Toko faha 4

1 Reo avorohotan'i Joda la Fareza, Hezrona, Karmy, Hora, voho Sobala. 2 Sobala ro rain'i Reaia . Reaia ro rain'i Jahata. Jahata ro rain'i Ahomay voho Lahada. Reo ro razamben'ny fokon'ireo Zoraita. 3 Reto iaby reo razamben'ireo foko tao amin'ny tanan'i Etama: Jezirela, Jisma, voho Jidbasy. Hazelelpony ro agnaran'ny anabavin-drozy. 4 Penoela ro razamben'ny foko tao amin'ny tanan'i Gedora. Ezera ro fiatomboan'ireo foko tao Hosa. Reo ro avorohotan'i Hora, zay anaky lahin'i Efrata voalohany voho razambeny agny Betlehema. 5 Asora razambeny agny Tekoa la nana valy roe, Hela voho Nara. 6 Nara niteraky gnan'i Ahazama, Hafera, Temeny voho Hahastary. Reo ro agnaky lahin'i Nara. 7 Reo anaky lahin'i Hela la Zareta, Jizara, Etnana 8 voho Hakoza, zay niteraky gnan'i Anoba voho Zobeba, voho gny foko bakamin'ny avorohotani Aharela anaky lahin'i Haroma. 9 Jabeza la voahaja tokoa noho reo rahalahiny. Jabeza ro nikahian'ny reniny gnazy. Hoy ie hoe:' Fotony tamin'ny faharary ro niterahako gnazy." 10 Nikaiky gnan'ny Ndranagnahariny gny Israely i jabeza sady nivola hoe:" Laha hitahy gnahy tokoa Iha , la hitaro gny fari-taniko, sady gny tagnanao homba gnahy. Lafa manao gnan'io Iha la hiaro gnahy amin'ny raty; mba ho afaky amin'ny tebiteby aho!" ka la notanterahin-Dranagnahary gny fivavahany. 11 Keloba rahalahin'i Soha niteraky gnan'i Mehira, zay rain'i Estona. 12 Estona niteraky gnan'i Betirafa, Pasea, voho Tehina, zay nagnory gny tanan'i Ir-nahasa. Reo iaby reo olo nipetraky tao Reka. 13 Reo anaky lahin'i Kenaza la Otniela voho Seraia. Reo anaky lahin'i Otniela la Hatata voho Meonatahy. 14 Meonatahy niteraky gnan'i Ofra, sady Seraia niteraky gnan'i Joaba, zay niantombohan'ny lohasahan'ny mpiasa, zay mpanao asa-tagna gny vahoakany. 15 Reo anaky lahin'i Kaleba anaky lahin'i Jefone la Iro, Elaha voho Nama. Gny anaky lahin'i Elaha la Kenaza. 16 Reo anaky lahin'i Jehalalila la i Zifa, Zifaha, Tiria voho Asarela. 17 Reo anaky lahin'i Ezra la i Jareta, Marea, Efera voho Jalona. Zay Egyptiana valin'i Mareda la niteraky gnan'i Miriama, Samay voho Jisba, zay razambeny agny Estemoa. Reo Ro anaky lahin'i Bitia, anaky ampelan'i Farao, zay nivalian'i Mareda. 18 Zay Jiosy valin'i Mareda la niteraky gnan'i Jareda, zay niteraky gnan'i Gedora; Hebera, zay niteraky gnan'i Soko; voho Jakotiela zay niteraky gnan'i Zanoa. 19 Gny amin'ireo anaky roe lahin'ny valin'i Hodia, anabavin'i Nahama, gny raiky la niteraky gnan'i Keila zay Garmita. Zay hafa la Estemoa zay Makatita. 20 Reo anaky lahin'i Simona la i Amnona, Rina, Ben-hanana, voho Tilona. Reo anaky lahin'i Jisy la Zoheta voho Ben-zoheta. 21 Reo avorohotan'i Sela anaky lahin'i Joda la Era raini Leka, Lada rain'i Maresa voho reo fokon'ireo mpanao hasimbazaha foty maliniky tagny Asbea, 22 Jokima, reo vahoakan'i Kozeba, voho Joasy voho sarafa, zay nana fanagna tao Moaba, nefa nimpoly tagny Betlehema.( Bakamin'ireo raki-tsoratsy taloha io fampahafantara io). 23 Gny sasany tamin'ireo olo mpanefy tanimanga reo la nipetraky tao Netaima voho Gadera sady niasa ho gnan'ny mpanjaka. 24 Reo avorohotan'i Simeoana la Nemoela, Jamina, Jariba, Zera voho Saoly. 25 Saloma ro anaky lahin'i Saoly, Mibsama ro anaky lahin'i saloma, voho Misma ro anaky lahin'i Mibsama. 26 Reo avorohotan'i Misma la i Hamoela anaky lahiny, Zakora zafiny , voho Simey zafiafiny. 27 Simey la nana anaky lahy folo enignamby voho anaky ampela eny. Gny rahalahiny la tsy nana gnanaky maro, ka tsy nitombo manahaky gny vahoakan'i Joda gny isan'ireo fokony. 28 Nipetraky tao Beri-sheba, Moolada, voho tao Hazara-soala rozy. 29 Nipetraky tao Bila-Ezema voho Tolada, 30 Betoela, Horma voho Ziklaga, 31 Beti-markabota, Hazora-sosima, Beti-biry voho saraima avao koa rozy. Reo ro tanan-drozy mandra-panjakan'i Davida. 32 Reo tana limin-drozy reo la Etama, Aina, Rimona,Tokena, voho Asana, 33 niaraky tamin'ireo tana magnodidy hatragny Bala. Reo ro fipetrahan-drozy, sady rozy ro nitanjaky gny tahirin'ny tetiara. 34 Reo mpitariky gny foko la i Mesobaba, Jamleka, Josa anaky lahin'i Amazia, 35 Joela, Jeho anaky lahin'i Josibia anaky lahin'i Seraia anaky lahin'i Asiela, 36 Elioenay, Jakoba, Jesohaia, Asaia, Adiela, Jesimiela voho Benaia, 37 sady Ziza anaky lahin'i Sify anaky lahin'i Alona anaky lahin'i Jedaia anaky lahin'i Simry anaky lahin'i Semaia. 38 Reo agnara voatogno reo ro mpitariky tao amin'ny fokon-drozy , sady nitombo maro reo fokony. 39 Nagnagny agnilan'i Gedora rozy, tagny amin'ny ilany antignan'ny lohasaha, mba hila akata ho gnan'ny aondry aman'aosin-drozy . 40 Nahita akata maro sady soa rozy. nalalaky , nangingina , sady nilamy io tany io. Fa nipetraky tao reo hamita taloha. 41 Reo voasoratsy agnara reo la avy tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda, ka nanafiky gny fipetrahan'i Hamita voho reo Meonita, zay tao avao koa. Naringan-drozy tanteraky rozy sady nipetraky tao fotony nahita ho gnan'ireo aondry aman'aosiny rozy. 42 Nisy johary diman-jato bakamin'ny fokon'i Simeona nagnagny amin'ny tendrombohitsy Seira, niaraky tamin'ireo mpitarin-drozy la i Pelrtia , Nearia, refaia, voho Oziela anaky lahin'i Jisy. 43 Nandresy gny sisa afaky tamin'ny Amalekita rozy, ka nipetraky tao mandrak'androany.