Toko faha 6

1 Reo anaky lahin'i Levy la Gersona, Kehata, voho Merary. 2 Reo anaky lahin'i Kehata la Amrama, Jizara, Hebrona, voho Oziela. 3 Reo anaky lahin'i Amrama la Arona, Mosesy voho Miriama. Reo anaky lahin'i Arona la Nadaba, Abiho , Eleazara, voho Itamara. 4 Eleazara nitraky gnan'i Finehasa, voho Finehasa niteraky gnan'i Abisoa. 5 Abisoa niteraky gnan'i boky niteraky gnan'i Ozy. 6 Ozy niteraky gnan'i Zerahia, voho Zerahia niteraky gnan'i Meraiota. 7 Meraiota niteraky gnan'i Amaria, voho Amaria niteraky gnan'i Ahitoba. 8 Ahitoba niteraky gnan'i Zadoka, voho Zadoka niteraky gnan'i Ahimaza. 9 Ahimaza niteraky gnan'i Azaria , voho Azaria niteraky gnan'i Johanana. 10 Johanana niteraky gnan'i Azaria, zay nanompo tao amin'ny tempoly zay namboarin'i Solomona tagny Jerosalema. 11 Azaria niteraky gnan'i Amaria, voho Amaria niteraky gnan'i Ahitoba. 12 Ahitoba niteraky gnan'i Zadoka, voho Zadoka niteraky gnan'i Saloma. 13 Saloma niteraky gnan'i Hilikia, voho Hilikia niteraky gnan'i Azaria. 14 Azaria nieteraky gnan'i Seraia, voho Seraia niteraky gnan'i Jozadaka. 15 Lasa babo i Jozadaba lafa nataon'i Yaveh sesi-tany tamin'ny tagnan'i Nebokadnezara i Joda voho Jerosalema. 16 Reo anaky lahin'i Levy la i Gersona, Kehata, voho Merary. 17 Reo anaky lahin'i Gersona la Libny voho Semey. 18 Reo anaky lahin'i Kehata la Amrama, Jizara, Hebrona, voho Oziela. 19 Reo anaky lahin'i Merary la Maly voho Mosy. Lasa fokon'i Levita bakamin'ireo fianakavian-drainy rozy. 20 Reo avorohotan'i Gersona la nanomboky tamin'i Libny anaky lahy. Gny anaky lahiny la Zima. 21 Gny anaky lahiny la i Joa. Gny anaky lahiny la Ido. Gny anaky lahiny la Zera. Gny anaky lahy la Jeateray. 22 Reo avorohotan'i Kehta la nanomboky tamin'i Aminadaba anaky lahiny. Gny anaky lahiny la Kora. Gny anaky lahiny la Asira. 23 Gny anaky lahiny la Elkana. Gny anaky lahiny la Ebiasafa. Gny anaky lahiny la Asira. 24 Gny anaky lahiny la Tahata. Gny anaky lahiny la i Oriela. Gny anaky lahiny la Ozia. Gny anaky lahiny la Saoly. 25 Reo anaky lahin'i Elkana la Amasay, Ahimota, voho Elkana. 26 Gny anaky lahin'i Elkana faharoe la Zofay. Gny anaky lahiny la Nahata. 27 Gny anaky lahiny la Eliaba. Gny anaky lahiny la Jerohama. Gny anaky lahiny la Elkana. 28 Reo anaky lahin'i Samoela, la i Joela anaky lahiny voalohany, voho Abia, ro faharoe. 29 Gny anaky lahin'i Merary la Maly. Gny anaky lahiny la Libny. Gny anaky lahiny la Smey. Gny anaky lahiny la Oza. 30 Gny anaky lahiny la Simea. Gny anaky lahiny la Hagia. Gny anaky lahiny la Asaia. 31 Reto iaby reo agnaran'ireo johary zay nataon'i Davida hiandraikitsy gny raha magneno tao an-tragnon'i Yaveh, tafaran'ny nijanognan'ny fiara tao. 32 Nanompo tamin'ny fihira nagnatriky gny tabernakely, zay tragno lay fihaogna rozy, mandra-pahavitan'i Solomona gny tragno'i Yaveh tagny Jerosalema. Nahatanteraky gny adidiny nifagnaraky tamin'ireo toromariky zay nameany gnan-drazy . 33 Reto iaby reo zay nanompo niaraky tamin'ireo anaky lahiny. bakamin'ny fokon'ny Kehatita i Hemana mpitendry raha magneno. Reto iaby reo razambeny, mimpoly araky gny fotoa: Hemana ro anaky lahin'i Joela. Joela ro anaky lahin'i Samoela. 34 Samoela ro anaky lahin'i Elkana. Elkana ro anaky lahin'i Jerohama. Jerohama ro anaky lahin'i Eliala. Eliala ro anaky lahin'i Toa. 35 Toa ro anaky lahin'i Zofa ro anaky lahin'i Elkana. Elkana ro anaky lahin'i Mahata. Mahata ro anaky lahin'i Amasay. Amasay ro anaky lahin'i Elkana. 