Toko faha 8

1 Nohon'ny zany dia tsy misy fagnameloahagna aky avaizo ho an'ny reo lehy akao amin'i Kristy Jesôsy. 2 Fa ny fitsipikin'ny fagnahin'ny fiainagna akao amin'i Jesôsy Kristy no nagnavotro zaho tamin'ny fitsipikin'ny fahotagna ndraiky fahafataisagna. 3 Fa lehy tsy afaka nataon'ny lalàgna nohon'ny fahalemen'ny zany tamin'ny nôfotro, dia natan-Jagnahary. Nagnandaifa ny zanany lalahy araiky Izy tamin'ny endriky ny nôfotro rakotro fahotagna mbô ho fagnatitry ho an'ny ota, ary nagnameloko ny ota tao tao agnatan'ny nôfotro izy. 4 Natany zany mbô hahatonga ny raha takin'ny lalàgna, atsika lehy mandaiha tsy araka ny nôfotro, fa araka ny fagnaha. 5 Zareo lehy miaigny araka ny nôfotro dia mihorigny amin'ny reo raha ny vatagna, fa reo lehy velogno araka ny Fagnahy dia mihorigny amin'ny reo zavatry ny Fagnahy. 6 Satria ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny nôfotro dia fahafataisagna, fa ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny Fagnahy ndraiky dia fahavilômagna avakeo fiadanagna. 7 Ny fandiniahagna mifôtotro amin'ny nôfotro dia fandrafiagna akeo ankilan-Jagnahary, fa tsy mifagnaraka amin'ny lalàgnan-Jagnahary zany. 8 Reo lehy akao amin'ny nôfotro dia tsy afaka ny hikehin-Jagnahary. 9 Kanaifa, areo dia tsy akao amin'ny nôfotro fa akao amin'ny Fagnahy, izy koa marigny ady fa mihaigny akao aminareo ny Fagnahin-Jagnahary. Fa izy koa misy ôlogno tsy managna ny Fagnahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Izy koa akao aminareo ady Kristy, dia maty nohon'ny fahotagna ny vatagna, fa ny fagnahy dia velogno nohon'ny fahamarinagna 11 Izy koa ny Fagnahin'ny lehy nampitsangagna Jesôsy tamin'ny maty ady velogno akao aminareo, dia Izy lehy nagnatsangagna Kristy tamin'ny maty no hagnamia fiaignagna koa ho an'ny haigninareo lehy manjary maty amin'ny Fagnahy, lehy velogno akao aminareo. 12 Kay noho zany, ry rahalahy, dia mpitrôsa atsika, fa tsy akao amin'ny nôfotro mbô hiaigny araka ny nôfotro. 13 Fa izy koa mihaigny araka ny nôfotro areo, dia hofoaty, fa izy koa amin'ny Fagnahy lehy amononareo ny asam-batagna, dia ho velogno areo. 14 Fa karaha reo jiaby voatariky ny Totrin-Jagnahary, zareo no zanaka Zagnahary . 15 Fa tsy nangala ny fagnahin'ny fagnabotoagna koa areo kay hatahotro. Fa naifa, nangala ny Totrin'ny fagnatsanganan-taminga areo, lehy hantsôntsôvintsika hoe: "Aba, oa Baba!" 16 Ny Fagnahy no taigna tomoa amin'ny totrintsika fa zana-Jagnahary atsika. 17 Izy koa zanaka ady atsika, dia mpamdôva koa, mpandôva an-Jagnahary. Avakeo lôva araiky akao amin'i Kristy atsika, izy koa taigna sahiragna miaraka Aminazy tatôboeny atsika dia amiagna vogninahitry miaraka amin'Azy koa. 18 Fa koragniky fa reo fijaliagna amin-jeo fotoagna zeo io dia tsy magnaiva ampitovigny amin'ny vogninahitry lehy haboaka amintsika. 19 Fa ny voahary jiaby lehy magnantaigna fatatra dia mandigny ny fagnaboahagna reo zana-Jagnahary. 