Toko faha 11

1 La tamin'i Davida tao Hebrona gny Israely manontolo sady nivola hoe:" ingo, nofonao voho gny taolanao haray. 2 Vao tsy ela, lafa nanjaka teo aminay Saoly, la iha ro nitariky gny tafiky Israelita. Yaveh Ndranagnaharinao nivola taminao hoe:' Ho mpiaraky gnan'Israely vahoakako iha, voho iha ro ho lasa mpanapaky eo amin'Israely vahoakako." 3 Nohon'io la avy tagny amin'ny mpanjakan'Israely tao Hebrona reo loholon'Israely manontolo, sady Davida nanao fanenkena tamin-drozy teo agnatrehan'i Yaveh. Nagnositsy gnan'i Davida ho mpanjakan'Israely rozy. Tamin'io fomba io, la tanteraky gny safan-Dranagnahary zay nambaran'i Samoela. 4 Nandeha tagny Jerosalema i Davida voho gny Israely manontolo(io la , Jebosa), Voho reo Jebosita, olo tao amin'ny tany, ro teo. 5 Hoy reo olo tao Jebosa tamin'i Davida hoe:" Tsy ho avy eto iha." Fa Davida nangalaky gny fiarova mafin'i Ziona, zay ,tanan'i Davida. 6 Hoy davida hoe:" Na ia ia manafiky reo Jebosita voalohany la ho avy mpifehy." Ka Joaba anaky lahin'i Zeroia ro nanafiky voalohany, sady la natao ho mpifehy ie. 7 Sady nanomboky nipetraky tao amin'ny fiarova mafy Davida. Ka la nataon-drozy hoe tanan'i Davida io. 8 Nagnamafy gny tana magnodidy ie nanomboky tagny Milo hatragny amin'ny rindry magnodidy. Namafisin'i Joaba gny sisa ambiny tamin'ny tana. 9 Lasa lehibe tena lehibe Davida fotony nitahy gnazy Yaveh tompon'ny maro. 10 Reto iaby reo mpitariky naman'i Davida, zay nampiseho gny vatan-drozy ho natajaky niaraky taminy teo amin'ny fanjakany, niaraky tamin'ireo Israely manontolo, mba hanao gnazy ho mpanjaka, nankato gny safan'i Yaveh mahakasiky gnan'Israely. 11 Toy ro lisits'ireo miaramila sangani Davida : Jasobeama, zay anaky lahin'i Hakmony, ro mpifehy gny telopolo. Namono telon-jato lahy tamin'ny lefony tagnaty aly raiky ie. 12 Gny nagnaraky gnazy la Eleazara anaky lahin'i Doda, zay Ahohita, zay raiky tamin'ireo telo lahy mahery. 13 Niaraky tamin'i Davida ie tao Efesa-damina, sady tagny reo Filistina ro nitambatsy ho amin'ny aly, zay nisy gny saham-bary hordea voho reo tafiky nandositsy bakagny Filistina. 14 Nitsanga teo agnivon'ny saha rozy. Niaro gnan'io rozy sady nandringa reo Filistina Yaveh sady nagnavotsy gnan-drozy tamin'ny fandreseabevata. 15 Bakeo telo tamin'ireo telopolo mpitariky ro nizotso ho agny amin'ny vatolampy tagny amin'i Davida , tao amin'ny zohin'i Adolama. Gny tafik'ireo Filistina la nitoby tao amin'ny lohasahan'i Refaita. 16 Tamin'io ora io Davida la tao amin'ny fiarova mafiny, zohy raiky, laha nitoby tao Betlehema reo Filistina. 17 Nagniry rano Davida ka nanao hoe: Laha mba misy olo magnome rano gnahy hinomiko bakao amin'ny lava-drano ao Betlehema, zay lava-drano agnilan'ny vavahady!" 