Toko faha 4

1 Avy aiza moa naviany reo ady sindraiky reo tsy fankazahoagna akeo aminareo? Zany moa tsy avy amin'ny fagniriagnanareo lehy miady amin'ny mpikambagna akeo agnivonareo? 2 Magniry areo naifa tsy managna. Mamono sy magniry areo, naifa tsy afaka ny ahazo. miady aveo mimalo areo. Tsy managna areo satria tsy mangaho. 3 Mangaho areo naifa tsy mahazo satria ratsy fangahoagna, mbô hahavitanareo zany ho amin'ny fagniriagnanareo. 4 Areo zay Mpijangajanga! Kay tsy hainareo moa fa ny finamanagna amin'ny tô tany tô dia fampirafaisagna manohitry zagnahary? Kay na zovy na zovy tiho sakaizany tany tô dia magnano haignianazy ho fahavalon-jagnahary. 5 Sa areo moa mieritreritry fa ny sôratra masigny mivôlagna raha foagna hoe: "Ny totry lehy nitsabony niaigny tao amintsika dia sarôtondraha loatra"? 6 Fa zagnahary magnomia fahasoavagna fôtry kokoa, noho zany dia nivôlagna soratra masigny hoe: "Zagnahary manohitry ny mpiraiharaiha, fa magnomia fahasoavagna ny mpanetry taigna" Ky magnikia zagnahary. 7 Sohero ny masantôko, kay hilaifa areo izy. 8 Magnatôgna zagnahary, dia hagnatogno areo izy. Sasao ny tagnagna areo, areo mpagnano raha tsy manjary, aveo sasao ny fônareo, zay mpiroa saigny. 9 Malahelôva, mandalà aveo mitomoagniza , aoka ny famohaizagnareo hody fitomagniagna, avakeo haravoagnanareo ho havigniragna. Manitria taigna akeo agnatraihan'ny Tômpo, dia hampakatra anao Izy. 11 Aza mifagnaratsy areo, ry rahalahy. Ny ôlogno lehy magnaratsy ny rahalahiny na mitsra ny rahalahiny dia manohitry ny lalàgna aveo mitsara ny lalàgna. Raha mitsara lalàgna areo, dia tsy mankamarigny ny lalàgna avakeo mitsara. 12 Araiky fôgna afaka magnomia lalàgna sindraiky mitsara. Izy lehy araiky afaka mamonjy sindraiky mandravagna. Zôvy moa anao, kay mitsara ny namanao? 13 Kay mitandrignaisa, areo lehy mivôlagna hoe: "Niany na amaraigny hitsôfotro amin'ny tô tanàgna tô atsika, hibidôko hirintaogna agny, hagnano varotro, avakeo halaka tômbony." 14 Zôvy moa mahay raha hiboaka amaraigny, aveo ino ny fiainagnareo? Fa rondro miboaka malaky areo aveo dia tsy hita. 15 Kanaifa, tôkony hivôlagna areo hoe: "Raha fagniriagnany tômpo, dia ho velogno atsika aveo hagnano atô na hagnano agny." 16 Fa avaizo areo dia mivôhavôha amin'ny reo tetiky mipoairapoaira. Ny firaiharaihagna jiaby tôrotro zany dia ratsy. 17 Kay ho an'ny lehy jiaby mahay magnano tsara naifa tsy magnano zany, dia heloko hoanazy zany.