Toko faha 7

1 Saha tsy hainareo, oa rahalahiky (satria miragna amin'ny ologno mahay momba ny lalagna zaho) , fao ny lalagna dia mibaiko ny ologno araiky mbala velogno koa izy? 2 Fao ny vaïavy zay manambbady dia voarôhin'ny lalagna amin'ny vadiny raha mbala velo;gno izy, fao koa maty lay vadiny, dia afaka amin'ny alalan'ny fanambadigna izy. 3 Noho zany, koa mbala velogno ny vadiny, raha saindra kay miaraka amin'ny lalahy hafa izy, dia hantsovigny hoe mpijangajanga izy. Fao koa maty lay vadinyj, dia afaka amin'ny lalagna izy, kay tsy mpijangajanga izy raha saindra kay miaraka amin'ny lalahy hafa. 4 Noho zany, oa rahalahiky, dia natao maty tamin'ny lalagna foagna koa areo tamin'ny alalan'ny taignan'i Kristy. Natao zany mbo hitambaranareo amin'ny hfa, zany hoe, amin'Izy zay natsangagna tamin'ny maty, hafahantsika mamokatra voa tsara ho an-Jagnahary. 5 Fao tamintsika tao amin'ny nôfotro, ro filagnan'ny fahotagna, zay nihitsehin'ny lalagna, dia niasa tao amin'ireo rantsantsika mbo hamokatra voa hoan'ny fahafataisaigna. 6 Fao avaïzo dia nalagna tamin'ny lalagna atsika. Maty tamin'n lay namehy atsika atsika. Zany dia mbo hafahantsika manompo amin'ny havaozam-pagnahy, fao tsy amin'ny fahantairan'ny soratra. 7 Ino ary no hikoragnintsika? Ny lalagna lasiteny moa fahotagna? Tsy hoïsy lasiteny zany. Kanaifa, tsy ho nahay ny fahotagna lasiteny zaho, koa tsy tamin'ny alalan'ny lalagna zany.Fao tsy ho nahay ny fagniriagna zaho koa tsy nivolagna lalagna hoe: "Aza magniry." 8 Faonala-pôtotro tamin'ny didy ny fahotagna kay nahomby ny fagniriagna jiaby ato aminaha. Izikoa tsisy ny lalagna, dia maty ny ota. 9 Taloha zaho dia velogno tsisy lalagna, fao koafa niboaka ny didy, dia velogno indraiky ny ota, kay maty zaho. 10 Ny didy zay tôkony handay fiainagna no nitsimbadiky ho fahafataisagna ho nihinaha. 11 Fao ny fahotagna dia nala-pôtotro tamin'ny alalan'ny didy kay navandy zaho. Tamin'ny alalan'ny didy no namoany zaho. 12 Noho zany ny lalagna dia masigny, ary ny didy dia masigny, marigny, aveo tsara. 13 Koa moa ve nivadiky fahafataisagna aminahy zay tsara? Tsy hoïsy lesiteny zany. Fao ny ota, mbo hafahany hiboaka ho fahotagna amin'ny alalan'ny zay tsara, dia nitonga fahafataisagna taminaha. Zany dia mbo ho amin'ny alalan'ny didy, ny fahotagna dia mety hanjary taigna fahotagna tatô. 14 Fao haintsika fao ara-pagnahy ny lalagna, fao zaho avy amin'ny nôfotro. Afa navidy ho akao ambanin'ny fahandevozan'ny ota zaho. 15 Fao ny raha atako, dia tsy taigna azoko tsara. Satria zay tiàko atao, dia tsy atako, ary zay halako, dia atako. 16 Fao koa magnano zay tsy tiàko zaho, dia miombon-kevitry amin'ny lalagna fao tsara ny lalagna. 17 Fao avaïzo dia tsy zaho eky no magnano zany, fo ny fahotagna zay velogno ato agnatinaha. 18 Fao haiky fao akato aminaha, zay akato amin'ny nôfotronaha, dia tsisy raha tsara miaigny. Fao ny fagniriagna ny tsara dia akato aminaha, kanaifa tsy afaka magnano zany zaho. 19 Fao ny tsara zay tiàko dia tsy atako, fao ny ratsy zay tsy tiàko, no atako. 20 Ary koa magnano zay tsy tiàko atao zaho, dia tsy zaho eky no magnano zany, fao naifa ny fanotagna zay miaigny akato aminaha. 21 Ary, zaho dia nahita, ny fitsipiky akato aminaha fao te-hagnano zay tsara zaho, kanaifa ny ratsy no akato aminaha zao. 22 Fao miravoravo akao amin'ny lalagnan-Janahary zjo amin'ny fagnahy maha ologno. 23 Kanaifa mahita fitsipiky araiky hafa akao amin'ny mahakasiky ny haigninaha zaho. Izany dia miady amin,ny zany fitsipiky vaovao akao antsaignihana zany. Mitagna zaho ho andevon'ny fitsipiky ny fahotagna zay akao amin'ny mahakasiky ny haigninaha zany. 24 Ologno mijaly zaho! Zôvy no hamonjy zaho amitôho haignin'ny fahafataisagna tô? 25 Fao isaoragna Zagnahary amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika! Noho zany, zaho vokany dia manompo ny lalagna n-Jagnahary amin'ny saignenaha.Na dia zany aby, mdia manompo ny fitsipikin'ny fahotagna amin'ny nôfotro zaho.