Toko faha 9

1 Ka la voasoratsy tao amin'ireo tetiarana gny Israely manontolo. Sady voasoratsy tao amin'ny bokin'ireo mpanjakan'Israely rozy. Laha gny amin'i Joda, la nalefa sesitany tagny Babylona rozy noho gny fahotany. 2 Gny nipetraky voalohany tagny amin'ny tanan-drozy la gny sasany tamin'ireo tanan-drozy la gny sasany tamin'ireo Israelita, reo mpanompon'ny tempoly. 3 Gny sasany tamin'ireo avorohotan'i Joda, Benjamina, Efraima, voho Manase la nipetraky tagny Jerosalema. 4 Reo mpagnori-petraky la nahita gnan'i otahy anaky lahin'i Amihoda anaky lahin'i Omry anaky lahin'Imry anaky lahin'i bany, raiky amin'ireo avorohotan'i Fareza anaky lahin'i Joda. 5 Teo amin'ireo Solonita la Asay anakilahiny voalohany voho reo anaky lahiny. Gny avorohotan'i Zera la Jeoela. Gny avorohatan-drozy la niisa 690. 7 Teo amin'ireo avorohotan'i Benjamina la Salo anaky lahin'i Mesolama anaky lahin'i Hodavia anaky lahin'i Hasenoa. 8 Teo avao koa Jibnia anaky lahin'i Jerohama; Elaha anaky lahin'i Ozy anaky lahin'i Mikry, voho Mesolama anaky lahin'i Sefatia anaky lahin'i Regoela anaky lahin'i Jibnia. 9 Reo longon-drozy zay voasoratsy tao amin'ny lisitsy gny tetiharana la niisa 956. Reo johary iaby reo ro mpitariky tamin'ny fokon'ny razamben-drozy. 10 Reo mpisoro la Jedaia, Joiariba, voho Jatina. 11 Teo avao koa Azaria anaky lahin'i Hilkia anaky lahin'i Mesolamaanaky lahin'i Zadoka anaky lahin'i Meraiota anaky lahin'i Ahitoba, zay raiky zay misaha gny tragnon-Dranagnahary. 12 Teo i Adaia anaky lahin'i Jerohama anaky lahin'i Pasora anaky lahin'i Malkia. Teo avao koa Masay anaky lahin'i Adiela anaky lahin'i Jazera anaky lahin'i Mesolama anaky lahin'i Mesilemita anaky lahin'Imera. 13 Reo longon-drozy , zay mpitariky tao amin'ny fokon-drazamben-drozy la niisa 1.760. Tena johary nahay tamin'ny asan'ny tragnon-Dranagnaharin-drozy. 14 Teo amin'ireo Levita, la nisy gnan'i semaia anaky lahin'i Asoba anaky lahin'i Azrikama anaky lahin'i Asabia, teo amin'ireo avorohotan'i Merary. 15 La teo avao koa i Bakbakara, Haresy, Galala, voho Matania anaky lahin'i Mika anaky lahin'i Zikry anaky lahin'i Asafa. 16 Teo avao koa Obadia anaky lahin'i Semaia anaky lahin'i galala anaky lahin'i Jedotona; sady Berekia anaky lahin'i Asa anaky lahini Elkana zay nipetraky tagny amin'ny vohits'ireo Netotatita. 17 Reo mpimby varavagna la Saloma, Akoba, Talmona, Ahimana, voho reo avorohotan-drozy. saloma ro mpitariky gnan-drozy. 18 Taloha tagny la nijoro niamby gny vavahadin'ny mpanjaka tagny amin'ny sisiny antignana ho gnan'ny tobin'ireo avorohotan'i Levy rozy. 19 Saloma anaky lahin'i Kore anaky lahin'i abiasafa , zay anaky lahin'i Kora, voho reo longony bakamin'ny avororotan-drainy, reo Koraita, ro nisahana gny ami'ny asa fanompoa, niamby gny varavagnan'ny tragno lay rozy, araky gny fa niambenanireo razamben-drozy gny tobin'i Yaveh, sady fa niamby gny filira avao koa rozy. 20 Finehasa anaky lahin'i Eleazara la fa nisaha gnan-drozy taloha, voho nomba gnazy Yaveh. 