36 Elkana ro anaky lahin'i Joela. Joela ro anaky lahin'i Azaria. Azaria ro anaky lahin'i Zefania. 37 Zefania ro anaky lahin'i Tahata. Tahata ro anaky lahin'i Asira. Asira ro anaky lahin'i Ebiasafa. Ebiasafa ro anaky lahin'i Kora. 38 Kora ro anaky lahin'i Jizara. Jizara ro anaky lahin'i Kehata. Kehata ro anaky lahin'i Levy. Levy ro anaky lahin'Israely. 39 Asafa ro mpiara-miasa tamin'i Hemana, zay nitsanga teo amin'ny tagnany an-kavana . Asafa ro anaky lahin'i Berekia. Berekia ro anaky lahin'i Simea. 40 Simea ro anaky lahin'i Mikaela. Mikaela ro anaky lahin'i Beseia. Beseia ro anaky lahin'i Malka. 41 Malka ro anaky lahin'i Etny. Etny ro anaky lahin'i Zera. Zera ro anaky lahin'i Adaia. 42 Adaia ro anaky lahin'i Etana. Etana ro anaky lahin'i Zima. Zima ro anaky lahin'i Simey. 43 Simey ro anaky lahin'i Jahata. Jahata ro anaky lahin'i Gersona. Gersona ro anaky lahin'i Levy. 44 Teo amin'ny tagna an-kavian'i Hemana reo anaky lahin'i Merary zay mpiara-miasa taminy. Agnisan'io i Etana anaky lahin'i Abdia. Abdia ro anaky lahin'i Maloka. 45 Maloka ro anaky lahin'i Hasabia.Hasabia anaky lahin'i Amazia. Amazia ro anaky lahin'i Hilkia. 46 Hilkia ro anaky lahin'i Amzy. Amzy ro anaky lahin'i Bany. Bany ro anaky lahin'i Samera. 47 Samera ro anaky lahin'i Maly. Maly ro anaky lahin'i Mosy. Mosy ro anaky lahin'i Merary. Merary ro anaky lahin'i Levy. 48 Reo mpiara-miasa amin-drozy , reo Levita, la voatendry hanao gny asa iaby ho gnan'ny tabernakely, zay tragnon-Dranagnahary. 49 Arona voho reo anaky lahiny ro nanao gny fagnatitsy teo amin'ny alitara ho gnan'ny fagnatitsy dorana; voho gny fagnatitsy teo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo magnitsy ho gnan'ny asa iaby eo amin'ny toera masy mare. Reo fagnatitsy reo ro nanaova fagnavota ho gnan'Israely, araky zay iaby nandidian'i Mosesy zay mpanompon-Dranagnahary. 50 Reo avorohotan'i Arona la votanis manahaky gnan'izao magnaraky zao:" gny anaky lahin'i Arona la Eleazara. Gny anaky lahin'i Eleazara la Finehasa, Gny anaky lahin'i Finehasa la Abisoa. 51 Gny anaky lahin'i Abisoa la Boky. Gny anaky lahin'i Boky la Ozy. Gny anaky lahin'i Ozy la Zerahia. 52 Gny anaky lahin'i Zeharia la Meraiota. Gny anaky lahin'i Meraiota la Amaria. Gny anaky lahin'i Amaria la Ahitoba. 53 Gny anaky lahin'i Ahitoba la Zadoka. Gny anaky lahin'i Zadoka la Ahimaza. 54 Reto iaby reo toera zay voatondro hipetrahan'ireo avorohotan'i Arona, zay natao ho gnan'ireo avorohotan'i Arona zay bakamin'ny fokon'ny Kehatita( gny filokagna voalohany la gnan-drozy). 55 Namean-drozy gnazy reo Hebrona agny amin'ny tanin'i Joda voho reo tagny fihinanam-bilony, 56 fa reo sahan'ny tana voho reo vohiny koa la namean-drozy gnan'i Kaleba anaky lahin'i Jefone. 57 Ho gnan'ireo avorohotan'i Arona la namean-drozy: Hebrena( tanan'ny fialofa) , voho Libna miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Jatira, Estemoa miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, 58 Hilena miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny , voho Debira miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 59 Namean-drozy ho gnan'ireo avorohotan'i Arona: Asana miaraky amin'ireo tany fihinanan'aomby voho Beti-semesy miaraky amin'ireo tany fihinanan'aomby ro nagnomeza gnan-drozy gnan'i Geba miaraky amin'ireo tany fihinan'aombiny, Alemeta miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, voho Anota miaraky amin'ireo tany fihinan'aombiny. Reo tanan-drozy iaby reo la miisa folo teloamby. 