Toko faha 6

1 Sady gny fiaran'i Yaveh la tao amin'ny tanana'ireo Filistina nandritsa gny fito vola. 2 Bakeo gny fokonolo Filistina nikaiky gan'ireo mpisoro voho reo mpimasy; hoy ie tamin-drozy hoe;' Ino ro tokony hataonay amin'ny fiaran'i Yaveh? Lazao gnanay gny fomba hagnampolianay gnan'io agny amin'ny firenenan'io manoka." 3 Hoy reo mpisoro voho reo mpimasy hoe;' Laha ampolinareo gny fiaran'ilay Ndranagnaharin'Israely, la ka ampoly tsy miaraky amin'ny fagnomeza io; andefaso fagnatitsy noho gny heloky amin'ny fomba iaby Ie. La ho janga nareo, sady ho hainareo gny antony tsy nangalany gny tagnany taminareo mandrak'androany. 4 La hoy rozy hoe;' Tokony ho ino lay fagnatitsy noho gny heloky zay ampolinay aminy?' Namaly rozy hoe;' Fivontoa volamena limy voho totozy volamena limy, gny limy la isa mitovy amin'ny isan'ireo mpanapaky gny Filistina. Fa loza mitovy ro mampijaly gnanareo voho reo mpanapakareo. 5 Nohon'io la tsy maintsy manao sarin'ny fivontoanareo nareo , sady sarin'ny totozinareo zay mandringa gny tany, sady magnome voninahitsy gan'ilay Ndranagnaharin'Israely. Vasa mety hangalaky gny tagnany aminareo Ie, amin'ireo ndranagnaharinareo, sady amin'ny taninareo. 6 Nagnino ro tokony hagnamafy gny fonareo nareo, manahaky gny nagnamafisan'yireo Egyptiana voho Farao gny fon-drozy? Io la tamin'ny namelezan'ilay Ndranagnaharin'Israely mare gnan-drozy; moa tsy nalefan'ireo Egyptiana va gny fokonolo, sady lasa rozy? 7 Amizao ary, magnomana sarety vaovao miaraky amin'ny aomby vavy mampinono roe zay mbo tsy nanday Zioga mihitsy. feheo amin'ilay sarety reo aomby, fa ingo andeso moly reo anak'aomby, hiala amin-drozy. 8 Bakeo rambeso gny fiaran'i Yaveh sady ataovo ao agnatin'ilay sarety io. Apetraho agnaty vata eo agnilan'io gny sarin-draha volamena zay ampolinareo aminy mba ho fagnatitsy noho gny heloky. La alfaso io sady engao handeha amin'ny lalany. 9 Bakeo henteo ; laha miakatsy agny amin'ny lalamagnagny amin'ny taniny manoka agny Beti-semesy io, la Yaveh ro nanao gnan'io loza bevata io. fa laha tsy io, la haintsika fa tsy gny tagnany ro nampijaly gnantsika, fa koa haintsika fa nitranga tsy nahy tamintsika io." 10 Reo johary la nanao araky zay nolazai tamin-drozy; nangalaky aomby vavy mampinono roe rozy, namehy reo teo amin'ny sarety, sady nanday gny anak'aomby tagny an-tragno. 11 Napetran-drozy teo amin'ilay sarety lay fiaran'i Yaveh niaraky tamin'ny vata misy lay totozy volamena voho gny sarin'ny fivontoan-drozy. 12 Nandeha nahity tagny amin'ny lala mizotsa agny Beti-semesy reo aomby vavy. nandeha tamin'ny lalam-be raiky reo, nimama tegny am-pandehana, sady tsy niodaodaky na tagny ankavana na tagny ankavia. nagnaraky gnan-drozy tagny amin'ny sisini Bti-semesy reo mpanapak'ireo Filistina. 13 Sady nijinja gny varin-drozy tegny an-dohasaha gny fokonolon'i Beti-semesy. Lafa naanndratsy gny masony rozy ka nahita lay fiara, la nazotozoto. 14 Avy tagny amin'ny sahan'i Josoa bakagny amin'ny tanana'i Beti-semesy lay sarety sady nijano teo. Nisy vato bevata teo ka namaky gny hazo tamin'ilay sarety rozy, sady nanolotsy reo aomby vavy mba ho fagnatitsy oroa ho gnan'i Yaveh. 15 Nampilin'ireo Levita gny fiaran'i Yaveh voho lay vata zay niaraky tamin'io, zay nisy vata zay niaraky tamin'io, zay nisy reo sary vato bevata reo. Nanolotsy fagnatitsy oroa voho nanao soro ho gnan'i Yaveh gny androts'io avao reo olon'i Beti-semesy. 16 Lafa hitan'ireo mpanapaky limin'ireo Filistina io , la nimpoly tagny Ekrona gny androts'io avao rozy. 17 Reto iaby reo fivontoa volamena zay nampolin'ireo Filistina ho fagnatitsy noho gny heloky ho gnan'i Yaveh:" raiky ho gnan'i Asdoda raiky ho gnan'i gaza, raiky ho gnan'i Askelona, raiky gnan'i Gata, sady raiky ho gnan'i Ekrona. 18 Reo totozy volamena la nitoby isa tamin'ny isan'ireo tanan'ireo Filistina iaby zay gnn'ireo mimanda voho reo ana-bohiny gny tana. Lay vato bevata, teo agnilan'ilay nametrahan-drozy gny fiaran'i Yaveh, la mipetraky ho vavolombelo raiky ao amin'ny sahan'i Josoa lay Beti-semesy mandrak'androany. 19 Namely gny sasany tamin'ireo olon'i Beti-semesy i yaveh fotony nijery tao agnatin'ilay fiaran'i Yaveh rozy. namono johary 50.070 Ie. Nisaona gny fokonolo, fotony namely mare gny fokonolo Yaveh. 20 Hoy reo olon'i Beti-semesy hoe;' Ia ro afaky hijoro magnatriky gnan'i Yaveh, toy Ndranagnahay masy toy? Ho amin'ia ro iakaran'ilay fiara baka toy amintsika?' 21 Nagniraky mpanady hafatsy tagny amin'ireo olon'i kiriata-jearima rozy, nanao hoe:' Nandesin'ireo Filistina nimpoly lay fiaran'i Yaveh; mizotso sady andeso mimpoly miaraky aminareo io."