Toko faha 7

1 Avy gny olon'ny Kiriata jearima , nangalaky gny fiaran'i Yaveh, sady nanday gnan'io tao an-tragnon'i Abinadaba tagny amin'ny havoa.Nanoka gnan'i Eleazara anany lahy rozy mba hitandry gny fiaran'i Yaveh. 2 Nanomboky tamin'ny andro zay nipetrahan'ny fiara tao Kiriata jearima, la tao maro ro lasa, roapolo tao. Gny avorohotanIsraely iaby la nalahelo gnan'i Yaveh ka nagniry himpoly amin'i Yaveh. 3 Hoy i Samoela tamin'ny avorohotan'ny Israely manontolo hoe;"Laha mimpoly amin'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo nareo , la ala eo aminareo reo ndranagnaharin-kafa voho Astarta, atoliho amin'i Yaveh gny fonareo, sady Ie raiky avao tompoa, la hamonjy eo an-tagnan'ireo Filistina ie." 4 La nangalaky reo Bala voho gny Astarta gny fokonolon'ny Israely, sady nanompo gnan'i Yaveh raiky avao. 5 Sady hoy Samoela hoe;' Andeso ho agny Mizpa gny Israely manontolo, la hivavaky amin'i Yaveh ho gnanareo aho." 6 Nivory tao Mizpa rozy, sady nanoby rano ka nandraraky gnan'io teo agnatrehan'i Yaveh. Nifaly hany rozy tamin'io andro io ka nanao hoe:" Fa nanota tamin'i Yaveh tsika." Tagny ro nanapahan'i Samoela hevitsy hitsara gny fifandiran'ny fokonolon'ny Israely voho nagnandesany gnazy. 7 Sady lafa ren'ireo Filistia fa nivory tao Mizpa gny fokonolon'Israely, la nanafiky gny Israely reo mpanapaky gny Filistina. Laha nahare gnan'io gny fokonolon'Israely la natahotsy reo Filistina rozy. 8 Sady hoy reo fokonolon'Israely tamin'iu Samoela:' Ka mijano mikaiky gnan'i Yaveh Ndranagnaharintsika ho gnantsika, fa hagnavotsy gnantsika eo an-tagnan'ireo Filistina Ie." 9 La nangalaky anak'aondry mbo minono i Samoela sady nagnome gnan'io manontolo mba ho fagnatitsy dorana ho gnan'i Yaveh ho gnan'ny Israely Samoela, ka namaly gnzy Yaveh. 10 Sady laha mbo nagnatitsy fagnatitsy dorana Samoela, la namonjy hanafiky gny Israely reo Filistina, Fa Yaveh nampikotrok'ora tamin'ny feo mare tamin'io andro io hanohitsy reo Filistina ka nampifanjevo gnan-drozy, sady resy teo agnatrehan'ny Israely rozy. 11 Sady joharin'ny Israely niala bakagny Mizpa, la nagnenjiky gny Filistina ka namono gnan-drozy mandra-piaviany teo ambanin'i Betikara. 12 Bakeo la nangalaky vato i Samoela nametraky gnan'io teo agnelagnelan'i Mizpa voho Sena. Nataony hoe Ebenezera gny agnaran'io , manao hoe;" Hatramin'izao ro namonjen'i Yaveh gnantsika." 13 La resy reo Filistina ka tsy nilitsy teo amin'ny fari-tanin'ny Israely. Gny tagnan'i Yaveh nanohitsy reo Filistina tamin'ny andron'i Samoela manontolo. 14 Reo tana zay nalan'ireo Filistina tamin'ny Israely la tafampoly tamin'ny Israely, hatragny Ekrona ka hatragny Gata; nimpoly tamin'ny Israely koa gny faritaniny tagny amin'ireo Filistina. La nisy filongoa teo amin'ny Israely voho gny Amorita. 15 Ntsara gny Israely nandritsa gny androm-piaignany manontolo i Samoela. 16 Isan-tao la nandeha nivezinezy tagny Betela, Gilgala, voho Mizpa ie. Nanapa-kevitsy tamin'ny aly ho gnan'Israely teo amin'ireo toera iaby reo ie. 17 Sady nimpoly tagny Rama ndraiky ie, fotony tagny gny tragnony; sady tagny avao koa ro nanapahany hevitsy tamin'ny aly ho gnan'ny Israely. Nagnory alitara ho gnan'i Yaveh tagny avao koa ie.