Toko faha 15

1 Sady Davida nagnamboatsy tragno ho gnazy tao an-tanan'i Davida. Nagnoma toera ho an'ny fiaran-Dranagnahary sady nananga lay ho an'izay rozy. 2 La hoy Davida hoe: " Reo Levita avao ro afaky manday gny fiaran-Dranagnahary, fa rozy roa voafilin'i Yaveh mba handay gny fiaran'i Yaveh, voho hanompo Gnazy mandrakizay." 3 La nivoarin'i Davida tao Jerosalema gny Israely iaby, mba hampiakatsy gny fiaran'i Yaveh agny amin'ny toera fa nomaniny ho an'izay. 4 Nivoarin'i Davida niaraky reo avorohotan'i Arona voho reo Levita. 5 Tamin'ireo avorohotan'i Kehata, la nisy an'i Oriela mpitariky voho reo havany, johary 120. 6 Tamin'ireo avorohotan'i Merary, la nisy an'i Asaia mpitariky voho reo longony, johary 220. 7 Tamin'ireo avorohotan'i Gersona, la nisy an'i Joela mpitariky voho reo longony, johary 130. 8 Tamin'ireo avorohotan'i Elizafana, la nisy an'i Semaia mpitariky voho reo longony, 200. 9 Tamin'ireo avorohotan'i Hebroma, la nisy gnan'i Eliala mpitariky voho reo longony, johary valopolo. 10 Tamin'ireo avorohotan'i Oziela, la nisy gnan'i Aminadaba mpitariky voho reo longony, johary 112. 11 Nikaiky gnan'i Zadoka voho Abiatara mpisoro, sady reo Levita Oriela, Asaia, Joela, Semaia, Eliala, sady Aminadaba i Davida. 12 Hoy ie tamin-drozy hoe: " Nareo ro lohan'ireo fianakavian'ny Levita.Hamasigno gny vatanareo, la nareo voho reo rahalahinareo, mba hafahanareo mampiakatsy gny fiaran'i Yaveh, gny Ndranagnaharin'Israely, ho agny amin'ny toera zay fa nomaniko ho an'io. 13 Tsy nanday an'izay nareo tami-voalohany. Zay ro gnantony nagnasazian'i Yaveh Ndranagnaharintsika antsika, gnantony tsy nila gnazy na nagnenky gny liliny tsika". 14 Nohon'ny izay la nagnamasy vata mpisoro reo vo Levita mba hahafahan-drozy magnakatry gny tobilin'i Yaveh, Ndranagnaharin'i Israely igny. 15 La linanjan'ny Levita reo tan-tsorokin-drozy eo tami-gny bao fiaran-Dranagnahary araky ze fa nandilian'i Mosesy__magnoriky fitsipyky reo nameo bakami-safan'i Yaveh. 16 Nisafa tamin'ireo mpitariky gny Levita Davida mba hanondro gny rahalahin-drozy ho mpihira ami-raha magneno, valiha, lokanga vo kipantsona, hanondrotsy mare ami-pifalia gny feon-drozy. 17 La tinendrin'ny Levita reo Hemana gnanaky lahin'i Joela vo gny raiky tami-gny rahalahiny reo, la Asafa gnanaky lahin'i Berekia. Nanondro longo bakamin'ireo taranak'i Merary reo vo Etana gnanaky lahin'i Koa saia avao kao rozy. 18 Nisondry tamin-drozy koa gny longo marikitry magnorikoriky an-drozy: Zakaria, Jaziela, Semiramota, Jehiela, mpiamby, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Mikneia, Obed-edoma, vo Jeiela, mpiamby vavahady reo. 19 Hemana, Asafa, vo Etana mpihira la tinondro mba hititiky mare kipantsona saba. 20 Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, la Benaia ro nititiky valiha reo, tamin'i Alamota. 21 Matitia, Elifeliho, Mikneia, Obed-edoma, Jeiela, vo Azazia vo nitari-dala tamin'ny Harpa tami-gny Seminita. 22 Kenania, mpitariky Levita reo, ie ro tonian'ny gny fihira gnantony mpampianatsy hira ie. 23 Berekia vo Elkana ro mpiamby gny Tobily. 24 Sebania, Josafata, voho Eliezera, reo mpisoro, ro nitsoky reo trompetra teo alohan'ny fiaran-Dranagnahary. Obed-edoma voho Jehia ro mpiamby gny fiara. 25 Sady Davida, reo loholon'Israely, voho reo mpifehy gny agn'arivo la nandeha nampiakatsy gny fiaran'ny fagneken'i Yaveh bakao an-tragnon'i Obed-edoma tamim-pifalia. 26 Sady Ndranagnahary laha nagnampy reo Levita zay nilanja gny fiaran'ny fagneken'i Yaveh, la nanao soro aomby fito voho aondrilahy fito rozy. 27 Nanao akanjo vita tamin'ny hasim-bazaha foty maliniky i Davida, manahaka reo Levita zay nilanja gny fiara, reo mpihira, sady Kenaia, gny mpitariky gny hira mbamin'ireo mpihira. Niakanjo efoda hasim-bazaha foty i Davida. 28 Ka la nampiakatsy gny fiaran'ny fagneken'i Yaveh tamin'ny korakim-pifalia, voho tamin'ny feon-tandroky, tamin'ny kipantso, sady tamin'ny valiha voho harpa gny Israely iaby. 29 Nefa laha avy tao an-tanan'i Davida gny fiaran'ny fagneken'i Yaveh, la nijilo teo lafonety i Mikala anak'ampelan'i Saoly. Nahita gnan'i Davida mpanjaka nisindraky voho nankalaza ie. Bakeo nanao tsinontsino gnazy tao am-pony ie.