Toko faha 7

1 Folo telo amby tao nanaovan'i Solomona gny lapany. 2 Nagnory lapa tamin'ny alan'ny Libanona ie. Zato hakiho gny halavan'io, dimampolo hakiho gny sakany, sady telopolo hakiho gny ahabony. Namboary tamy gny andalan'andry sedera efatsy gny lapa niaraky tamin'ny andry sedera teo amin'ireo tsangam-bato. 3 Notafia tamin'ny sedera lay tragno zay napetraky teo amin'ireo andry. Reo andry reo la notohana tamin'ny tsangam-bato. 4 nisy andry efapolo limy amby teo, folo limy amby amin'ny andala raiky. Nisy andry teo amin'ireo andalana tlo sady gny lafonety kiraikiraiky la nifanandrify tamin'ny lafonety telo hafa. 5 Gny lafonety voho gny varavagna iaby la natao ho efa-jora niaraky tamin'ireo andry, sady gny lafonety nifanandrify tamin'ny lafonety telo hafa 6 Nisy andry maro nifagnila zay dimampolo hakiho gny halavany sady telopolo hakiho gny sakany, miaraky amin'ny lavaranga eo anatrehany voho andry sady tafo. 7 Nagnory gny rindrin'ny seza fiandriana zay hitsara azy i Solomona, la gny efitragnon'ny fahamarigna. Norakofany tamin'ny sedera raiky gny rihana io 8 Gny tragnon'i Solomona zay nipetrahany, tao amin'ny kianja hafa misy gny tanin-dapa, la novolavolany mitovy. Nagnory tragno manahaky anio ho gnan'ny anakampelan'i Farao koa ie, zay nalany valy. 9 Reo tragno reo la noravaha tamin'ny vato sarotsy vily voapaika, voarefy soa sady voatapaky tamin'ny tsofa sady natao madoso tamin'ny lafiny manontolo. Reo vato reo la nampiasa ho amin'ny fagnoren a reo vato eo an-tampoly, voho ivelany ka hatramin'ny kianja bevata avao koa. 10 Gny fototsy naory tamin'ny vato bevata, voho saro-bidy zay valo voho folo hakiho gny halavany. 11 Teo agnabony la nisy vato sarotsy vily voapaiky voarafitsy soa amin'ny habeny, sady andry sedera. 12 Nisy andala vato votapaky telo voho tapaky andry sedera raiky gny kianja bevata zay magnodidy gny lapa manahaky gny kianja ao agnatin'ny tempolin'i Iaveh sady gny tempolin'ny lavaranga. 13 Nampaka Gnan'i hirama i Solomona mpajaka sady nanday azy bakagny tyro. 14 Hirama la anaky gny mpitondran-tena raiky tao amin'ny fokon'i Naftaly; olon'i tyro gny rainy, zay mpanao asa-tana amin'ny varahina. Feno fahendrea voho fahazavan-tsay sady fahaiza mba hanao asa bevata amin'ny varahina i Hirama. Nandeha nagnagny amin'i Solomona mpanjaka ie mba hiasa amin'ny varahina ho gnan'ny mpanjaka. 15 Namboatsy reo andry roe tamin'ny varahina i Hirama, folo valoamby hakiho gny hahabony sady folo roamby hakiho gny magnodidy gny kiraikiraiky. 16 Nanao kapitaly roe tamin'ny varahina voakosoky ie mba hapetsaky eo an-tampon'ireo andry. Limy hakiho gny hahabony kapitaly kiraikiraiky. 17 Makarakara mitarehin-karato voho tanjomiolaka mitarehin-drojo ampiasa ho gnan'ireo kapitaly ro nandravaky gny tendron'ireo andry fito saky gny kapitaly. 18 Ka nanao andala ampongamben-dagnitsy roe magnodidy gny tendron'ny andry kiraikiraiky i Hirama mba handravaka reo kapitalin-drozy. 19 Reo kapitaly teo antendron'ireo andrin'ny lavaranga la noravaha tamin'ny lilia, efatsy hakiho gny hahabony. 20 Tamin'ireo kapitaly tamin'ireo andry roe reo koa la nahita, ampongamben-dagnitsy roanjato milahatsy magnodidy gny tampony rozy iaby . /v 21 Nananga reo andry tao an-davarangan'ny tempoly ie. Lay andry teo ankavana la nataony hoe Jakina, sady lay andry teo ankavana la nayaony hoe Boaza. 22 teo an-tendron'ireo andry la nisy reo haingo manahaky gny lilia. Io ro fomba nandrafeta reo andry. 23 Nanao gny koveta tamin'ny vy i Himana ,folo hakiho isaky gny sisiny .limy hakiho gny ahabony,sady telopolo hakiho gny magnodidy gny koveta. 24 Nisy tagnatagnamanga tao ambani'ny sisiny magnodidy gny,folo isaky gny hakiho,sady natambatsy raiky niaraky tamin'ny koveta laha gny koveta vatany ro natao. 25 Teo amin'ireo aomby folo roamby lay koveta ,telo nagnatriky gny avaratsy ,telo nagnatriky gny andrefa ,telo nagnatriky gny antimo ,sady telo nagnatriky gny antignana .napetraky teo amin'ny tampon'ireo lay koveta ,sady nifagnila gny faritry gny vodin-drozy iaby . 