Toko faha 3

1 Nanompo gnan'i Yaveh teo amin'ny fagnatrehan'i Ely i Samoela zaza. Tsy ampy reo safan'i Yaveh tamin'ireo andro reo; tsy la nisy fahita ara-paminania matetiky. 2 Tamin'io fotoa io , Ely, zay fa nanomboky Pahina masony ka tsy mahita soa, la niroro teo an-pandriany. 3 Mbo tsy maty gny fanilon-Dranagnahary, sady nandry mba hiroro tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'izay nisy gny fiaran-Dranagnahary. 4 Yaveh nikaiky gnan'i Samoela , ie nanao hoe:' Intoy aho." 5 Nilay nagnagny amin'i Ely i Samoela nivola hoe;' Intoy aho, fa nikaiky gnahy iha." Hoy i Ely:' Tsy nikaiky gnanao aho, mimpolia mandry." Ka nandeha i Samoela sady nandry. 6 Nikaiky ndraiky i Yaveh hoe:' Ry Samoela." La nitsanga ndraiky i Samoela sady nagnagny amin'i Ely, nanao hoe:' intoy aho, fa nikaiky gnahy nanao hoe;' Intoy aho, fa nikaiky gnahy iha." La namaly i Ely hoe:' Tsy nikaiky gnanao aho, ry zanako mimpolia mandry." 7 Sady Samoela la mbo tsy de nahay loatsy gnan'i Yaveh, ndra nisy hafatsy bakamin'i Yaveh mbo nambara taminy. 8 Nikaiky gnan'i Samoela fagnintelony ndraiky i Yaveh. Nitsanga ndraiky i Samoela sady nagnagny amin'i Ely voho nivola hoe:' Intoy aho, fa niakaiky gnahy iha.' La hain'i Ely fa i Yaveh ro nikaiky lay zazalahy. 9 La hoy i Ely tamin'i Samoela:' Mandehana sady mimpolia mandry; laha mbo mikaiky gnanao ndraiky Ie la tsy maintsy milaza iha hoe:' Miresafa, ry Yaveh, fa mijanjy gny mpanomponao.' Ka nandeha i Samoela sady nandry tamin'ny toerany ndraiky. 10 Avy i Yaveh ka nitsanga; nikaiky manahaky gny tamin'ireo fotoa hafa hoe:" Samoela, Samoela." La hoy I Samoela hoe;' Miresafa, ry Yaveh , fa mijanjy gny mpanomponao." 11 Hoy i Yaveh tamin'i samoela:' Ingo, hanao raha amin'Israely Aho ka gny sofin'izay iaby mahare gnan'io la hangoritsina. 12 Amin'io andro io la hagnatanteraky gny raha iaby fa nolazaiko tamin'i Ely momba gny avorohotany, hatramin'ny fokonolony ka hatramin'ny farany Aho. 13 Nilaza taminy Aho fa hitsara gny avorohotany ndraiky mandeha tsy mimpoly gny amin'ireo fahota zay hainy, fotony reo anany la nanday ozo tamin'ny vatan-drozy sady tsy nanaka gnan-drozy ie. 14 Nohon'io la niainia tamin'ny avorohotan'i Ely Aho fa reo fahotan'io avorohota io la tsy ho voahonitsy amin'ny soro na fagnatitsy mihitsy." 15 Nandry mandra-pimaray ny gnandro i Samoela; la nanokatsy gny lafonetin'ny tragnon'i Yaveh ie. Fa natahotsy gny hilaza tamin'i Ely momba gny fahita i samoela. 16 Bakeo la nikaiky gnan'i Samoela i Ely ka nanao taminy hoe:' Ry Samoela, anako.' La hoy i Samoela hoe;' Intoy aho." 17 Hoy ie;' Ino ro safa nolazainy taminao? Ka aetaky gnahy lahy io. Hanao io aminao anie Ndranagnahary, sady mandilatsy nohon'io aza, laha magnetaky raha amiko gny amin'ireo teny iaby zay nolazainy gnanao iha.' 18 La nolazain'i Samoela taminy gny raha iaby; tsy naetany na ino ino taminy ie. Hoy i Ely: Ie ro Yaveh. Engao Ie hanao zay mety hoe soa Aminy." 19 Niha be i Samoela, sady i Yaveh la niaraky taminy, sadt tsy nengany hisy tamin'ireo teny faminaniany tsy ho tanteraky. 20 Gny Israely manontolo hatragny Dana ka hatragny Beri-sheba la nahay fa i Samoela la voatendry ho mpaminanin'i Yaveh. 21 Niseho tao Silo ndraiky i Yaveh, fotony nagnambara gny vatany tamin'ny teniny tamin'i samoela tao Silo Ie.