Toko faha 5

1 Aviatô, areo lehy manan-kariagna, mitomoagnia aveo mihaikiaikià noho ny reo fahoriagna homby amireo. 2 Ny hariagnanareo afa lô, aveo ny fitafiagnanareo afa lanin'ny kalalao. 3 Ny vôlamainanareo sindraiky vôlafôtsinareo dia afa harefisigny. Ny harefesigny dia tomoa hagnambaragna areo. Hagnoro ny fônareo tôrotro motro zany. Nakajinareo ny hariazgnanareo ho amin'ny reo andro farany. 4 Tô, karaman'ny reo mpiasa dia mitaraigny ny karama lehy nitananareo tsy ho an'ny reo lehy mpamokatra ny sahanareo, avakeo reo fitaraignan'ny reo mpamboly afa homby agny amin'ny Tômpon'ny maro. 5 Niaigny tamin'ny hariagna teto an-tany areo avakeo nagnairam-pô tamin'ny haigninareo. Nigidazinareo ny fônareo mba ho agny amin'ny andro famonoagna. 6 Nagnameloka sindraiky namono ôlogno marigny areo. Tsy nanohitry areo izy. 7 Koa maharaita, ry rahalahy , papiky havian'ny Tômpo . Kay tô, ny mpamboly mandigny ny vaokatra tsara avy amin'ny tany. Mandigny ami-paharaitagna zany izy, papiky ny hazaoagna zany ny voanaloahany sindraiky faran'ny oragna. 8 Areo, koa mbô, maharaita. Hamafiso ny fônareo, satri afa marikitry ny fahavian'ny Tômpo. 9 Aza mifampitaraigny, ry rahalahy, mbô tsy hitsaraigny areo. Tô, ny mpitsara mitsangagna akeo an-tamiagna. 10 Malaka ohatra, ry rahalahy, avy amin'ny fijaliagna ndraiky faharaitagna reo mpagnazary, reo lehy nivôlagna tamin'ny agnaragna Tômpo. 11 Regny, atantsika karaha ny sambatra zareo lehy afa niaritry. Afa regninareo ny fiaraitan'i Joba, avakeo hainareo fikasagnany Tômpo, ny maha-feno fangorahagna ndraiky famindram-pô Azy. 12 Fa agnambon'ny raha jiaby, ry rahalahiko, aza mifanta, na amin'ny lagnitry na amin'ny tany, na mifanta amin'ny hafa. Fa naifa, aoka ny vôlagnareo hoe: "Ia" ho "Ia" aveo ny "Tsia" ho "Tsia," mbô tsy hitsôfotro amin'ny fitsaragna areo 13 Misy ôlogno moa aminareo sahiragna amin'ny andro sarotra? aoka izy hivavaka. Misy ôlogno ravoravo moa? Aoka izy hihira fideragna. 14 Misy marary moa akeo agnivonareo? Aoka izy hagnantso ny lôhologno ny fiangonagna, aveo aoka zareo hivavaka azy. Aoka zareo hagnôsotro menaka azy amin'ny agnaragna tômpo. 15 Ny fivavaka ny finoagna no hampahivagna lehy ôlogno marary, avakeo ny Tômpo hampitsangagna azy. Raha nanota izy, dia hamôtotro azy zagnahary. 16 Kay mifagnikia heloka areo, avakeo mifampivavaha, mbô hahivagna areo. Ny vavaka ataon'ny ôlogno marigny dia bahery matanjaka amin'ny fiasany. 17 Elia dia lalahy tôrotro atsika fôgna. Nivavaka mafy izy mbô tsy hilatsahan'ny ranon'ôragna aveo tsy nilatsaka tamin'ny tany nandrity ny telo tagno sy enim-bôlagna zany. 18 Aviteo nivavaka ndraiky Elia. Ny lagnitra dia nagnomia ranon'ôragna, aveo ny tany namoa ny vokany. 19 Oa rahalahiky, izy koa misy akeo aminareo mitsipaka amin'ny fahamarignagna, aveo misy araiky magnampôdy azy, 20 dia tôkony ho hain'io ôlogno io fa na zôvy na zôvy mangala ny mpanota araiky amin'ny lalagna diso hagnavotro azy amin'ny fahafataisagna, aveo hanarogno fahontagno fôntry.