Toko faha 16

1 La nandesin-drozy nilitry gny fiaran-Dranagnahary la napetran-drozy tagnivony lay eo ze nataon'i Davida ho an'izay. Bakeo nanolotry fagnatitsy oroa voho fagnati-pihombogna teo agnatrehan-Dranagnahary rozy. 2 Lafa vitan'i Davida gny soron'ny fagnati-pihombogna, la nitahy gny vahoaky tamin'ny agnaran'i Yaveh ie. 3 Nizarazara mofo, ambin-kena, voho mofo mamy misy voaloboky tamin'ireo Israely iaby, na lahy na vavy ie. 4 Nanondro Levita sasantsasany mba hanompo eo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh i Davida, sady mba hankaza, hisaotsy voho handrengy gnan'i Yaveh, gny Ndranagnarin'Israely. 5 Reo Levita reo la Asafa gny mpitariky, sady faharoe magnaraky gnazy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Obed-Edoma, sady Jeiela. Reo ro nanondro lonkanga voho harpa. Asafa ro nampagneno gny Kipantsona, zay magneno mare. 6 Benaia voho Jahaziela mpisoro ro mpitsoky tsy tapaky gny trompetra, teo agnatrehan'ny fiaran'ny fagneken-Dranagnahary. 7 Sady tamin'izay andro izay Davida ro nanondro voaloahany gnan'i Asafa voho reo rahalahiny mba hihira io hiran'ny fisaora gnan'i Yaveh io. 8 Toloro fisaora i Yaveh, kaiho gny agnarany; ampahaizo eo amin'ireo firenena gny asany. 9 Mihira Gnazy, mihira fandrengea Gnazy; ambarao reo asany mahagaga iaby. 10 Mirehareha amin'ny agnarany masy; ao hifaly gny fon'ireo zay mila gnan'i Yaveh. 11 Ilao Yaveh voho gny heriny; ilao mandrakariva gny fagnatrehany. 12 Tiarovy reo raha-mahagaga nataony, reo fahagaga voho reo lalagna bakamin'ny tsihoviny, 13 avorohotan'Israely mpanompony, nareo vahoakan'i Jakoba, zay nofiliny. 14 Ie ro Yaveh, Ndranagnaharintsika. Amin'ny tany iaby reo lalany. 15 Ataovo ao an-tsay mandrakariva gny fagnekeny, la gny teny zay nandiliany an'ireo avorohota arivo hifandimby. 16 Mahatiaro gny fagnekeny zay nataony tamin'i Abrahama, voho gny voaliny tamin'Isaka Ie. 17 Izay ro nihamafisiny tamin'i Jakoba manahaky gny fitsipiky, sady tamin'Israely manahaky gny fagneke mandrakizay. 18 Hoy ie hoe: " Hagnome anreo gny tanin'i Kanana ho anjara lovanareo Zaho." 19 Nisafa an'izay Zaho laha mbo kely isaky nareo, tena kelikely vatany, la vahiny tami-gny tany ao. 20 Nandeha tami-gny firenena ho ami-gny firenena rozy, mbakami-fanjaka raiky magnami-hafa agny. 21 Tsy nisy ndra ia ndra aia nengany hampijaly an-draozy; mpanjaka reo la sinaziny nohon'ny gnamin-drozy. 22 Hoy ie hoe: " Ka mitolo an'ireo ze hinosotro, va ka magnisy raty an'i mpagnambara hafatro reo." 23 Mihira ho an'i Yaveh, gny tany iaby; atoro san'andro san'andro gny famonjeany. 24 Atoro ami-gny firenena reo gny voninahiny, la ami-gny firenena iaby reo gn'asany mahatseriky. 25 Fa bevata Yaveh ka tokony ho renge mare, voho tokony hatahora agnabon'ireo Ndranagnahary hafa iaby ie. 26 Gnantony devoly Ndranagnaharin'ny gny firenena na iaby reo, fa Yaveh ro nanao gny lagnitsy. 27 Ami-gny fagnatrehany eo gny famirapirata vo gny voninahitsy. Vo ami-gny toerany eo gny hery vo gny hafalia. 28 Magnomeza an'i Yaveh, gny fakon'ny gn'olo, magnomeza voninahitsy vo hery gnan'i Yaveh; 29 Omeo gnan'i Yaveh gny voninahitsy mandriky gnagnarany. Magnandesa fagnatitsy la mandehana agnilany eo, Manongaleha amin'i Yaveh ami-gny famirapiratany masy. 30 Mangitingitiha agnilany eo gny tany iaby. Zao tontolo zao avao koa la fa naory; tsy afaky hazogny zay. 31 Ao ho faly gny lagnitsy, la ao hazoto gny tany; ao rozy hisafa ami-gny firenena reo he: " Manjaka Yaveh." 32 Ao hierotry gny riaky , la ze mameno an'izay la hikoraky am-pifalia. Ao ho faly baiboreo, vo ze iaby amin-dreo eo. 33 La ao hazo agn'ala ao reo hikoiky am-pifalia agnatrehan'i Yaveh eo, fa ho avy hitsara gny tany ie. 34 Misaora gnan'i Yaveh, fa soa Ie, gnantony maharitry zisiky farany gny fagnenkeny matoky. 35 Bakeo misafagna hoe: " Vonjeo rahay Ndranagnahariny gny famonjeanay. Avorio miaraky rahay la vonjeo ami-gny firenena hafa reo, mba ho afaky hagnome fisaora ho gnan'ny gnagnaranao masy vo gny voninahitry ami-gny fandrengea gnanao rahay." 36 La ho renge zisiky, zisiky farany Yaveh, Ndranagnaharin'Israely igny. Hoy gn'olo iaby hoe: " Amen" vo nandrengy gnan'i Yaveh. 37 Nohon'izay Davida la namela gnan'i Asafa vo rahalahiny reo tagnilany fiaran'ny fagnarahan'i Yaveh igny, mba hanompo lalandava agnatrehan'ny fiarany eo araky ze takin'ny gn'asa san'andro san'andro. 38 Agnisan'izay Obed-edoma miaraky ami-gny longony valo ambenim-polo reo. Obed-edoma gnanaky lahiny Zedotona, miaraky ami-Hosa, ro mpiamby vavahady. 39 Zadoka mpisoro voho gny vo mpisoro namany reo la tami-gny toera agnabo eo ta-Gibeoma ao mba hanompo agnatrehan'ny tabernakelin'i Yaveh eo. 40 Hagnome fagnatitsy oroa lalandava ami-gny maraindray vo haliky ho gnan'i Yaveh agnabon'alitara eo ho gnan'ny fagnoroa gny rakitry rozy, araky ze iaby sinoratry ami-gny lalagnan'i Yaveh ao, ze nameany ho lily ho gnan'Israely. 41 Hemana vo Jedotona la nisondry tamin-drozy, niaraky tamign'ambiny reo ze finily tami-gnagnara, mba hagnome fisaora gnan'i Yaveh, gnantony maharitry zisiky farany gny fagnenkeny matoky. 42 Hemana vo Jedotona ro mpiandraikitry gny tragnon'ny ze mitsoky Antsiva reo, kipantsona, la raha magneno hafa ho gnan'ny hira masy. Gnanaky lahin'i Jedotona reo ro niamby gny vavahady. 43 Bakeo gn'olo iaby nimpoly tan-tragnon-drozy agny iaby, la Davida nimpoly mba hitahy gn'ankohonany.