Toko faha 2

1 Nivavaky Hana ka nanao hoe: " Gny foko mifaly amin'i Yaveh. Gny fagniriako miranga amin'i Yaveh. Gny molotro mirehareha magnatriky gnan'ireo malay gnahy, safe mifaly amy gny famonjeanao zaho. 2 Tsy misy masy manahaky gnan'i Yaveh, fa tsy misy ankoantsy Gnanao; tsy misy vatolamilamy manahaky gny Ndranagnaharintsika. 3 V 3 ka mirehareha mare sasy; ao tsy ho aloaky gny vavanao gny fiavognavognanao. Fa Yaveh ro Ndranagnahariny gny fahaiza; amy gny alalany ro handanjany gny asa. 4 Gny tsipikan'ireo johary mahery la tapaky, fa reo tafintohy koa la misikin-kery manahaky gny fehin-tsoky. 5 Reo ze vintsy la mikarama mofo, reo zay mosare la tsy mijano tamy gny mosary. Na gny momba aza niteraky fito, fa gny ampela mana gnanaky maro koa la mivalaketraky. 6 Yaveh ro mamono voho manday ho amin'ny fiaigna. Ie ro mampilitsy agny amin'ny fiaignan-tsy hita sady mampitsanga. 7 Yaveh ro mahalatsa gn'olo gnilany sady mampanakanagna gny gnilany. Mampihetsy Ie, nefa mampitsanga avao koa. 8 Mampitsanga gny mahantra hienga amin'ny fotaky Ie. Mampisondratsy gny ory hienga amin-gny lavenoky mba hametrahan-drozy miaraky amy gny andrian-johary ka handova gny sezim-boninahitsy. Gny andrian'ny tagny iaby gnan'i Yaveh sady teo amin-drozo ro nametrahany gnan'izao tontolo zao. 9 Hambenany gny tombony gn'olony matoky, fa gny raty fagnahy koa hampanganihy agny amin'ny mahiky mare, fotony tsy misy handresy amin'ny hery. 10 Reo zay magnohitsy gnan'i Yaveh ho torotoro; hampilatraky ora bakagny andagnitsy hagnohitsy gnan-drozy Ie. Yaveh ro hitsara gny faran'ny tany iaby, hagnomea hery gny mpanjakany Ie sady hanondrotsy gny tandrok'ilay voakosony." 11 Bakeo i Elkana nagnagny Rama, tagny an-tragnony. Nanompo Ndranagnahary teo amin'ny fagnatrehan'i Ely mpitan-kazo manga gny zaza. 12 Sady johary raty fagnahy reo anakilahin'i Ely. Tsy nahay gnan'i Yaveh rozy . 13 Gny fataon'ny mpitan-kazo manga misondry amin'ireo olo maro lafa misy johary nagnatoro soro, la mamonjy gny mpanompon'ny mpitan-kazo manga ka nanday fitrebiky telo rantsany egny an-tagnany, laha mbo mandevy gny hena. 14 Hatsibony ao agnatiny valagny io , na fiketrahan-kena, na valagny, na valagny bevata. Reo iaby azon' ny fitrebiky ao alan'ny mpitan-kazo manga ho gnazy, nataon-drozy tao Silo nisondry tamin'ireo Israely iaby zay niavy tao io. 15 Raty lavitsy aza, alohan'ny nagnoroan-drozy gny sabora, la tamy gny mpanompon'ny mpitan-kazo manga, sady nirehaky tamin'ilay johary zay nanao gny soro hoe: " Ameo hena ho atsatsiky gny mpitan-kazo manga, fa tsy hagnenky hena niketrehy bak'agnaminao ie, fa gny manta avao". 16 Laha nivola amin'ny lay johary hoe, "Tsy maintsy oroan-drozy reo aloha gny sabora, bakeo la afaky mangalaky maro araky zay teanao iha." La valeany hoe: " Tsy zay fa ameanao amin'izao henany izao avao io; fa laha tsy zay, la halako an-keriny io. 17 Bevata la bevata tokoa gny helok'ireo tovolahy magnatriky gnan'i Yaveh, fotony nataon-drozy tsy misy dikany gny fagnatitsy gnan'i Yaveh. 