Toko faha 10

1 Sady reo Filistina nialy tamin'Israely. Nitsoaky teo agnatrehan'i Filistina gny joharinIsraely manontolo sady niampatsy maty tegny an-tendrombohitsy Gilboa. 2 Nagnenjiky agnilany gnan'i Saoly voho gnanany lahy reo Filistina. Novoan'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, voho Malkisoa, anaky lahiny. 3 Navesatsy tamin'i Saoly gny aly, sady nahatratry gnan-drozy mpandefa tsipika. Tao agnaty tebiteby mare ie noho reo mpandefa tsipika. 4 La hoy Saoly tamin'ny mpanday gny fialiany hoe:" Avoahy gny sabatrao ka trobaro amin'io aho. Laha tsy io la ho avy hagnararaotany gnahy reo tsy voafora reo." Nefa tsy nagnenky gny mpinday gny fialiany, fotony natahotsy mare ie. Ka la nalan'i Saoly gny sabany sady lavo teo amin'io ie. 5 Lafa hitan'ny mpanday gny fialiany fa maty Saoly , la lavo tamin'ny sabany manahaky gnan'io koa ie ka maty . 6 La maty Saoly, voho reo anakilahiny telo, ka la niara-maty reo asaveregnany manontolo. 7 Lafa hitan'ny joharin'Israely manontolo tegny an-dohasaha fa nandositsy rozy, sady maty maty saoly voho reo anaky lahiny, la nagnenga gny tanan-drozy rozy voho nandositsy. La avy reo Filistina sady nipetraky teo amin-drozy. 8 Lafa hamarain'igny , lafa baka nangalaky gny maty Filistina, la nahita gnan'i Saoly voho reo anaky lahiny lavo teo an-tendrombohitsy Gilboa. 9 Nendahin-drozy ie sady nandesin-drozy gny lohany voho gny fialiany. Nagniraky mpanday hafatsy nanera gnan'i Filistina mba handay reo vaovao teo amin'ireo sampy voho teo amin'ny vahoaky rozy. 10 Napetran-drozy tao an-tempolin'ny andranagnarin-drozy gny fialiany, voho nifehen-drozy tao an-tempolin'i Dagona gny lohany. 11 Lafa nahare gny iaby zay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly gny vahoak'i Jabesa-gileada manontolo, 12 la nandeha gny johary mpialy iaby voho nangalaky gny fatin'i Saoly sady gnan'ireo anaky lahiny, sady nanday reo tagny amin'i Jabesy. Nalelivin-drozy tao ambanin'ny hazo terebinta gny taolan-drozy ka nifaly hany hafitoa rozy. 13 Sady maty Saoly fofony tsy nahatoky gnan'i Yaveh ie. Tsy nankato reo lilin'i Yaveh ie, fa nangalaky torohevitsy tamin'ny maty. 14 Tsy nila torolala tamin'i Yaveh ie, ka la novonoan'i Yaveh sady nafindrany tamin'i Davida anaky lahin'i Jese gny fanjaka.