Toko faha 5

1 hirama mpanjakan'i Tyro la nandefa reo mpanompony ho agny amin'i Solomona fotony reny fa voahosotsin-drozy handimby an-drainy ie; fotony Himara lafa tia gnan'i Davida bakagny bakagny . 2 nandray safa ho agny amin'i Himara i Solomona , nivola hoe : 3 Hainao fa i Davida raiko la tsy afaky nagnamboatry tragno ho gnan'ny agnaran'i Iaveh Ndranagnahary noho reo aly zay nagnodidy azy , fa nandritra gny androm-piaignany i Iave la nametraky reo fahavalony teo ambany tombony . 4 Fa amizao ,Iaveh ndranagnahary la fa nagnome ahy fijanogna amin'ny lafiny iaby .tsy misy na mpifanandrina na loza. 5 ka la mikasa gny hagnory tempoly ho gnan'ny agnaran'i iaveh Ndranagnahary aho, araky zay noresahin'i Iaveh tamin'i Davida raiko, nanao hoe : " Gny anakao lahy, zay hapetrako So Amin'ny seza fiandriananao eo amin'ny toeranao, no hananga gny tempoly ho gnan'ny agnarako . 6 sady amizao mandidia mba hanampahan- drozy hazo sedera bakagny Libanona ho gnahy.Hiaraky Amin'ireo mpanomponao reo mpanompoko,sady zaho ro handoa gny karaman' ireo mpanomponao mba ho voakarama ara- drariny iha gny amin'ny raha iaby zay menkenao atao; fotony hainao fa tsy misy eo Aminay mahay gny fomba snapchat hazo manahaky reo Sidoniana. 7 lafa nahare gny Safan'i Solomona i Hi ana, la nazotozoto mare ie ka nisafa hoe : Ho rengea anie Ijehova anio,zay nagnome gnan'i Davida anakilahy hendry ho eo amy toy fokonolo bevata toy". 8 Nampanday teny ho gnan'i Solomona I Himana, nivola hoe:" fa reko gny hafatsy zay nalefanao ho ahy.Hamatsy gny hazo sedera voho Kypreso iaby zay ironao aho . 9 Ho andesin' ireo mponompoko mizotro bakagny Libanona magnagny amin'ny riaky reo hazo, sady ho feheziko agnaty vatan-kazo reo hitsikafona amin'ny riaky magnagny amin'ny toera zay tondronao handefasako azy.Agny ro hampanampahako an-drozy sady la alanao reo.Hataonao zay iriko amin'ny fagnomeza sakafo gny avorohotako." 10 Ka nomen'i Himana gnan'i Solomona gny hazo sedera voho gny hazo kesika iaby zay niriny. 11 Nomen'i Solomona varimbazaha roaly kora ho sakafo ho gnan'ny avorohotan'i Hirama sady dililo tsy mitampoky roapolo kora .Nomen'i solomona ho gnan'i Hirama isan-tao io . 12 Nomen'i Iaveh fahendrea i Solomona ,araky zay fa nampanantenany azy .Nisy filongoa tamin'i solomona voho Hirama ,ka nanao fagnenkea roa roe tonta . 13 nampikaiky mpanao asa an-terivozo tamin' Israely iaby i solomona mpanjaka .Miisa telo aly reo lehilahy mpanao asa an-terivozo . 14 nalefany tagny Libanona rozy sady roe vola tagny an-tragno .I Adonirama ro nanapaky teo amin'ireo lehilahy zay nampanekegny ho amin'ny asa an-terivozo. 15 Sady i Solomona nana mpanday enta fito aly voho mpamaky vato valo aly zay tagny an-tendrombohitry , 16 ankoatrireo 3.300 lehiben'ny manam-pahefana i Solomona zay nanapaky gny asa sady zay nagnaramaso reo mpiasa. 17 Araky gny lilin'ny mpanjaka la nandrafitsy vato bevata soa kalitao mba hapetraky amin'ny fagnorenana gny tempoly rozy . 18 Sady reo mpagnoritran'i solomona voho reo mpagnorin-tragnon'i Hirama sady reo Gebalita ro nanao gny fikapa voho gny fikarakara gny hazo voho reo vato hangaboara gny tempoly .