61 Ho gnan'ireo avorohotan'i Kehata ambiny la namean-drozy gnan-drozy tamin'ny filoka reo tana folo bakamin'ny antsasaky gny fokon'ny Manase. 62 Ho gnan'ireo avorohotan'i Gersona amin'ireo fokony isan-karazany la namea ho gnazy tana folo teloamby bakamin'ireo fokon'ny Isakara, Asera, Naftaly , voho gny antsasaky gny fokon'ny Manase tagny Basana. 63 Ho gnan'ireo avorohotan'i Merary la namean-drozy tana folo roamby, aeaky reo fokony, bakamin'ny fokon'i Robena, Gada, voho Zebolona. 64 Sady la namean'ireo olon'Israely ho gnan'ireo Levita reo tana reo miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 65 Notendren-drozy tamin'ny filoka reo renivohitsy voalaza taloha bakamin'ny fokon'i Joda, Simeona, voho Benjamina. 66 Ho gnan'ire fokon'ny Kehatita sasany la namean-drozy tana bakamin'ny fokon'i Efraima. 67 Namean-drozy gnazy reo : Sekema( tanan'ny fialofa) miaraky amin'ireo tny fihinanan'aombiny tagny amin'ny tany havoan'i Efraima, Gazera miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, 68 Jokmeama miaraky amin'ireo tany fihinan'aombiny, Beti-horona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, 69 Aialona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny voho Gata-rimona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 70 Namean-drozy antsasaky gny fokon'i Manase gnan'ireo Kehatit: Amera miaraky amin'ireotany fihinanan'aombiny voho Bileama miarky amin'ireo tny fihinanan'aombiny. Lasa fanagnan'ireo fokon'ny Kehatita sisa reo. 71 Ho gnan'ireo avorohotan'i Gersona tsy ao agnatin'ny antsasaky gny fokon'i manase, namean-drozy :Golana agny Basana miaraky amin'ieo tany fihinn'aombiny voho Astarta miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 72 Namean'ny fokon'Isakara gnan'ireo avorohotan'i Gersona: Kadesy miaraky amin'ireo tany fihinan'aombiny, Dabera miaraky amin'ireo fihinan'aombiny , 73 Ramota miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, noho Anema miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 74 Noraisin'Isakara bakamin'ny fokon'i Asera: Masala miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Abdona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, 75 Hokoka miaraky amin'ireo tany fihinanan'aomby , voho Rehoba miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 76 Noraisin-drozy bakamin'ny fokon'i Naftaly: Kadesy agny Galilia miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Hamona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, voho Kiriataima miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 77 Ho gnan'ny sisa amin'ireo Levita, reo avorohotan'i Merary, la namean'ny fokon'ny Zebolona: Rimono miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny voho Tabara miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny. 78- 79 La namea ho gnan-drozy avao koa, gny teo am-pitan'i Jordana agny Jeriko, teo antignanan'ny ony: Bazera tagny agn'efitsy miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Kedemota miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Mefata miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny.Reo ro namea bakamin'ny fokon'i Rbena. 80 Noraisin'ireo Levita bakamin'ny fokon'i Gada:Ramota agny Gileada miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, Mahanaima miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, 81 Hesbona miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny, voho Jazera miaraky amin'ireo tany fihinanan'aombiny.