Toko faha 3

1 Tsy ologno maro no tôkony hanjary mpagnanatra, ry rahalahiky.Haintsika fao hahazo fitsaragna mafimafy atsika. 2 Fao atsika jiaby dia tafintôhigny amin'ny fomba maro. Koa misy tsy tafintôhigny amin'ny regny volagna, dia lalahy matotro tantairaka izy, afaka mamehy na dia ny taignanazy jiaby aby. 3 Ary koa atantsika lamboridy eo am-bavan'ny regny savaly mbo hagnikaihan-jareo atsika, dia afaka mitonga ny vatagnan-jareo jiaby koa atsika. 4 Mbo zahavo koa fao regny sambo, na dia gaida aby aza izy regny ary ndesin'ny rivotro mafy, dia voahaolakan'ny fagnolahagna taigna madiniky agny amin'ny ze jiaby tiàn'ny mpagnamory. 5 Mitôvy zany koa laila dia rantsagna madiniky amin'ny vatagna, kanaifa izy dia mihambo raha maro. Mbô zahavo koa ny hahilaizan'ny môtro zay magnoro hatihiala. 6 Ny laila ndraiky koa dia môtro, tranom-pahotagna napaitraka teo amin'ny ratsam-batantsika. Zany dia mampisy petipentigny ny vatagna jiaby ave magnoro ny lalam-piainagna. Ampirihetin'ny helo ny taignanazy. 7 Fao ny karazam-bibidia jiaby, vorogno, biby mandady, ave zava-boarin-dranomasigny dia faolaka avake nifolahin'ny olombelogno. 8 Fao momban'ny laila, tsisy ôlogno mahaifa mamaolaka zany. Zy dia ratsy tsy hay fihezigny, feno poizigny mahafaty. 9 Amin'io no hiderantsika ny Tompo ndraiky Baba, ary amin'io no hagnozaognantsika ôlogno, lehy natao mitôvy tamin-Jagnahary. 10 Avy amin-jany vava zany no hiboahan'ny fitahiagna ndraiky fagnozaognagna. Ry rahalahiky, tsy tôkony hiboaka reo raha reo. 11 Zy moa lôharano magnaboaka rano mamy ndraiky mafaiky avy amin'ny fiboahany? 12 Zy moa kakazon'ny aviavy, ry rahalahiky, mamoa oliva? Na ny voaloboka, mamoa aviavy? Ny rano masigny koa tsy afaka hagnamia rano mamy. 13 Zôvy no misy fagnahy sady mahay eo agnivonareo? Ambilao ôlogno zany hagnaboaka fiainagna tsara amin'ny asanazy amin'ny fanetrentaignan'ny fahendrena. 14 Fao raha managna fialaonagna mangidy areo, ary fanirian-daza ao am-pônareo, dia aza miambo na mavandy manohitry ny marigny. 15 Zany dia tsy fahendrena lehy nilatsaka avy agny ambony. Fao naifa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-pagnahy, ny masantôko zany. 16 Fao agny amin'ny lehy misy fialaonagna ndraiky fanirian-daza, dia misy fifanjevona ndraiky fanaovagna ny ratsy jiaby. 17 Fao ny fahendrena avy agny ambony dia madio alohaka, avy eo feno fiadanagna, malemy fagnahy, mihevitry ny hafa, feno famindram-pô ndraiky vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra. 18 Ny vokatry ny fahamarignagna dia voafafy ampiadanagna eo agnivon-jareo zay mampihavagna.