Toko faha 12

1 Reto iaby reo johary zay avy tagny amin'i Davida tao Ziklaga, laha mbo voaroaky tamin'ny fagnatrehan'i Saoly anaky lahin'i Kisy ie. Isan'ireo miaramila rozy, mpagnampy gnazy agn'aly. 2 Nirongo tsipika rozy sady afaky nampiasa gny tagnany an-kavana voho ankavia tamin'ny antsamon-taly voho tamin'ny fitifira amin'ny tsipika. Benjamita rozy, mpiray foko tamin'i Saoly. 3 Ahiezera ro lehibe , bakeo Joasy, samby anaky lahin'i Sema zay Gibeatita rozy. Nahita gnan'i Jeziela voho Peleta, anaky lahin'i Azmaveta. Nahita avao koa gnan'i Beraka, Jeho zay Anatotita, 4 Jismaia zay Gibeonita, agnisan'ireo miaramila telopolo( sady mpifehy reo telopolo) ; Jeremia, Jahaziela, Johanana, Jozababa zay Gaderatita, 5 Elozy, Jerimota, Bealia, Semaria, Sefatia zay Harpfita, 6 reo Koraita Elkana, Jisia, Azarela, Joezera, Jasobeama, voho 7 Joela voho Zebadia, anaky lahin'i Jehorama bakagny Gedora. 8 Nisy Gadita sasany namonjy gnan'i davida tao amin'ny fiarova mafy tagny agn'efitsy. Johary mpialy rozy, johary voahofa ho amin'ny aly, zay afaky mivimby ampinga voho lefo; gny vatan-drozy la masiaky manahaky gny vatan'ny liona. Mandeha malaky manahaky gny gny gazela egny an-tendrombohitsy rozy. 9 Nisy gnan'i Ezera lay mpitariky , Obadia ro faharoe, Eliaba ro fahatelo, 10 Mismana ro fahaefatsy, Jeremia ro fahalimy, 11 Atahy ro fahaeny, Eliala ro fahafito, 12 Johanana ro fahavalo, Elizabada ro fahasivy , 13 Jeremia ro fahafolo, Makbanay ro faha folo raikamby. 14 Reo anaky lahin'i gada reo ro mpitari-tafiky. Gny ambany mare nitariky an-jatony, voho agnabo mare nitariky agn'arivony. 15 Niampita gnan'i Jordana rozy tamin'ny vola voalohany , lafa nandifitsy gny morony io, ka nandroaky gny raha managn'ay iaby tamin'ireo lohasaha, ndra gny magnagny antignana ndra gny magnagny andrefa. 16 Gny sasany tamin'ireo joharin'i Benjamina voho Joda la avy tao amin'ny fiarova tao amin'i Davida. 17 Niboaky mba hitsena gnan-drozy Davida voho nivola tamin-drozy hoe:" Laha avy am-pilamina atoy amiko mba hagnampy gnahy nareo, la afaky mamonjy gnahy. Fa laha avy mba hamadiky gnahy amin'ny fahavaloko, la ao anie Ndranagahary razambentsika hijer ka hamaly gnanareo , fotony tsy nanao raty aho." 18 Bakeo gny Fagnahy avy tao amin'i Amasy , zay mpitariky gny telopolo. Hoy Amasay hoe:" Rahay la gnanao, ry Davida. Rahay la mandagny gnanao, ry anaky lahin'i Jese. Fiadagna, fiadagna anie ho gnan'izay magnampy gnanao. Fiadagna anie ho amin'ireo mpagnampianao, fotony gny Ndranagnaharinao la magnampy gnanao." La nandramby gnan-drozy Davida sady nanao gnan-drozy ho mpifehy gny johariny. 19 Gny sasany bakamin'i Manase avao koa la niala mba hataon'i Davida laha niaraky tamin'ireo Filistina mba hialy amin'i Saoly ie. Nefa tsy nagnampy reo Filistina rozy, fotony nifampidiniky reo tompon'i Filistina ka nampandeha gnan'i Davida .Hoy rozy hoe:" Hiala ho agny amin'i Saoly tompony ie ka hampidi-doza gny fiaignantsika." 