Toko faha 10

1 2 3 Oa rahalahy, ny tian'ny fô nahy sy ny angahoky amin-jagnahary hoan-jareo, dia fagnavotagna zareo. Fa mitsangagna tomoa mikasika zareo zaho, fa mafana fô ho an'ny zagnahary zareo, naifa tsy araka ny fahaizany. Fa tsy mahay ny fahamarignan-jagnahary regny, aveo mikasa hagnambaila fahamarignan-jareo manôkagna. Tsy magneky ny fahamarinan-jagnahary zareo regny. 4 Fa Kristy no fahantantirahan'ny lalàgna ho fahamarignagna ho an'ny lehy mankantô jiaby. 5 Fa Mosesy nanôratra mikasikan'ny fahamarignagna lehy avy amin'ny lalàgna hoe: "Ny ôlogno lehyb magnano ny fahamarignan'ny lalàgna dia hiaigny amin-jany fahamarignagna zany." 6 Fa ny fahamarignagna lehy avy amin'ny finoagna dia mivôlagna: "Aza mivôlgns zao am-pô hoe: 'Zôvy no hiakatra agny andagnitry?' (Zany dia, mampirôrogno Kristy); 7 avakeo aza mivôlagna hoe: 'Zôvy no hirôrogno agny amin'ny laligny?''' (Zany dia, mampiakatra an'i Kristy amin'ny maty). 8 Fa ino no volagniny zany? "Eo marikitry anao ny teny, akao am-bavanao avakeo akao am-pônao."zany no tenin'ny finoagna, lehy volagninay. 9 Fa raha amin'ny vavanao no agnikiahanao an'ny Jesôsy ho Tômpo, avakeo magneky akao amin'ny fônao fa natsangan-jagnahary tamin'ny maty Izy, dia havôtagna anao. 10 Fa amin'ny fô no agnikiahan'ôlogno ny fahamarignagna, avakeo amin'ny vava no agnikiahagna ny fagnavôtagna. 11 Fa tô raha volagniny soratra masigny: "Tsy ho maignatra lehy mankatô Azy jiaby." 12 Fa tsisy fahasamihafagna akeo amin'ny Jiosy sindraiky Grika. Fa Tômpo araiky fogna no Tompon'ny jiaby, ary hariagnam-pasoavagna ho an'ny lehy magnantso Azy izy. 13 Fa lehy jiaby magnantso ny agnaran'ny Tômpo no havôtagna. 14 Akôry ary no ahafahan-jareo magnantso Azy lehy tsy nikehiny? Akôry no ahafahan-jareo magneky Azy lehy tsy regnin-jareo? Akôry no ahafahan-jareo mitandregny raha tsisy mpagnambara, raha tsisy mpagniraka? 15 Araka lehy voasôratra hoe: "Zahavo ny hatsaran'ny tongotro reo mivôlagna reo raha tsaran'ny vaovao maharavoravo!" 16 Kanaifa tsy izy jiaby no nitandregny ny vaovao maharavoravo. Fa nivôlagna Isaia hoe: "Tômpo, zôvy no nankatô ny hafatray?" 17 Noho zany ny finoagna dia avy amin'ny fitandrignaisagna, ary ny fitandrignaisagna avy amin'ny tenin'i Kristy. 18 Fa nivôlagna zaho hoe: "Kay tsisy nitandregny moa zareo?" Ia, taigna marigny. "Ny feon-jareo dia afa niboaka magnairan-tany, avakeo ny tenin-jareo bariky amin'ny farany tany tô.” 19 Ankoatrany zay, nivôlagna zaho hoe: "Kay tsy nahaymoa Israely?" Tamin'ny voanaloahany Mosesy nagnambara hoe: "Hatako sarôtony amin'ny lehy tsy firenena akory areo." Amin'ny firenena lehy tsisy fahaizagna, hatako homby amin'ny fahavigniragna areo. 20 Ary akeo bahery mahasaiky tatô Isaia izy koa fa nivôlagna hoe: "Hitany reo lehy tsy nizaha zaho zaha." 21 Fa nivôlagna izy tamin'Israely hoe: "Tontolon'ny no namavarako tagnako tamin'ôlogno tsy mankatô ndraiky maditry."