Toko faha 11

1 Ary nivolagna zaho,narian-Jagnahary moa ny olognonazy? Sagnatria edy zany. Fao zaho ndraiky koa dia Isiraelita, tamingan'i Abrahama, avy amin,ny fokon'ny Benjamina. 2 Zagnahary dia tsy nagnary ny olognonazy, zay afa hainy talôha. Tsy hainareo moa zay voalazan'ny Soratra Masigny mahakasiky an'i Elia, dia lay fitaraignany tamin-Jagnahary nahazo an'Israely? hoe: 3 Tompo, zareo dia namono reo mpagnazarinao, nagnapotiky ny alitaranao. Zaho araiky faogna tavaila, aveo mifôfo ny hamono zaho zareo." 4 Fao ino moa valin-teny nambaran-Jagnahry azy? "Nagnavaka fito arivo lahy ho an'ny taignako Zaho zay tsy nandongoalitry teo amin'ny Bala." 5 Dia tôrotro zany, amin-je avaïzo ze indraiky koa dia misy tavaila indraiky nohon'ny fisafidianagna amin'ny fahasoavagna. 6 Fao koa avy amin'ny fahasoavagna zany, dia tsy avy amin'ny asa eky. Fao koa zany dia tsy fahasoavagna eky fahasovagna. ( [Fagnamarihagna: Ny antontan-taratasy sanany taloha dia mamaky hoe: "Kanaifa koa avy amin'ny ro asa zany, dia tsy fahasoavagna eky; fao koa zany dia tsy asa eky ny asa."]) 7 Ino ary? Ny raha zay nizahan'Isiraely, dia tsy azony, fao ny voafidy no nahazo zany, ary nankamafisigny reo lambiny. 8 Zany dia araka ny afa voasoratra hoe: "Zagnahary dia magnamia zareo ny fagnahin'ny fizaidazaidagna, maso mbo tsy hahitan-jareo, ave sofigny mbo tsy harignaisan-jareo, baroko niany." 9 Nivolagna Davida hoe: "Aoka ny latabatranazy ho harato ndraiky fandriky, ho vato mamandriky ndraiky valifaty amin-jareo. 10 Aoka ny mason-jareo hohamaizignigny mbo tsy hahita, aveo aoka hondriky barokodontany ny tahaizan-jareo." 11 Dia nivolagna zaho hoe: "Izio moa tafintohigny zareo mbo ho lavo?" Sagnatria eky zany. Fao naifa, avy amin'ny fahalavoan-jareo, no nahavian'ny famonjiagna tamin-jareo jentilisa, mbo hampialogno zareo. 12 Ary koa ny fahalavoan-jareo no hariagnan'izao tontolo zao, ary koa ny fahaviraizan-jareo no hariagnan-jareo jentilisa, doa magnankory ny halebiazan'ny fahatanterahan-jareo? 13 Fao avaïzo dia mivolagna aminareo Jentilisa zaho, ary koa mbala apositolin-jareo Jentilisa zaho, dia mankasitraka ny fanompoako. 14 Mety hampialogno zareo zay avy amin'ny nôfotronaha manokagna zaho. Mety hamonjy ny sanany amin-jareo atsika. 15 Fao raha midika fampihavanagna magnairantany ny fandavagna zareo, dia ino handraisagna zareo zany fao fiainagna avy amin'ny fahafataisagna? 16 Raha voatôkagna ny vôkatra voalôhany, dia ny ampahany amin'ny kobam-bary koa. Raha voatôkagna ny vahany, dia tôrotro zany foagna koa reo rantsany. 17 Fao raha nitapahagna ny rantsany sanany, ary koa anao, sampagna oliva no naharo tamin-jareo, aveo koa nifampizara tamin-jareo ny vahany mamokatra ny kakazo oliva anao, 18 dia aza miraiharaiha amin-jareo sampagna. Fao koa miraiharaiha anao, dia tsy anao no no mitonga ny vahany, fao ny vahany no mitonga anao. 19 Dia hivolagna anao hoe: "Nitapahagna hiala reo rantsagna mbo hafahako mifandray aminazy." 