Toko faha 6

1 Sady i Solomona nanomboky nagnamboatsy gny tempolin'i Iaveh.Zao ro niseho tamin'ny tao faha 480 tafaran'ny nialan'ny anak'Israely tagny EgYpta, tamin'ny tao faha efatry ro nanjaka teo amin'Israely i Solomona, tamin'ny vola Ziva ,zay vola faha roa. 2 Gny tempoly zay namboarin'i Solomona Mpanjaka ho gnan'i Yaveh la enimpolo hakiho gny halavany , roapolo hakiho gny sakany ,ary telopolo hakiho gny hahavony . 3 Gny lavaranga eo agnatrehan'ny efitragno bevatan'ny tempoly la roapolo hakiho gny halavany, mitovy sakan'ny tempoly, sady folo hakiho halaliny eo agnatrehan'ny tempoly. 4 reo lafonetiny tragno la nataony tegny tery rafitsy noho gny agnatiny gny ivelany. 5 Nagnamboarany efitry gny magnodidy reo rindrin'ny efitragno bevata , magnodidy gny ivelany voho gny agnatin'ny tefitsy. Nasiany efitsy gny magnodidy reo sisiny iaby. 6 Gny ambany mare la limy hakiho gny sakany , gny agnivony la eny hakiho gny sakany ,sady gny farany la fito hakiho gny sakany. Fa gny ivelany la nahenany gny rindriny magnodidy gny tragno iaby mba tsy hisaraky amin'ireo andry amin'ny rindriny tragno. 7 Vato voapaiky ro nagnamboara gny tragno, Tsy nisy tantantana, famaky ,na vy maragnitsy re tao an-tragno tamin'ny nagnamboara azy. 8 Gny bakagny antimon'ny tempoly la nisy filira tamin'ny rihana ambany 'nisy tohatsy raiky fiakara magnagny amin'ny rihana voalohany ,sady eo agnivony ro miakatsy magnagny amin'ny rihana faharoe. 9 Ka namboarin'i Solomona gny tempoly sady nivitany io ;nirakofany andry voho hazo sedera pisaky lay tragno. 10 Namboariny teo ampitan'ny efitragnon'ny tempoly reo efitry an-daniny ,limy hakiho isaky gny an-daniny,ka hazo sedera ro nampitohy gny tragno voho gny hazo sedera 11 Avy tamin'i solomona gny tenin'i Iaveh,nanao hoe : 12 "Gny momba toy tempoly zay namboarinao toy,laha handeha araky gny lalako voho hanao gny rariny iha,hitandry gny liliko manontolo sady hagnaraky zany,la hamafisiko aminao gny fampanantena zay nataoko tamin'i Davida rainao. 13 Hitoetsy eo amin'ny fokonolon'Israely aho sady tsy hahafoy an-drozy ." 14 ka namboarin'i solomona gny tempoly sady nivitany . 15 bakeo la namboariny tamin'ireo hazo sedera gny rindry tao agnatin'ny tragno .Hatramin'ny tany ka hatramin'ny valin-drihana,la nitampenany hazo tao agnatin'ireo,sady hazo kypreso ro nagnarognany gny ambany. 16 Nataony roapolo hakiho bakeo an-dambosin'ny tragno misy hazo sedera hatragny ambany ka hatragny amin'ny valin-drihana.Nataony ho efitsy agnaty zany efitsy zany.lay toera masy mare 17 gny efi-tragno bevata ,zay toera masy eo agnatrehan'ny toera masy mare ,la efapolo hakiho gny halavany. 18 Nisy sedera tagnatin'ny tragno,voasokitra manahaky votango voho voninkazo mivelatsy.Sedera iaby gny ao agnatiny.Tsy nisy rafi-bato hita tagnatiny tao. 19 Nagnoma gny efitragno agnatin' ilay tragno mba hametraha gny fiara fanenken'i Iaveh tao i Solomona. 20 Gny efitragno agnaty la roapolo hakiho gny halavany, roapolo hakiho gny sakany ,sady roapolo hakiho gny hahabony .Nofenoan'i Solomona volamena tsy misy fangarony reo rindry sady notapenany hazo sedera gny alitara . 21 Nifenoan'i Solomona volamena tsy mifangaro gny anatin'ny tempoly sady nampiany rojom-bolamena teo agnatrehan'ny efitragno agnatiny sady nifenoany volamena gny agnatrehany . 22 Gny agnatiny manontolo la norakofany volamena mandra-pahavitany gny tempoly iaby.Nofenoany volamena avao koa magnodidy gny alitara zay ao amin'ny efitragno agnatiny. 23 Nagnamboatsy kerobima roe tamin'ny hazo oliva i Solomona,samby folo hakiho aby gny halavany,ho gnan'efitragno agnatiny. 24 Gny elatry gny kerobina raiky la folo hakiho gny halavany,sady gny elany hafa la limy hakiho avao koa.Gny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra raiky hatragny amin'ny tendron'ny elatsy hafa. 25 Gny tendron'ny elatsy raiky ka hatramin'ny tendron'ny elatsy raiky la mana elagnela folo hakiho.Lay kerobima hafa la mana elatsy folo hakiho. 26 Gny kerobima roe la samy mitovy refy voho endriky.Gny hahabon'ny kerobima raiky la folo hakiho sady manahaky an'io koa lay kerebima hafa. 27 Napetrak'i Solomona teo agnivon'ny tragno gny kerobima.Navelatsy reo elatsy gny kerobima mba hikasihan'ny elatsy gny raiky amin'ny rindry raiky sady elats'ilay kerobima hafa hikasiky lay rindry hafa.Nifampikasiky teo agnivon'ilay toera masy vatany gny elan-drozy. 28 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena gny kerobima. 29 Niravahany tamin'ireo sarin'ny kerobima reo rindry iaby magnodidy gny tragno,hazon-drofia, sady voninkazo mivelatra,gny ivelany voho gny agnatin'ireo efitra . 30 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena gny gorodona, gny efitsy ivelany voho gny agnatiny. 31 Namboarin'i solomona tamin'ny hazon'ny oliva reo varavagna filia ao amin'ny efitra agnatiny.Gny tolàna voho gny lelam-baravagna la ampahadim'ireo faritsy. 32 la nagnamboatsy varavagna roe tamin'ny hazon'ny oliva ie. sady nampiany sary sokitsy gny kerobima teo amin'io,hazon-drofia,sady voninkazo mamelana .norakofany tamin'ny volamena reo sady naparitany volamena teo amin'ny kerobima sady hazon-drofia. 33 Manahaky anio koa , nagnamboran'i Solomona tamin'ny hazo oliva reo andrim-baravagna filira ao an-tempoly zay mizara efatra. 34 Sady gny varavagna roe la hazo Kypreso. REO kopaka roan'ny varavagna la mivalona sady reo kopaka roan'ny varagna hafa la mivalona. 35 Nasiany sary sokitr y kerobina teo amin-drozy, hazon-drofia, sady voninkazo mivelatsy, sady magnisy volamena eo amin'ny asa sokitsy matetiky ie. 36 Namboariny tamin'ny vato voapaiky andala telo gny kiandra tao agnatiny sady andry sedera andala raiky 37 Gny fagnorena gny tragnon'i Iaveh la napetraky tamin'ny tao hafa efatsy, tamin'ny volana ziva. 38 Tamin'ny tao hafa folo raiky ambiny, tamin'ny volan'i Bola, izay vola faha valo, la vita tanteraky tamin'ny lafiny manontolo voho gny famarita iaby gny tragno. Nandramby fito tao i Solomona nagnaboatsy gny tempoly.