Toko faha 4

1 Mivolagna zaho fa ny mpandova, raha mbola zaza izy, dia tsy hafa amin'ny andevo, na dia tompon'ny raha jiaby aby. 2 Kanaifa izy dia eo ambany fifehezan-jareo mpiambigny ndraiky reo mpikajy zava-tsarobidy, mandrapahatongan'ny daty zay napetraka ny babany. 3 Kay mitôvy zany koa, fony mbôla zaza, dia nandevozin'reo lalàgna fitsipi-piannaran'izao tontolo zao. 4 Fao koafa avy ny fahafinoagnany fotoagna, dia nagnandaifa Zanany Zagnahary, zay nateram-baiavy, natairaka tao ambanin'ny lalàgna. 5 Nagnano zany Izy mbô hagnavotagna reo zay ambanin'ny lalàgna, mbô hahafantsika mandray ny fananganagna ho zanaka. 6 Ary satria zanaka areo, dia nirahin-Jagnahary ho ao am-pontsika ny Fagnahin'ny Zanany, zay magnantso hoe: "Aba, Baba." 7 Noho zany, tsy andevo eky anao, fa zanaka, ary raha zanaka, dia mpandova amin'ny alalan-Jagnahary ihany koa anao. 8 Fa tamin'ny zany fotoagna zany, fony areo tsy nahay an-Jagnahary, dia natao ho andevon'reo zay, amin'ny hery voajagnahary, dia tsy zagnahary nany hely. 9 Fa amin'zao areo dia lasa nahalala Zagnahary, na koa hoe hain-jagnahary areo, kay nagnino no himpodiannanreo amin'ny abidim-piannaragna malemy salakady tsisy dikany? Tihy ho andevo ndraiky moa areo? 10 Mandiniky ireo andro ndraiky reo volagna aveo reo vanim-potoagna ndraiky reo tagno areo! 11 Matahotra ny aminareo zaho, fao tsaha be ho zava-poagna ny asanaha teo aminareo. 12 Miangavy areo zaho, ry rahalahy, magnanaova mitôvy zaho, satria zaho fogna koa dia afa lasa mitôvy areo. Tsy nagnano ratsy taminaha areo. 13 Kanaifa hainareo fao nohony areti-batako no nagnambarako areo ny vaovao mahafaly tamin'ny voalohany. 14 Na dia nitondra areo tamin'ny fakam-pagnahy aby ny toe-batako, dia tsy nagnano tsinotsinona na nagniliky zaho areo. Fa niraisin-jareo mitôvy ny hoe anjeli-Jagnahary foagna zaho, mitôvy ny hoe zaho fogna no kristy Jesôsy. 15 Aiza, amin-jany, ny fahasoavagna nareo amizao? Fa mijoro vavolombelogno aminareo zaho fao, raha azonareo atao, dia nalainareo ny masonareo ary namianareo zaho zany. 16 Kay amin'ny zany, afa nanjary fahavalonareo moa zaho satria mivolagna aminareo ny marigny? 17 Izy reo dia mazôto ny hitagnon areo, fao tsy amin'ny tsara. Tihagnidy areo agny ambelany zareo, mbô hanagnanareo zôtom-po ho an-jareo. 18 Tsara foagna ny managna zôto-po amin'ny tanjogno tsara, ary tsy refa miaraka aminareo fogna zaho. 19 Oanzanako, mbôla mijaly amin'ny fahavaivan'ny fitirahagna ho areo ndraiky zaho mandra-piforognan'i Kristy ao aminareo. 20 Magniry zaho mbô ho afaka miaraka aminareo amizao ary hagnaova ny feo naha, satria mijaly saigny noho ny aminareo zaho. 21 Vilagno aminaha, areo zay magniry ny ho eo ambanin'ny lalàgna, moa tsy mitandregny ny lalàgna moa areo? 22 Satria voasoratra fa i Abrahama dia nanagna zanaka roa lahy, ny araiky avy amin'ny andevo vaiavy, ary ny araiky avy amin'ny vaiavy afaka. 23 Fa ny araiky dia natairaka ny andevo vaiavy araka ny nôfotro, fa lehy araiky hafa dia nateraka ny vaiavy tamin'ny volagna fampanantenagna. 24 Reo raha reo dia azo alaigny mitôvy amin'ny fagnoragna, satria reo vaiavy reo dia magnambara fanikiagna aroa. Ny araiky amin-jareo dia avy amin'ny tampotanetin'i Sinay ary nitairaka zaza zay andevo izy. Izy io dia i Hagara. 25 Ary Hagara dia magnambara ny tampotanetin'i Snay agny Arabia; aveo maganmbara an'i jerosalema amin'ny zao fotoagna zao, satria nandevozigny niaraka tamin-jareo izy. 26 Fa i Jerosalema zay agny ambony dia afaka, ary izy no Ninintsika. 27 Satria voasotra hoe: "Miravoa, anao ry zay tsy miteraka. Magnantsomagnatsoa mafy aveo magnanaova haiky haravoagna, anao zay tsy mijaly amin'ny fanaintanagnan'ny fitirahagna. Satria reo zanaka ny vaiavy zay nafó dia maro noho ny zareo vaiavy manam-bady." 28 Fa areo, ry rahalahy, mitôvy amin'i Isaka, dia zanaky ny fampanantenagna. 29 Tamin'ny zany fotoagna zany, ny ôlogno zay tairaka araka ny nôfotro dia nagnejiky zay tairaka araka ny Fagnahy. Mitôvy zany koa avaizo. 30 Kanaifa ino no ambaran'ny Soratra Masigny?" Alifaso agny ny andevo vaiavy sy ndraiky zanany lalahy. Fa ny zanaka lalahin'ny andevo vaiavy dia tsy hizara lova miaraka amin'ny zanaka lalahin'ny vaiavy afaka." 31 Noho zany, ry rahalahy, tsy zanaky ny andevo vaiavy atsika, fao zanaky vaiavy afaka.