18 Fa i Salomoela ro nanompo gnan'i Yaveh laha mbo pamaraky nisalotsy efoda koliky foty 19 Niasan-dreniny salotsy lava kelikely ie ka nandesiny ho gnazy isan-tao zay, lafa nisondrotsy nisondry tamin-gny valiny mba hagnome gny fagnatitsy fatao isan-tao ie. 20 Sady Ely nitsipirano gnan'i Elkana voho gny valiny ka nivola hoe: " Hagnome gnanao aja maro amin'ny toy ampela toy anie Ndranagnahary nohon-gny fangataha zay nataony tamin'i Yaveh." Bakeo la nimpoly tagny an-tragnony rozy reo. 21 Nagnampy gnan'i Hana ndraiky i Yaveh, ka nibevoka ndraiky ie. Niteraky johary telo voho ampela roa ie. Hatramin'izay fotoa zay, la nisondrotsy teo agnatrehan'i Yaveh i Samoela aja. 22 Sady fa antitsy tokoa i Ely; jany koa zay iaby nataon-dreo anakilahiny tamy-gny Israely iaby, voho gny niroroan-drozy reo nisondry tamin-gny ampela zay nanompo eo amy-gny filirany ao amin-gny fihaogna. 23 Hoy ie tamin-drozy reo: "Ka magnino nareo ro manao raha manahak'anizay? Fa nireko tamy-gny olo iaby koa gny raha raty nataonareo. 24 " Tsy zay anako; tsy tatitsy soa ro reko. Manhavy gny vahoakan'i Yaveh tsy manao marina nareo. 25 " Laha misy olo raiky nidiso amy-gny raiky hafa, la hotsara Ndranagnahary ie; fa la misy johary raty nidiso amin'i Yaveh, ia gny hisolo vava gnazy?" Fa tsy hinjanjy gny feon-gny babany rozy reo, fotony Yaveh fa naniry gny hahafaty gnazy reo. 26 Niha-bevata i Samoela aja, sady nitombo fitiava tamin'i Yaveh voho tamin-gny olo avao koa. 27 Sady nisy johary Ndranagnahry raiky namonjy gnan'i Ely ka nanao tagnaminy hoe: " Zao ro nosafagnin'i Yaveh, 'Tsy fa nampijery gny vatako tagnaminao tamin-gny avorohotanareo razambenao va Zaho, laha mbo tagny Egypta tamin-gny fagnadevozan-gny avorohotan'i Farao rozy reo? 28 Nofiliko tagnatin-dreo fokon'Israely iaby ie mba ho mpitan-kazo mangako, mba hisondrotsy egny amin-gny alitarako, sady mba hagnoro gny ditin-kazo magnitsy,mba hisalotsy efoda agnatrehany Gnahy. Nameako ho gnan'gny avorohotany gny razambenao reo fagnatitsy iaby nataon-gny vahoakan-gny Israely tamin-gny bolo. 29 Nagnino moa iha ro maniratsira reo soro voho fagnatitsy zay notakiko ho eo amin'ny toera fipetrahako? Nagnino ro ameanao voninahitsy mandilatsy gnahy amin'ny fagnateveza gny vatanareo amin'ny soa mare bakamin'ny fagnatitsy iabin'ny Israely fokonoloko gny anakao? 30 Fa Yaveh , Ndranagnaharin'Israely , misafa hoe: Nampanantena Aho fa gny avorohotanao voho gny ankohonan'ny razambenao , la handeha eo agnatrehako mandrakizay; nefa amizao koa la hoy Yaveh: Sagnatria Amiko gny hanao gnan'io , zay magnome voninahitsy Ahy ro hameako voninahitsy, fa zay manao tsinontsino Ahy koa ro ho tsinontsinoviko. 31 Ingo, ho avy gny andro zay hanapahako gny herinao voho gny herin'ny avorohotan'ny razambenao, ka tsy hisy johary ho tratry antitsy sasy amin'ny avorohotanao. 32 Hahita fijalia egny amin'izay toera hipetrahako iha. Ndra la ameo soa aza gny Israely, la tsy hisy johary ho tratsy antitsy sasy amin'ny avorohotanao. 33 Gny sasany aminareo zay tsy ho alako amin'ny alitarako, la ho ataoko pahina gny masonareo sady ahatonga alahelo gny amin'ny fiainareo Aho. Reo johary iaby zay teraky ao amin'ny avorohotanareo la ho maty. 34 Zao ro famantara ho gnanao zay hanjo reo anakao roe lahy, amin'i Hofinia voho Finehasa:' Samby ho maty amin'ny andro raiky rozy mirahalahy . 35 Hananga mpisoro mahatoky ho gnan'ny vatako zay hagnatanteraky gny ao am-poko voho gny ao amin'ny fagnahiko Aho. Hagnory tragno azo antoky ho gnazy Aho; sady handeha eo agnatrehan'ny mpanjaka zay voahosotsy mandrakizay ie. 36 Zay iaby sisa tavela amin'ny avorohotanao la ho avy sady hiankohoky eo aminy, hangataky sombi-bolafoty voho mofo, sady hivola hoe:' Mba tendreo ho isan'ny raiky amin'ireo mpisoronao lahy aho mba hahafahako mihina sombi-mofo raiky."