, ka la nisandratsy abo gny agnarany.