Toko faha 13

1 Davida la niresaky tamin'ireo mpifehy gny arivo voho azoto, niaraky tamin'ny mpitariky iaby. 2 Hoy Davida tamin'ny vondron-tafik'Israely iaby hoe:" Laha soa aminareo, voho laha bakamin'i Yaveh Ndranagnaharintsika io, la ao tsika handefa mpanday hafatsy egny manontolo egny agny amin'ireo rahalahintsika zay mipetraky agny amin'ireo farits'Israely iaby , voho agny amin'ireo mpisoro voho reo Levita zay ao amin'ireo tanan-drozy. Ao rozy ho volagny mba hiaraky amintsika. 3 Andeha tsika hampimpoly amintsika gny fiaran-Dranagnaharintsika, fotony tsy nila gny sitrapony tsika tamin'ireo andron'ny fanjakan'i Saoly." 4 Gny vondron-tafiky iaby la nagnenky hanao reo raha reo , fotony hotrany marina teo amasony gn'olo iaby reo. 5 Ka navoron'i Davida hiaraky gny Israely iaby, hatragny amin'iOnin'i Sihora agny Egypta ka hatragny Lebo Hamata, mba handay gny fiaran-Dranagnahary bakagny Kiriata Jearima. 6 Niakatsy nagnagny Bala i Davida voho gny Israely iaby, io hoe, Kiriata jearima, zay gnan'i Joda, mba handay gny fiaran-Dranagnahary bakagny , zay nikaihy tamin'ny agnaran'i Yaveh, la Yaveh , zay mipetraky eo amin'ny seza fiandriana eo amin'ny Kerobima. 7 Nohon'io la napetrakin-drozy teo agnabony sarety vaovao gny fiaran-Dranagnahary. Naboakin-drozy bakao amin'ny tragnon'i abinada io. Oza voho Ahia ro ninday gny sarety. 8 Davida voho gny Israely iaby la nankalaza teo agnatrehan-Dranagnahary tamin'ny herin-drozy iaby. Nihira niaraky tamin'ny lokanga, ampongatapaky , kipantsona, voho trompetra rozy. 9 Lafa avy teo amin'ny tany famoloan'i Kidona rozy, la nagnampatsy gny tagnany hitanjaky gnan'ny fiara Oza, fotony nilavo gny aomby. 10 La nirehitsy tamin'i Oza gny helok'i Yaveh, sady novonoan'i Yaveh ie fotony nagnampatsy gny tagnany tamin'ny fiara Oza. maty teo agnatrehan-Dranagnahary teo ie. 11 Masiaky Davida fotony namely gnan'i Oza Yaveh. Nikaiky hoe Pereza Oza io toera io mandrak'androany. 12 Natahotsy gnan-Dranagnahary Davida tamin'io andro io. Hoy ie hoe: Manao akory ro fomba hagnandesako gny fiaran-Dranagnahary atoy amiko?" 13 Ka tsy nagnetsiky gny fiara ho agny amin'ny tanan'i Davida Davida, fa nametraky gnan'io teo agnilan'ny tragnon'i Obeda Edoma gny Getita. 14 La nijano tao amin'ny tokantranon'i Obeda Edoma nandritsa gny telo vola gny fiaran-Dranagnahary. Nohon'io la nitahy gny avorohotany voho zay iaby nanagnany Yaveh.