Toko faha 7

1 Reo anaky lahin'i Jisakara efatsy la i Tola,Poa, Jasoba voho Simrona. 2 Reo anaky lahin'i Tola la Ozy,Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama voho Samoela. Rozy ro lohany ao amin'ny fianakavian'y rain-drozy, bakamin'ny avorohotan'iTola voho rozy la isan'ireo mpialy mahery tamin'ny andron-drozy. 22,600 ro isan'ireo tamin'ny andron'i Davida. 3 Gny anak'i Ozy la i Jizrahia.Reo anaky lahiny la Mikaela, Obadia, Joela, voho Jisia, rozy limy reo la mpitariky foko iaby. 4 Andian-tafiky enignarivo voho telo aly hiatriky aly ro niaraky tamin-drozy , araky gny lisitsy gny fianakavian'ny razamben-drozy, fotony rozy la nana valy amy gnanaky maro. 5 Reo rahalahiny , bakamin'ny fokon'i Jisakara, la nana johary mpialy fito arivo voho valo aly, araky gny lisitsy gny fianakavian'ny razamben-drozy. 6 Reo anak'i Benjamina telo lahy la i Bela, Bakera, voho Jediaela. 7 Reo anak'i Bela limy lahy la i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, voho Iry. Rozy la miaramila voho Fiandohan'ireo foko. Niisa 22. 034 reo johary mpialy, araky gny lisitsy gny fianakavian'ny razamben-drozy. 8 Reo anaky lahin'i Bakera la i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jerimota, Abia, Anatota, voho Alameta. Reo iaby reo la anaky lahiny. 9 Gny lisitsy gny fokon-drozy la miisa 20.200 fianakavia mpitariky voho johary mpialy. 10 Gny amaky lahin'i Jediaela la i Bilana.Reo anaky lahin'i Bilana la Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy voho Ahisahara. 11 Reo iaby reo ro anaky lahin'i Jediaela.Reo voasoratsy ao amin'ny lisitsy gny fokon-drozy la nisy mpitariky voho johary mpialy 17.200 ;any ho amin'ny raharaha miaramila. 12 ( Gny anaky lahin'Iry la Sopima voho Hopima, voho Hosima la anaky lahin'i Ahera.) 13 Gny anaky lahin'i Naftaly la Jaziela, Gony , Jezera , voho Saloma. Reo ro zafikelin'i Bila. 14 Nana anaky lahy natao hoe Asriela Manase, zay nateranin'ny Syriana valy amonto. Ie koa la niteraky gnan'i Marita, rain'i Gileada. 15 Nangalaky valy bakamin'i Hopima voho Sopima i Makira. Imaka gny agnaran'ny rahavaviny. Avorohotan'iManase hafa koa i Zelofada, zay nana gnanaky ampeka toka. 16 Imaka valin'i Makira, la niteraky zaza lahy voho nikaihy hoe Paresy. Gny agnaran'ny rahalahiny la Sarsy, voho reo anaky lahiny la Olama voho Rakema. 17 Gny anaky lahin'i Olama la Bedama. Reo ro avorohotan'i Gileada anaky lahin'i Makira anaky lahin'i Manase. 18 Hamoleketa anabavin'i Gileada la niteraky gnan'Isehoda, Abiezera, voho Mahala. 19 Reo anaky lahin'i Semida la Ahiana , Sekema, Liky voho Aniama. 20 Reo avorohotan'i Efraima la reto magnaraky reto: Gny anaky lahin'i Efraima la Sotela. Gny anaky lahin'i Sotela la Bareda. Gny anaky lahin'i Bareda la Tahata. 21 Gny anaky lahin'i Tahata la Elada. Gny anaky lahin'i Elada la Tahata. Gny anakilahin'i Tahata la Zabada. Gny anaky lahin'i Zabada la Sotela.( Ezera voho Elada la novoan'ireo joharin'i Gata , tompon-tany, lafa nandeha nangalatsy gny biby fihary rozy. 22 Nisaona ho gnan-drozy nandritsa gny andro maro i Efraima ran-drozy, sady avy nampahery gnan-drozy rahalahiny. 23 Nandry niaraky tamin'ny valiny ie. Nibevoka ie voho niteraky zaza lahy. Nataon'i Efraima hoe Beria ie, fotony nisy fahoria avy teo amin'ny fianakaviany. 24 Gny anaky ampelany la Sera, zay nagnory gnan'i Beti-horona ambany vohy agnabo voho Ozena-sera.) 25 Gny anaky lahiny la Refa. Gny anaky lahin'i Refa la Rasefa. Gny anaky lahin'i Rasefa la Tela. Gny anak'i Tela la Tahana. 26 Gny anaky lahin'i Tahata la Ladana.Gny anaky lahin'i Ladaba la Amihoda. Gny anaky lahin'i Ahimoda la Elisama. 27 Gny anaky lahin' Elisama la Nona. Gny anaky lahin'i Nona la Josoa. 28 Reo fanagna voho fipetrahan-drozy la Betela voho reo ana-bohiny magnodidy gnazy. Rozy la nihitatsy hatragny antignanan'i Narana voho tagny andrefan'i Gazera voho reo ana-bohiny, sady tagny Sekema voho reo ana-bohiny hatragny Gaza voho reo ana-bohiny. 29 Tegny amin'ny sisin-tanin'i Manase ro nisy gnan'i Beti-sana voho reo ana-bohiny, Tanaka voho gny ana-bohiny, Megido voho gny ana-bohiny. Tegny amin'ireo tanan-dehibe ro nipetraky reo avorohotan'i Josefa anaky lahin'Israely. 30 Gny anaky lahin'i Asera la Jimna , Jisva, Jisvy, voho Beria. Sera ro anabavin-drozy. 31 Gny anaky lahin'i Beria la Hebera voho Malkiela, zay ran'i Birzavita. 32 Reo anaky lahin'i Hebera la Jafleta, Somera, voho Hotama. Soha ro anabavin-drozy. 33 Reo anaky lahin'i Jafleta la Pasaka, Bimala, voho Asvata. Reo ro anak'i Jafleta. 34 Somera , rahalahin'i Jafleta, la nana reto anaky lahy reto: Rohaga, Hoba voho Arama. 35 Helema, rahalahin'i Semera, la nana reto anaky lahy reto: Zofa , Jimna, Selesy , voho Amala. 36 Reo anaky lahin'i Zofa la Soha, Harnefera, Soala, Bera, Jimra, 37 Bazera, Hoda, Sama, Sila, Jitrana, voho Bera. 38 Reo anaky lahin'i Jatera la Jefone, Pispa, voho Ara. 39 Reo anaky lahin'i Ola la Ara, Haniela, voho Rizia. 40 Reo iaby reo ro avorohotan'i Asera. Rozy ro razamben'ny fokon-drozy, mpitariky gny fianakavian-drozy, johary manan-danja, johary mpialy, voho lehibe teo amin'ireo mpitariky . Enignarivo voho roealy gny isan'ireo johary zay lany hanao miaramila, araky gny isa agnaty lisitsin-drozy.