Toko faha 5

1 Sady lasan'ireo Filistina gny fiaran-Dranagnahary, ka nandesin-drozy bakagny Ebenezera ho agny asdoda o. 2 Nalan'ireo Filistina gny fiaran-Dranagnahary, nandesiny tao an-tragnon'i Dagona. 3 Lafa nifoha maraindray reo fokonolon'i Asdoda gny maray , la ingo , nilavo niankohoky tamin'ny tany teo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh gny vatan'i Dogona. Ka la nalan-drozy i Dogona sady nampiakariny teo amin'ny toerany ndraiky. 4 Fa lafa nifoha maindray rozy gny hamaray la ingo, nilavo niankohoky tamin'ny tany teo agnatregan'ny fiaran'i Yaveh gny vatan'i Dagona. Gny lohan'i Dagona voho gny tagnany roe tapaky teo amin'ny varavagna. Gny vatan'i Dagona avao ro sisa tavela teo. 5 Nohon'io , ro antony tsy handinganan'ireo mpisoron'i dagona voho zay olo militsy ao an-tragnon'i Dagona gny varavagnan'i Dagona ao Asdoda, ndra mandraka'androany aza. 6 Gny tagnan'i Yaveh la navesatsy teo amin'ireo fokonolon'i Asdoda. Noringaniny voho nampahoriany tamin'ny fivontosa rozy, i asdoda voho reo faritaniny. 7 Lafa tsapan'ny olon'i Asdoda zay niytranga, la hoy rozy :Ao tsy hijano eto aminay gny fiaran'ny Ndranagnaharin'Israely, fotony gny tagnany la manohitsy mare gnanay voho i Dagona ndranagnaharinay." 8 Ka la nampikaiky rozy sady namory reo mpanampaky gny Filistina manotolo; hoy rozy taminy:' Ino ro tokony hataonay amin'ny fiaran'ny Ndranagnaharin'Israely?' Namaly rozy hoe;' ao hadesy mimpoly agny Gata gny fiaran'ny Ndranagnaharin'Israely. Ka nandesin-drozy tagny gny fiaran'ny Ndranagnaharin'Israely. 9 Fa lafa baka nandesin-drozy nimpoly io, la nanohitsy tana gny tagnan'i Yaveh, ka nahatonga fifanjevona bevata. nanpijaly reo olon'ny tana Ie, ndra kely ndra gny bevata; ka nipoitsy tamin-drozy gny fivontoa. 10 Nohon'io la nalefan-drozy tagny Ekrona gny fiaran-Dranagnahary. Fa vantany vao avy tagny Ekrona gny fiaran'ny Ndranagnahary la nikoraky mare reo Ekronita, nanao hoe:' Nanday gny fiaran-Dranagnaharin'Israely ho gnantsika mba hamonoa gnantsika voho reo olontsika rozy." 11 Ka nampikaiky rozy sady namory reo mpanapaky gny Filistina iaby; hoy ie tamin-drozy hoe;' Hampolio lay fiaran'ny Ndranagnaharin'Israely, sady ampolio amin'ny toera avao, mba tsy hamonoan'io gnantsika voho olontsika." Fa nisy fisavorovoroa bevata nanera gny tana; tena navesatsy teo gny tagnan-Dranagnahary. 12 Reo olo zay tsy maty la nampahory tamin'ny fivontoa, sady gny fitaraignan'ny tana la niakatsy nagneniky gny lagnitsy.