Toko faha 4

1 Avy tamin'ny Israely manontolo gny tenin'i Samoela. Sady hiboaky hialy tamin'ireo Filistiana gny Israely . Nametraky toby teo Ebenezera rozy, sady nametraky toby teo Afeka koa reo Filistiana. 2 Nilahatsy hialy tamin'ny Israely reo Filistiana. Lafa niely gny aly, la resin'ireo Filistiana zay nahafaty teo ho eo amin'ny efatsy arivo lahy teo amin'ny sahan'aly gny Israely. 3 Lafa nilitsy tao an-toby gny fokonolo la hoy reo loholon'Isarely hoe:' Nagnino Yaveh ro naharesy gnantsika teo agnatrehan'ireo Filistiana androany/ Andeha handesintsika bakagny Siloha hagnatoy gny fiaran'ny fanenken'i Yaveh, mba hiaraky amintsika atoy io, ka hiaro gnantsika amin'ny tagnan'ireo fahavalontsika." 4 Ka la nagniraky johary nagnagny Siloha gny fokonolo; bakagny ro nagnandesan-drozy gny fiaran'ny fanenken'i Yaveh tompon'ny maro, zay mipetraky agnabon'ny Kerobima. Teo niaraky tamin'ny fiaran'ny fanenken-Dranagnahary reo anak'i Ely roe lahy, la i Hofinia voho Finehasa. 5 Lafa nilitsy tao an-toby gny fiaran'ny fanenken'i Yaveh, la niara-namoaky koraky mare gny fokonolon'Israely manontolo, sady nanakoako gny tany. 6 Lafa ren'ireo Filistiana gny kotaban'ny korakoraky, la hoy rozy hoe:" Fa ino ro dikan'izay korakoraky mare ao an-tobin'ny Hebreo zao? Bakeo la azon-drozy an-tsay fa avy tao an-toby gny fiaran'i Yaveh. 7 Natahotsy reo Filistiana; hoy rozy hoe:' Misy ndranagnary avy ao an-toby." Hoy rozy hoe; 8 " Loza ho gnantsika ! Mbo tsy nisy raha nitranga manahaky gnan'ny toy gny taloha! Loza ho gnantsika! Ia ro hiaro gnantsika amin'ny herin'reo Ndranagnahary mahery reo? Reo ro Ndranagnahary namely gny Egyptiana tamin'ny loza maro isan-karazany tagny agn'efitsy. 9 Alao hery, sady mba johary, nareo ry Filistina, sao ho avy andevon'ny Hebreo nareo, manahaky gny naha-andevonareo gnan-drozy .Mba johary, ka mialia." 10 La nialy reo Filistina, sady resy gny Israely . Nandositsy tagny an-tragnony iaby gny Israely , sady henja tokoa gny famonoa; fa miaramila mijoro telo aly bakamin'ny Israely ro lavo. 11 Lasa gny fiaran'i Yaveh, sady maty i Hofinia voho Finehasa. , anaki Ely roe lahy. 12 Nisy joharin'i Benjamina raiky nilay bakagny amin'ny filahanan'aly ka nagnagny Siloha tamin'io andro io avao, avy niaraky tamin'ny akanjony tataky voho vovo-tany teo an-dohany. 13 Lafa avy ie, la nipetraky teo amin'ny sezany teo amoron-dalana nijilo i Ely fotony nangorohoro gny amin'ny fiaran-Dranagnahary gny fony. Lafa nilitsy gny tana lay johary sady nilaza gny vaovao, la nikoraky mare gny tana ray manontolo. 14 Lafa ren'i Ely gny kotaban'ny korakoraky, la hoy ie hoe:' Ino ro dikan'izao koronta zao ?' Avy malaky lay johary sady nitantara tamin'i Ely. 15 Sady sivampolo valo amby tao i Ely; pahina gny masony ., sady tsy nahita ie. 16 Hoy lay johary tamin'i Ely :" zaho lay raiky zay bakagny amin'ny laharan'aly. Nandositsy gny aly aho androany." 17 Hoy Ely hoe;' Nanao akory gny fizotrany, anaky?' Namaly lay johary nanday vaovao ka nanao hoe:' nandositsy gnan'ireo Filistina gny Israely. Sady koa, nisy faharesea bevata teo amin'ny fokonolo. Sady koa , maty Hofinia voho finehasa, anakao roe lahy, sady lasa gny fiaran-Dranagnahary." 18 Lafa nanogno gny fiaran-Dranagnahary ie, la nidoboky nitsimbaliky bakeo an-tsezany teo agnilan'ny vavahady i Ely. tapaky gny vozony, ka maty ie, fotony fa antitsy sady reraky. Nitsara gny Israely nandritsa gny efapolo tao ie. 19 Sady gny vinantovaviny, valin'i finehasa, la nibevoka sady fa ho teraky. Lafa nahare gny vaovao ie fa lasa gny fiaran-Dranagnahary sady maty gny rafozan-dahiny voho gny valiny, la nandohaliky ie sady teraky, fa ingo nandavo gnazy gny fahararin'ny fiterahany. 20 Tokony ho tamin'ny fotoa nahafatesany la nivola taminy reo ampela niatriky azy hoe:' Ka matahotsy, fa niteraky zazalahy iha." fa ingo tsy namaly ie na nandramby am-po zay nolazain-drozy. 21 Nikaihy hoe;'Ikaboda gny agnaran'ilay zaza, fa hoy ie hoe:' afa-boninahitsy Israely!" Fa lasa gny fiaran-Dranagnahary, sady nohon'ny rafozan-dahiny voho gny valiny koa. 22 Hoy ie hoe:' afa-boninahitsy Israely, fotony lasa gny fiaran-Dranaganahry."