Toko faha 2

1 Oa rahalahiky, aza mitagna ny finoagna an'i Tompontsika Jesôsy Kristy Tompontsika, lehy Tompon'ny vogninahitry, amin'ny fiangaragna amin'ny ôlogno sasany. 2 Ataovo hoe misy ôlogno mitsôfotro ao amin'ny fivoriagna magnano peratra volamena, ndraiky ankanjo tsara, ary misy lalahy mijaly koa mitsôfotro magnano lamba maloto. 3 Raha mizaha lehy ôlogno magnano lamba tsara anao key mivolagna hoe: Azafady mantaira eto amin'ny toeragna tsara," fa hivolagna amin'lehy lalahy mijaly ndraiky anao hoe: "Mitsangàna anao aroho, na hoe: Mantaira eketo antongotro," 4 Moa tssy mifampitsara aminareo areo? Moa tsy lasa mpitsara amin'ny eritreri-dratsy areo? 5 Mitandrignaisa, ry rahalahiko tiako, tsy afa nifidin-Jagnahary moa ny mijalin'izao tontolo izao mbô hanankariagna amin'ny finoagna aveo mbô ho biaka ho mpandaova ny fajakagna zay nampanantenainy zareo zay tia Azy? 6 Fao areo dia nagnala baraka ny mijaly! moa tsy ny mpanankariagna moa no mampijaly areo? Moa tsy reo moa no mitariky areo hoe amin'ny fitsaragna? 7 Moa tsy zareo moa no naggnaratsy ny agnaragna tsara zay nihinareo? 8 Na zany ndraiky, raha magnatantairaka ny lalàgmany mpanjaka areo, araka ny Soratra Masigny hoe: "Tiavo ny namanao mitôvy amin'ny vatagnao," dia magnano ny tsara areo. 9 Fao raha magnamia sitraka ny ôlogno sasany ndraiky areo, dia manota, kay voaheloko mitovy ny mpandika lalàgna. 10 Fa na zôvy na zôvy mankatô ny lalàgna jiaby, kanaifa lavo amin'ny lalàgna araiky fogna, dia ho meloko amin'ny lalàgna jiaby. 11 Fa lehy nivolagna hoe: "Aza mijangajagna," dia nivolagna koa hoe "Aza mamono ôlogno." Raha tsy mijangajanga areo, kanaifa mamono ôlogno, dia lasa mpadika lalàgna. 12 Noho zany mivolàgna aveo manaova hotra zareo zay ho tsaraigny amin'ny lalàgna'ny fahafahagna. 13 Fa ny fitsaràgna dia avy tsy misy famindram-po amin'zareo tsy naharegny famindram-po. Ary ny famindrm-po dia mandresy ny fitsaragna. 14 Ino no tsara, ry rahalahiko, raha mivolagna ny ôlogno araiky fa manampinoagna izy, kanaifa tsy misy asa? Afaka magnavotro azy moa zany finoagna zany? 15 Ataovo hoe misy rahalahy na rôkovavy ratsy fisikinagna ndraiky tsy ampy hanigny isan'andro. Ataovo hoe: 16 "Ataovo hoe misy araiky aminareo mivolagna amin'ny zareo hoe: "Mandihiàna am-piadanagna, manaova mafana aveo mivokisa." Raha tsy magnamia azy reo ny raha ilainy ho an'ny vatagna areo, ino moa mahatsara zany? 17 Dia mitôvy zany koa ny finoagna, raha tsy misy asa zany, dia maty 18 Nefa mety misy ôlogno mivolagna hoe: "Manam-pinoagna anao, ary zaho managna asa." Aboaho zaho ny finoagnanao tsisy asa, dia haboakako anao koa ny fin oagnanaha amin'ny alalan'ny asako. 19 Anao ndraiky mageky fao araiky fogna ny Zagnahary, tsara zany ataonao zany. Fao na reo masantôko aby magneky zany, kay dia matahotra zareo. 20 Tianareo ho hay moa, ry lalahy laifaka, fao ny finoagnaa tsisy asa dia tsisy ilagna azy? [Fanamarihagna: Ny dikan-teny talaoha sasany dia mamaky hoe: "Tianaoreo ho hay moa, ry lalahy laifaka, hoe nagnino ny finoagna tsisy asa no maty?"] 21 Tsy tamin'ny asa koa moa no nagnamarinagan an'i Abrahama babantsika koafa nanôltro an'i Isaka zanany lalahy teo amin'ny alitara izy? 22 Hitanao fao finoagna dia niasa niaraka tamin'ny asany, ary amin'ny asa dia nivoatra tanteraka ny finoagnany. 23 Dia tanteraka ny Soratra Masigy zay magnano hoe: "Abrahama nino Zagnahary, kay nisaigny taminy ho fahamarinagna zany," aveo izy nantsôvigny hoe kômaradin-Jagnahary. 24 Hitanareo zao fa amin'ny asa no hanamarinagna ny ôlogno, fao tsy amin'ny finoagna fogna. 25 Mitôvy amin'ny zany koa, Rahaba mpivaro-taigna tsy nohamarinigny tamin'ny asa koa moa izy, koafa nandray reo iraka ndraiky nagnandaifa zareo tamin'ny làlagna hafa? 26 Fa maty ny vatagna raha misaraka amin'ny fagnahy, dia mitôvy amin'ny zany koa, ny finoagna tsisy asa dia maty.