Toko faha 5

1 Reo anaky lahin'i Robena zay anaky lahin'Israely voalohany__sady Robena ro anaky lahin'Israely voalohany, kanefa namean'ireo anaky lahin'i Josefa anaky lahin'Israely gny fizokiany fotony nandoto gny fandrian-drainy i Robena. Ka la tsy voasoratsy ho anaky lahy zokiny mare ie. 2 Joda ro natanjaky mare tamin'ireo rahalahiny, sady bakaminy ro niavian'ny mpitariky . Kanefa gny fizokiana la gnan'i Josefa__ 3 reo anaky lahin'i Robena, zay anaky lahin'Israely voalohany la i Hanoka , Palo, Hezrona, voho Karmy. 4 Reto iaby gny avorohotan'i Joela: gny anakihan'i Joela la i Semaia. 5 Gny anaky lahin'i Goga la Simei. Gny anaky lahin'i Simei la Mika. Gny anaky lahin'i Mika la Reaia. Gny anaky lahin'i Reaia la Bala. 6 Gny anaky lahin'i Bala la Bera, zay nalan'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria ho babo. Bera la mpitariky tao amin'ny fokon'i Robena. 7 Reto magnaraky reto gny longon'i Bera bakamin'ireo fokony, zay voatanisa ao amin'ny tahirin'ny tetiaran-drozy: Jeiela ro zokiny mare, Zakaria, voho 8 Bela anaky lahin'i Azaza anaky lahin'i Sema anaky lahin'i Joela. Nipetraky tagny Aroera, hatragny Nebo sady Balameona, 9 sady mantignana manomboky eo amin'ny efitsy zay mihitatsy hatragny amin'ny renirano Efrata rozy . Io la fotony nana biby fihary maro teo amin'ny tanin'i Gileada rozy. 10 Tamin'ny andron'i Saoly , la nanafiky gnan'ireo Hagrita gny fokon'i Robena sady nandresy gnan-drozy. Nipetraky tao amin'ny lain'ireo Hagrita nanera gny tany iaby tagny antignanan'i Gileada rozy. 11 Nipetraky teo agnilan-drozy gny mpikambana tao amin'ny fokon'i Gada, teo amin'ny tany Basana hatragny Saleka. 12 Gny mpitariky gnan-drozy la Joela, zay lehiben'ny foko , sady Safana ro lehiben'ny foko hafa, sady Janay voho Safata tagny Basana. 13 Reo lolon-drozy, bakamin'ireo fianakavian-drainy, la Mikaela, Mesolama, Seba,Joray, Jakana, Zia, voho Ebera__ fito gny fitambarany. 14 Reo olo voatogno agnara agnabo reo ro avorohotan'i Abihaila, voho Abihaila la anaky lahin'i Hory. Hory la anaky lahin'i Jaroa. Jaroa la anaky lahin'i Gileada, Gileada la anaky lahin'i Mikaela. Mikaela la anaky lahin'i Jesisay.Jesisay la anaky lahin'i Jado. Jado la anaky lahin'i Boza. 15 Ahia anaky lahin'i Abdiela anaky lahin'i Gony, ro loham-pianakavian'ny rain-drozy. 16 Nipetraky tao Gileada, tagny Basana, tao amin'ny renivohiny rozy, sady tao amin'ny tany fihinanam-bilon'i Sarona iaby hatragny amin'ny sisin-taniny. 17 Reo iaby reo la voatanisa araky gny tahiry tetiara tamin'ny andron'i Jotama mpanjakan'i Joda voho tamin'i Jerboama mpajakan'Isarely. 18 Reo Robena, reo Gadita, voho gny antsasaky gny fokon'i Manase la nana miaramila efatsy arivo voho afatsy aly voahofana ho amin'ny aly, zay nita ampinga voho sabatsy nagnenja gny tsipika. 19 nanafiky gnan'ireo Agarita, Jetora, Nafisy, voho Nodaba rozy. 20 Nandramby fagnampia bakamin-Dranagnahary rozy mba hameleza rozy. Tamin'io fomba io, ro naharesy reo Agarita voho zay iaby niaraky tamin-drozy. Io la fotony nitalaho tamin-Dranagnahary tagny gnan'aly gny Israelita, sady namaly gnan-drozy Ie, fotony nametraky gny fitokisany taminy rozy. 21 Nisamborin-drozy gny biby fihary, agnisan'io gny rameva limy aly, aondry aman'aosy 250.000, boriky roe arivo, sady johary 100.000. 22 Fotony Ndranagnahary nialy ho gnan-drozy, la novoan-drozy gny ankamaroan'ireo fahavalo. Nipetraky tao amin'ny taniny rozy mandra-piavian'ny fagnababoa. 23 Nipetraky teo amin'ny tany Basana hatragny Bala Hermona voho Senira( Tendrombohitsy Hermona io) gny antsasaky gny fokon'i Manase. 24 Reto iaby gny mpitariky gny fianavian-drozy: Efera, Jisy, Eliala, Azriela, Jeremia, Hodavia, voho Jadiela. Rozy la johary mahery voho be risi-po, johary malaza, mpitariky gny fianakavian-drozy. 25 Kanefa tsy nahatoky gny Ndranarin'ireo razambeny rozy. Fa koa , nanampo gny ndranagnahan'ireo vahoakan'ny tany, zay fa noravan-Dranagnahary teo agnatrehan-drozy. 26 Zay Ndranagnahan'Israely nampirisiky gnan'i Pola mpanjakan'i Asyria(atao hoe Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Ayria). Nalefany sesi-tany reo Robenita, Gadita, sady gny antsasaky gny fokon'i Manase. Nandesiny tagny Hala Habora, Hara, voho tagny amin'ny reniranon'i Gozana rozy, zay hipetrahan-drozy mandrak'androany.