26 Natevy manahaky gny sakan'ny tagna lay koveta ,sady gny sisin'io la naory manahaky sisin'ny kopy ,manahaky gny famoan'ny lilia .Aomby rano roa rivo bata lay kovety . 27 Nanao tomboky varahina folo iHirama folo.Efatsy hakiho gny velarany ,sady telo hakiho gny hahabony . 28 Manaky zay gny fanovany reo tompony . 29 Nisy takelaky tao agnelagnelan'ireo anan-kazo reo ,sady nisy liona ,aomby voho kerobima teo amin'ireo takelaky voho teo amin'ireo anan-kazo .Teo agnabony voho tao ambanin'ireo liona voho ireo aomby la nisy fehiloha voa tefy soa . 30 Nisy kodia varahina efatsy voho tagnan-kodia gny tsanganany iaby ,sady nisy tohana tao ambanin'ny sisiny efatr'ilay kovety .N asia fehiloha gny sisin'ny kirakirak'ireo fagnohana. 31 Boribory manahaky gny tomboky gny fisokafa,raiky hakiho voho sasany gny sakany, sady tao agnatin'ny satro-boninahitsy zay raiky hakiho gny halavany.Voasoratry teo amin'ny fisokafany,sady gny takelan'ireo la efa-joro ,fa tsy boribory . 32 Tao ambanin'ny takelaky reo kodia efatra sady gny tanan-kodia voho reo fipetrahany dia tao amin'ny tsangana.Gny hahavon'ny kodia iray la raiky hakiho. 33 Sady natao manahaky kodian'ny kalesa reo kodia.Ireo fipetrahany ,reo sisiny ,reo tagnamasoandrony,voho reo ivony la natao vy iaby . 34 Nisy zorony efatsy tamin'ireo sisiny efatsy gny tsangan'ny kirairaiky, natao tao amin'ny tsangany avao. 35 Teo an-tampon'ireo tsangana la nisy fehim-barika raiky zay antsasaky hakiho gny halaliny, sady eo an-tampon'ilay tsangana no namehea reo tohana voho reo takelaky. 36 Voasoratr'i Hirana kerobima, liona, voho hazo rofia gny velaran'ireo fanohagna voho reo takelaky zay nandrakotry reo fipetraha malalaky, sady voadidy fehiloha reo. 37 Io ro fomba nanavany gnan'ireo tsangana folo.Natao tamin'ny mitovy iaby rozy, sady nana habe, voho endriky mitovy. 38 Nanao kovety vahary folo i Hirama. Gny kovety raiky la afaky agnajaria rano efa-polo bata. Efatsy hakiho gny sakan'ny kovety kirairaiky iaby sady nisy kovety raiky saky tsangana folo. 39 Nanao tsangana limy teo amin'ny lafiny atimon'ny tempoly ie sady limy teo amin'ny lafin'ny avaratsy gny tempoly. 40 Nanao gny kovevety voho finga famafaza i Hirama. Ka la vitany gny asa iaby zay nataony ho gnan'i Solomona Mpanjaka tao an-tempolin'i Iaveh. 41 Reo andry roe, voho reo finga manaky reo kapitaly zay teo an-tampon'ireo andry roe, sady reo haingon'arato mba hamogno gny finga roe manahaky reo kapitaly zay teo an-tampon'ny reo andry . 42 Nanao reo ampongaben-dagnitsy efatra ie ho gnan'ireo haingon'arato roe voavitra : andalan'ampongaben-dagnitsy roe ho gnan'ny harato kiraikiraiky mba hagnarona gny finga roe manahaky reo kapitaly zay teo amin'ireo andry . 43 Tsangana folo, voho kovety folo teo amin' ireo tsangana. 44 Natao tao ambanin'io gny koveta voho reo aomby folo roamby ; 45 Reo tavy ,reo lapely ,reo koveta ,sady reo fitaova hafa iaby avao koa .Nataon'i Hirama tamin'ny varahina voakosoky reo ,ho gnan'i Solomona mpanjaka ,sady ho gnan'ny tempolin'i Iaveh . 46 Napetraky gny mpanjaka tegny amin'ny tahy lemak'i jordana reo ,tao amin'ny tanimanga agnelagnelan'iSokota voho Z aretana . 47 Tsy nolanjan'i Solomona reo enta iaby fotony maro mare laha holanja ,fotony tsy afaky nolanja gny lanjan'ny vahahina. 48 Nanao gny enta iaby zay tao an-tempolin'i Iaveh tamin'ny volamena i Solomona ;la gny alitara volamena voho latabo zay nametraha gny mofon'ny fagnatreha . 49 Reo fanovan-jiro ,limy eo amin'ilay ankavana sady limy eo ankavia ,teo alohan'ny efitsy agnatiny ,la vita tamin'ny volamena malio . 50 Reo kaporaly ,reo meso ,reo koveta ,reo sotro ,voho reo fagnoroa ditin-kazo magnitsy la natao tamin'ny volamena malio iaby.Reo savilin'ireo varavagna ao amin'ny efitsy agnaty avao koa ,zay toera masy mare, voho reo varavagn'ny efitsy bevatan'ilay tempoly ,la natao tamin'ny volamena malio rozy iaby . V 51 Timin'io fomba io,ro nahavita reo asa iaby zay nataon'i Solomona mpanjaka ho gnan'ny tragnon'i Yaveh .Ka nandesin'i Solomona tagnatiny tao reo raha natokan'i Davida ,rainy ,voho reo volafoty ,volamena ,voho reo enta ,sady napetrany tao amin'ny efitsy fagnajaria tao amin'ny tragnon'i Yaveh reo.