20 Fa ny voahary dia natao ho raha tsisy dikany, tsy nohon'ny sitrapônazy manôkagna, fa noho lehy nagnano zany. Zany dia akao amin'ny toky namiagna 21 fa reo voahary no taigna ho alagna amin'ny fagnabotoagnan'ny fahalòvagna, avakeo hinday akagny amin'ny fahafahagna ny amin'ny vogninahitry ny zana-Jagnahary zany. 22 Fa haintsika fa ny voahary jiaby dia miara-miaimbe sindraiky miara-miasa akao agnatin'ny fanaintainagna na amin-jeo aby. 23 Tsy zany fogna, fa na ny haignintsika aby, lehy managna ny voalôham-bôkatra ny Fagnahy na ny haignintsika aby dia miaimbe akao agnatintsika, mandigny ny fampitsanganagna atsika mbô ho zanaka, dia ny fagnavôtagna ny haignintsika. 24 Fa tamin-jany taigna zany no nagnavôtagna atsika. Fa lehy atokisantsika fa hiboaka dia mboala tsy hita, fa zôvy no mandigny amin'ny fahatokiagna lehy afa hitany? 25 Fa izy koa matoky amin'ny raha mboala tsary hitantsika atsika, dia mandigny zany amin'ny fahendriagna. 26 Karaha zany koa, ny Totry dia magnampy akao amin'ny fahalemiantsika. Fa atsika tsy mahay lehy vavaka tôkony atantsika, fa ny Totry no taigna mitsôtro atsika amin'ny fisentoagna tsy hay koaragnigny. 27 Izy lehy mandiniky ny fô no mahay ny hevitry ny Totry, satria Izy no mitrôtro ho an'ny mpankatô araka ny sitrapôn-Jagnahary. 28 Haintsika fa reo lehy tia Zagnahary, dia miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara aby ny raha jiaby, ([Fanamariahagna: Raha tôkony hoe " Miaraka ampiasainy ho amin'ny tsara aby ny raha jiaby," dia dikan-tsoratra sasany talôha magnano hoe: "Ny raha jiaby dia miara-miasa amin'ny raha tsara."]) ho an'ny reo lehy voahantso araka ny fandaharany. 29 Satria reo lehy hainy talôha, dia nirahiny talôha koa mbô hitôvy bika amin'ny Zanany, mbô ho talagnôlo akeo agnivon'ny rahalahy fôntry izy. Reo lehy nirahiny nanampôgno, dia nantsôviny koa. 30 Reo lehy nantsôvony, dia namarigniny koa. Reo lehy namarigniny, dia namiany vogninahitry koa. 31 Ino àry raha tôkony hikoragnintsika mikasiky reo raha reo? Izy koa mikarakara atsika ady Zagnahary, zôvy moa mahadigny atsika? 32 Izy lehy tsy namalavala ny Zanany lalahy tôkagna fa nagnamia Azy ho antsika jiaby, ahoana moa tsy hagnamiazany atsika maimaimpoagna miaraka Aminazy ny raha jiaby koa? 33 Zôvy moa hinday fagnambaragna hamaly reo ôlom-boafidin-Jagnahary? Zagnahary no lehy araiky magnamarigny zany. 34 Zôvy lehy araiky hagnameloko? Kristy no lehy araiky maty ho antsika, avakeo lômbolômbon'ny zany, nampitsanganigny koa Izy. Manapaka miaraka amin-Jagnahary akeo amin'ny fantairam-bogninahitry Izy, avakeo Izy lehy mitsôtro ho antsika. 35 Zôvy moa hampisaraka atsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriagna, sa fijaliagna,sa fagnindriagna, sa tihinagna, sa tsy fanagnan-damba, sa loza, sa sabata? 36 Araka ny voasôratra hoe: "Avy aminao fogna namonoagna zahay lava andro tô. Nalaigny karaha ondry hivonoigny zahay." 37 Akao agnatin'ny zany raha jiaby zany dia ambonimbonin'ny mpandresy zahay amin'ny alalan'ny lehy araiky tia zahay. 38 Fa resy lahatra zaho fa na ny fahafataisagna, na ny fiaignagna, na reo anjely, na reo fanjakagna, na reo raha avaizo, na reo raha ho tonga, na reo ngôvo, 39 na ny hambo, na ny laligny, na zavaboary sasany, dia tsy tafisaraka atsika amin'ny fitiavan-Jagnahary, lehy akao amin'i Kristy Jesôsy Tômpontsika.