20 Lafa nagnagny Ziklaga ie, gny joharin'i Manase zay namonjy gnazy la Adna, Jozabada, Jediaela, Mikaela, Jozabada, Eliho, Ziletahy, kapitenin'ny arivon'i Manase. 21 Nagnampy gnan'i Davida nialy tamin'ireo an-tokony mpijirika rozy , fotony johary mpialy rozy. Tafara tatoy la lasa mpifehy teo amin'ny tafiky rozy. 22 Isan'andro , la avy tagny amin'i Davida reo johary reo mba hagnampy gnazy, mandra-pisian'ny tafiky bevata, manahaky gny tafikin-Dranagnahary. 23 Toy ro tahirin-tantaran'ireo miaramila nitam-pialia ho amin'ny aly , zay avy tagny amin'i Davida tao Hebrona, mba hagnody gny fanjakan'i Saoly ho gnazy, zay nagnatanteraky gny safan'i Yaveh. 24 Tamin'i Joda la 6.800 reo mpita ampinga voho lefo ro voaoma hialy. 25 Nisy johary mpialy 7.100 bakamin'ireo Simeonita. 26 Nisy johary mpialy 4.600 bakamin'ireo Levita. 27 Joiada ro mpitariky gny avorohotan'i Arona, voho 3.700 ro niaraky taminy. 28 Mpitariky roapolo roamby bakamin'ny fianakavian-drainy ro niaraky tamin'i Zadoka, tovolahy mahery voho johary be herim-po. 29 Bakamin'i Benjamina, fokon'i Saoly, la nisy telo arivo. Gny ankamaroan-drozy la mbo nijano ho mpomba gnan'i Saoly hatramin'izao fotoa zao. 30 Nisy johary mpialy 20.800 bakamin'ireo Efraimita, johary nalaza teo amin'ny fianakavian'ireo razamben-drozy . 31 Bakamin'ny antsasa-pokon'i Manase la nisy johary malaza valoarivo sy raialy zay avy tao mba hanao gnan'i Davida mpanjaka. 32 Bakamin'Isakara , la nisy johary mpitariky roanjato zay nana fahazavan-tsay tamin'io fota io sady nahay zay tsy maintsy ataon'Israely. Reo longony la teo agnabo fifehezan-drozy. 33 Nisy johary mpialy limy aly bakamin'i Zebolona, nomany ho amin'ny aly, niaraky tamin'ny fitaovam-pialia manontolo, sady vonona gny hagnome tsy fivadiha azo antoky. 34 Nisy manamboninahitsy arivo bakamin'i Naftaly, voho johary mpita ampinga voho lefo fito arivo sy telo aly niaraky tamin-drozy. 35 Bakamin'ireo Danita la nisy johary 28.600 voahoma ho amin'ny aly. 36 Nisy johary efatraly aly voahoma ho amin'y aly bakamin'i Asera. 37 Bakamin'ny an-dafin'i Jordana, bakamin'ireo Robenita, Gadita, voho gny antsasa-pokon'i manase, la misy johary 120.000 zay nirongo karazam-pitaovam-pialia iaby ho amin'ny aly. 38 Reo miaramila iaby, vonona ho amin'ny aly reo, la avy tagny Hebrona niaraky tamin'ny fikasa raikitsy gny amin'ny hanaova gnan'i Davida ho mpanjaka manera gnan'Israely iaby. Gny sisa iaby tamin'Israely la nifagnenky gny hanao gnan'i Davida ho mpanjaka avao koa. 39 Niaraky tamin'i Davida tao telo andro rozy, nihina voho nino , fotony gny longon-drozy la fa nampanday vatsy ho gnazy. 40 Fagnampin'io, reo zay teo agnilan-drozy, hatragny Isakara voho Zebolona sady Naftaly la nanday mofo tamin'ny boriky, rameva, ampondra, voho aomby, voho mofo aviavy, voaloboky maiky, divay, menaky, aomby voho aondry fotony nifaly gny Israely.