Toko faha 9

1 Magnambara ny marigny ao amin'i Kristy zaho. Tsy mavandy zaho, ary ny eritreritry enaha no vavolombelogno miaraka aminaha ao amin'ny Fagnahy Masigny, 2 fao hozy zaho dia misy alahelo gaida aveo fahoriagna tsy mijanogno ato am-pô naha. 3 Fao afaka nagniry zaho fao zaho dia ho voahazogno kay hiataka amin'i Kristy noho ny amin' reo rahalahiko, reo zay araiky firazagnagna aminaha araka ny nôfotro. 4 Zareo dia Israelita. Zareo dia managna fanagnagna, ny vogninahitry, reo fagnikaihagna, ny fagnomiazan'ny lalàgna, ny fidairagna Zagnahary, ary reo fampanantenagna. 5 Nihi-jareo dia reo razagna zay nahatonga an'i kristy ho tonga nôfotro, Izy zay Zagnahary ambonin'ny jiaby. Hidairaigny mandrakizay anie Izy. Amena. 6 Fao tsy foagna reo zay nampanantenain-Jagnahary. Fao tsy zay jiaby avy agny israely no tegna an'Israely. 7 Na reo tamingan'i Abrahama jiaby no tegna zanany. Fao: "Amin'ny alalan'ny Isaka no hagnantsaovagna reo taminganao." 8 Zany hoe, reo zanaky ny nôfotro dia tsy zanaka Zagnahary. Fa reo zanakin'ny fampanantenagna no raisigny ho taminga. 9 Fao otry zao ny volagnan'ny faampanantenagna: " Amin'zany fotoagna zany dia ho avy Zaho, ary hamiagna zazalahy Saraha." 10 Tsy zany fogna, fa avy eo koa Rebeka hanan-janaka amin'ny lalahy araiky, Isaka babantsika_ 11 fa mbôla tsy tairaka aby reo zaza ary mbôla tsy nagnano raha tsara na ratsy, mbô ho marigny ny tanjon-Jagnahary araka ny fisafidianagna, tsy noho reo asa, fao noho Izy zay magnantso_ 12 nagnambara tamin'ny vaiavy hoe: "Ny zokiny dia hanompo ny zandriny." 13 Zany dia hotry zay voasaoratra hoe: "Jakoba tiako, fa Esao halako." 14 Ino ary no ho hivolagnintsika? Misy tsy fahamarinagna moa miaraka amin-Jagnahary? 15 Tsy hisy lasite zany. Fao ho Izy tamin'i Mosesy hoe: "Hamindra fô amin'zay tiako hamindragna fô zaho, aveo haforaigny reo zay tiako hafiraignàko zaho." 16 Noho zany aveo, dia tsy noho izy mikasa zany, na noho izy zay miazakazaka, fao noho Zagnahary, zay nagnaboaka ny famindram-pô. 17 Fao ny Soratra Masigny nagnambara tamin'ny Farao hoe: "Fa noho zany antony zany no nagnandratako anao, mbô hagnaboahako aminao ny angôvo anaha, ary mbô hagnamabaragna ny agnaragna naha eran-tany. 18 Noho zany, Zagnahary dia mamindra fô amin'zay tiany hamindragna fô, ary zay tiany hamafisigny fô, no hamafisin'ny fô. 19 Avakeo hagnambara aminaha areo hoe: "Nagnino no mbôla mahita tsigny fogna Izy?" Fa zôvy no mahatohitry ny sitrapôny? 20 Mifanohitry amin-jany, ralelilahy, zôvy moa anao no mamaly manohitry Zagnahary? Moa zay afa nivolivolaigny hagnambara amin'ny mpamolavola zany hoe: "Nagnino no nataonao karaha zao zaho?" 21 Moa ny mpanefy vilagny tsy managna zo amin'ny tanimanga kay ny vongany araiky fogna no hagnamboaragna fipitrahagna amin'ny andro votaokgna, ary fipitrahagna araiky hafa amin'ny andavanandro? 22 Akôry raha zagnahary, zay tiahagnaboaka ny fahatezairagna ndraiky hagnambara ny fahefany, no niaritry tamim-paharaitagna reo fipitrahan'ny fahatezairagna monigny ho amin'ny fahasimbagna? 23 akôry raha natany zany mbô hagnambaragna ny hariagnany vogninahitry eo amin' reo fipitrahan'ny faminfdram-pô, zay afa nomanigny mialaoha ho amin'ny vongnahitry? 24 Akôry raha natany ho antsika koa zany, zay antsôviny foagna koa, tsy ho eo amin'ny Jiosy fogna fao hoe amin'ny reo Jentilisa fogna koa? 25 Araka zay nambarany tao amin'i Hosea fogna hoe: "Hantsôviko hoe ôlogno anaha zay tsy ôlogno anaha, ary hoe tiany lehy tsy tiany. 26 Avakeo dia agny amin'ny zay nagnambarany tamin-jareo hoe: "Tsy ôlogno anaha areo,' agny no hagnantsaovagna zareo hoe: "Zanaka Zagnahary velogno." 27 Isaia nagnantso mafy ny amin'Israely hoe: "Izy koa otry alagnagna amin'ny ranomasigny ny hisan'ny zanak'israely, dia ho voavonjy izy ndraiky ambiny, 28 fao ny Tompo hitondra ny volagnany eto an-tany, feno ary tsy ho aila." 29 Araka ny nivolagnin'Isaia mialoha hoe: "Raha ny Tompo tompon'ny maro no tsy nagnambaila taminga ho antsika, dia hitôvy an'i Sodoma atsika, ary hanjary otry Gomora." 30 Ino ar no hivolagnintsika? Fa reo Jentilisa, zay tsy nizaha ny fahamarinagna, no nahazo ny fahamarinagna, zay fahamarinagna avy tamin'ny finoagna. 31 Fao israely, zay nizaha ny lalàn'ny fahamarinagna, dia tsy tonga tamin'zany. 32 Nagnino moa? Satria zareo tsy nizaha zany tamin'ny finoagna, fao tamin'ny asa. Tafintohignin'ny vaton'ny fagnafintohinagna zareo, 33 araka zay afa voasaoratra hoe: "Zahavo, ao Ziona no agnambilako ny vaton'ny fanafintohinagna ndraiky tsangambaton'ny fandikan-dàlagna. Zay mino zany dia tsy ho maingatra.