18 ka la namakivaky teo amin'ny tafik'ireo Filistina reo johary mahery telo sady nanovo rano bakao amin'ny lava-dranon'i Betlehema, zay lava-drano teo amin'ny vavahady. Sady angalaky rano rozy voho nanday gnan'io tagny amin'i Davida, fa ingo nanda gny hino gnan'io ie. Fa koa, nararany ho gnan'i Yaveh io. 19 Sady hoy ie hoe:" Sagnatria amiko gny hino gnan'io , ry Yaveh. Tokony hino gny ran'ire johary zay nanao vy trobo gny ain-drozy va aho? Fotony nanao vy trobo gny ain-drozy , nanda gny hino gnan'io ie. Io ro raha nataon'ireo johary mahery telo. 20 Abisay rahalahin'i Joaba , ro kapiteny teo amin-drozy telo. Sady nampiasa gny lefony ndraiky mandeha ie eo amin'ny olo telon-jato voho namono gnan-drozy. Nalaza niaraky tamin'ireo telo ie. 21 Tamin'ireo telo, la ie ro nomeam-boninahitsy avo roe heny sady lasa kapiteny. Ndra la tsy agnisan'ireo aza ie. 22 Benaia anaky lahin'i Joiada la johary natanjaky zay nanao asa bevata . Ie ro namono reo roe lahy anak'i Ariela bakagny Moaba. 23 Nizotso tao amin'ny lavaky avao koa ie sady namono liona laha nilatsaky gny oram-panala. Namono Egyptiana raiky aza ie, johary limy hakiho gny halavany. Zay Egyptiana nana lefo manahaky gny andrin'ny mpaneno, nefa tehy avao ro nandesiny nizotso teo aminy. Nanambotsy gny lefo tegny an-tagnan'ny Egyptiana ie sady namono gnazy tamin'ny lefony avao. 24 Benaia anaky lahin'i Joiada ro nanao reo asa bevata reo, sady nalaza manahaky reo telo lahy mahery ie. 25 Tamin'ny ankapobeny la ie ro be voninahitsy mandilatsy noho reo miaramila telopolo. Nefa tsy nanam-boninahitsy firy ie mandilatsy reo miaramilatelo lahy tena sangany. Nefa napetrak'i Davida hiandraikitsy gny fiambena gnazy manoka ie. 26 Reo johary mahery la Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana anaky lahin'i Dodo bakagny Betlehema, 27 Samota zay Harorita, Haleza zay Pelonita, 28 Ira anaky lahin'iIkesy zay Rekoita, Abiezera zay Anatotita, 29 Sibekay zay Hosatita, Ely zay Ahohita, 30 Maharay zay Netofatita, Heleda anaky lahin'i bava zay Netofatita, 31 Itahy anaky lahin'i Ribay bakao Gibean'ny avorohotan'i Benjamina, Benaia zay Piratnita, 32 Horay agny amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, Abiela zay Arbatita, 33 Azmaveta zay Baharomita, Eliaba zay Salbonita, 34 reo anaky lahin'i Hasema zay Gizonita , Jonatana anaky lahin'i Sage zay Hararita, 35 Ahiama anaky lahin'i Sakara zayHararita, Elifala anaky lahin'i Ora, 36 Hefera zay Mekeratita, Ahia zay Pelonita, 37 Hezro zay Karmelita, Naray anaky lahin'i Ezbay, 38 Joela rahalahin'i Natana, Mibara anaky lahin'i Hagry, 39 Zaleta zay Amonita, Naharay zay Berotita(zay mpanday gny fiarovan'i Joaba anaky lahin'i Zeroia), 40 Ira zay Jitrita, Gareba zay Jitreta, 41 Oria zay Hetita, zabada anaky lahin'i Ahelay, 42 Adina anaky lahin'i Siza zay Robenita( lehiben'ny Robenita) voho telo-polo lahy niaraky taminy, 43 Hanana anaky lahin'i Maka, voho Josafata zay Mitnita, 44 Ozia zay Astartita, Sama voho Jeiela anaky lahin'i Hotama zay Aroerita, 45 Jediaela anaky lahin'i Simry, Joha(zay Tizita rahalahiny), 46 Eliala zay Mahavita, Jeribay voho Josavia anaky lahini Elnama, Jitma zay Moabita, 47 Eliala, Obeda, voho Jasiela zay Mezobaita.