21 Zakaria anaky lahin'i Meselimia la mpiamby gny filira amin'ny tempoly, zay "tragno lay fihaogna." 22 Niisa 212 reo iaby zay voafily ho mpiamby gny vavahady eo amin'ny filira. Gny agnaran-drozy la voatahiry tao amin'ny tahirin'agnaran'ireo vahoaky tao an-tanan-drozy. Davida voho Samoela mpahita la fa nametraky gnan-drozy tamin'ny fitokisa. 23 Ka rozy voho gny anakin-drozy ro niamby reo vavahadin'ny tragnon'i Yaveh, zay tabernakely . 24 Reo mpiamby vavahady la napetraky tagny amin'ireo sisiny efatsy iaby, magnagny antignana, andrefa, avaratsy, voho antimo. 25 Reo rahalahin-drozy , zay nipetraky tagny amin'ny tanan-drozy, la nifadimby tao, isan-kafitoana. 26 Fa reo mpitariky efatsy gny mpiamby gny vavahady, zay Levita, la notendre mba hiamby reo efitsy voho reo tragno fitehirizam-bokatsy tao an-tragnon-Dranagnahary. 27 Nandany gny haly teo amin'ny toera magnodidy gny tragnon-Dranagnahary iaby rozy, fotony tompon'andraikitsa amin'ny ffiambena io. Sady hamoha io isaky maray rozy. 28 Gny sasany tamin-drozy la nisaha gny fitaovan'ny tempoly; nagnisa reo fanaky rozy lafa nampilira voho naboaky reo. 29 Maro tamin-drozy avao koa ro voatendry hikarakara reo raha masy, gny fitaova ,voho reo vatsy , agnisan'io gny koba soa lisa, gny divay, gny dilolo, voho ditin-kazo mamerovero, voho reo raha magnitsy. 30 Gny sasany tamin'ireo anaky lahin'ny mpisoro la nagnafarango reo raha magnitsy. 31 Matatia, raiky tamin'ireo raiky tamin'ireo Levita, zay lahimatoan'i Saloma Koraita, ro nisahana gny fikarakara gny mofo ho amin'ireo fagnatitsy. 32 Gny sasany tamin'ny rahalahin-drozy gny mofon'ny fagnatreha, mba hikarakara io isakin'ny sabata. 33 Reo mpihira voho reo mpitariky gny fianakavian'ny Levita la nipetraky ato amin'ny efitragno masy lafa tsy miasa rozy, fotony tsy maintsy nagnatanteraky reo raharaha namea andro amagn'aly. 34 Reto iaby reo mpitariky gny fianakavia teo amin'ire Levita, zay voatanisa tao amin'ny tahirin-tetiaran-drozy. Nipetraky tagny Jerosalema rozy. 35 Gny razambeny agny Gibeona, Jeiely, zay atao hoe Imaka gny agnaram-baliny, la nipetraky tagny Gibeona. 36 Abdona ro anaky lahiny voalohany, bakeo reo anaky lahiny Zora, Kisy, Bala, Nera,Nadaba, 37 Gedora, Ahio, Zakaria, voho Miklota. 38 Miklota ro ran'i Simeama. Nipetraky tagny agnilan'ireo rahalahin'ny tagny Jerosalema avao koa rozy. 39 Nera ro ran'i Kisy. Kisy ro ran'i Saoly. Saoly ro ran'i Jonatana, Malkisoa, Abinadaba, voho Esbala. 40 Meribala ro anaky lahin'i Jonatana. Sady Meribala ro ran'i Mika. 41 Reo anaky lahin'iMika la Pitona, Maleka, Tarea, voho Ahaza. 42 Ahaza ro ran'i Jara. Jara ro ran'i Alemeta, Azmaveta, voho Zimry ro ran'i Moza. 43 Moza ro ran'i Binea. Binea ro ran'i Refaia. Refaia ro ran'i Elasa. Elasa ro ran'i Azela. 44 Reo anaky lahy enin'i Azela la Azrikama, Bokero, Isimaela, Searia, Obadia, voho Hanana. Reo ro anaky lahin'i Azela.