20 Marigny zany. Nohon'ny tsy finoan-jareo dia nitapahagna hiala zareo, fao areo dia mitsangagna tsara nohon'ny finoagnanareo. Aza magnano ny taignanareo ho agnambo, fao matahôra. 21 Fao raha ny taigna sampagna aza tsy nambailan-Jagnahary, dia tsy hambailany indraiky koa anao. 22 Ary, zahao, ny fahatsoram-pô ndraiky ny fahasarotam-pôn-Jagnahary. Eto andagniny, ny fahasarotam-pô dia homby amin-jareo Jiosy zay lavo. Fao eto ankilany ndraiky, ny hatsaram-pagnahin-Jagnahary dia homby aminareo, koa mahadigny ao amin'ny hatsaram-pagnahy areo. Fao koa tsy zany dia ho tapahagna koa areo. 23 Ary na regny aby, koa tsy manôhy amin'ny tsy finoagnany zareo, dia haharo. Fao Zagnahary dia afaka magnampody magnaharo zareo indraiky. 24 Fao raha nitapahagna tamin'ny kakazo oliva-dia areo, kay naharo tamin'ny kakazo oliva tsara, dia magnankory ny fihoaran'ny hafontriran'ireo jiosy, zay sampagna voajagnahary, naharo tamin'ny kakazo olivan-jareo manôkagna? 25 Fao tsy tiàko tsy hahay areo, ry rahalahiky, ny amin-jany raha mivôny zany, mbo tsy hampisy fagnahy areo amin'ny menimeninareo manôkagna. Zany raha mivôny zany dia afa nahamafy lôha ny ampahany amin'Isriraely, mandrapa-havin'nyfahafinoan-jareo Jentilisa. 26 Noho zany dia hovonjegny aby ny Isiraely jiaby, araka ny voasoratra hoe: "Hiboka avy agny Ziona ny mpagnafaka. Hagnala ny haratsiam-pagnahy amin'i Jakoba Izy, 27 ary zany no ho fagnikiam-pihavanagnanaha amin-jareo, koafa hagnala ny fahotan-jareo Zaho." 28 Amin'ny lafiny araiky mahakasiky ny vaovao mhafaly, dia fahavalo zareo nohon'ny aminareo. Amin'ny lafiny araiky hafa araka ny safidin-Jagnahary, dia tigna zareo noho reo razagna. 29 Fao reo fagnomaizagna ndraiky antson-Jagnahary dia tsy miôva. 32 Fao areo dia tsy nankatô an-Jagnahary fahaila, kanaifa avaïzo areo dia nangala ny famindram-pô nohon'ny tsy fankatoavan-jareo. 31 Torôtro zany foagna koa, avaïzo reo Jiosy dia tsy nankatô. Ny vokany dia tamin'ny alalan'ny famindram-pô zay naboaka areo no mety hangalan-jareo famindram-pô indraiky koa avaïzo. 30 Fao Zagnahary afa nagnidy ny tsy fankatoavagna jiaby, mbo afahany hagnaboaka famindram-pô amin'ny jiaby. 33 Zahao, halalignan'ny reo hariagnan'ny fahendrena ndraiky fahaizan-Jagnahary! Tsy takatry ny saigny reo fitsaragnanazy, ary reo lalany dia tsy hay refesigny! 34 'Fao zôvy moa nahay ny fandinihany Tompo na zôvy no hanjary mpanolo-tsaigny Azy? 35 Na zôvy no hagnamia raha an-Jagnahary aloha , kay tsy maintsy hagnifan-Jagnahary azy indraiky? " 36 Fao avy Aminazy ndraiky amin'ny alalany ary ho Nihinazy raha jiaby. Ho Azy barokodintany ny vogninahitry. Amen.