Toko faha 5

1 Ho amin'ny fahafahagna no nagnafahan'i Kristy atsika. Mioraigna tsara, noho zany, aza mety ho ambanin'ny zogan'ny fagnandevozagna ndraiky. 2 Tô, zaho, Paoly, mivolagna aminareo fao raha magnambaila ny taignanareo ho foràgna areo, dia tsy hahatsara areo amin'ny fomba jiaby Kristy. 3 Mijoroa vavolombelogno amin'ny ôlogno tseraikiraiky zay magnambela ny taignany ho voafaora ndraiky zaho fao voatery hagnaraka ny lalàgna jiaby izy. 4 Tafisaraka tamin'i Kristy areo, zay te-hohamarignigny amin'ny lalàgna; avy eo tsy miaigny amin'ny fahasoavagna eky areo. 5 Fao amin'ny alalan'ny Fagnahy, amin'ny finoagna, no handigniasantsik fatatra ny fanantenagna ny fahamarinagna. 6 Ao amin'ny Kisty Jesôsy dia tsy midika na ino na ino na voafaora na tsy voafaora, fao ny finoagna miasa amin'ny fitiavagna faogna. 7 Fao nihazakazaka tsara areo. Zôvy no nanakagna areo amin'ny fankatoavagna ny marigny? 8 Zany fandresian-dahatra zany dia tsy avy aminy lehy nagnantso areo. 9 Levira hely no mampitômbo ny koba jiaby. 10 Fao matoky ny Tompo zaho fao tsy handray vilagna areo. Fao ny araiky zay mampikorontagna areo no hagnaifa ny sazy, na zôvy izy na zôvy. 11 ô rahalahy, raha mbala mitory ny amin,ny famoragna zaho, nagnino zaho no mbala hinjehigny? Amin'ny zany dia tegna hoafaka ny fahatafintohinan'ny hazo fijaliagna. 12 Fao ho an'ny regny zay magnakorontagna areo, tagniniako mbô hanapaka ny taignanazy zareo! 13 Fao nantsovigny ho amin'ny fahafahagna areo, ry rahalahy. Naifa aza ampisaigny ho iraka amin'ny filagnan'ny nôfotro ny fahafahagnareo; fao naifa, amin'ny alalan'ny fitiavagna dia mifanompoà. 14 Fao ny lalàgna jiaby dia tantairaka amin'ny didy araiky; akao amin'ny hoe: " Tsy maintsy mitià ny namanao tôrotro ny taignanao anao." 15 Fao raha mifagnekitry ndraiky mifampihinagna areo, dia mitandraima tsaha hifamono. 16 Fao hoy zaho, mandihiana araka ny Fagnahy dia tsy hahatantairaka zay filagnan'ny nôfotro areo. 17 Fao manohitry ny Fagnahy ny filagnan'ny nofotro, ary manohitry ny filagnan'ny nôfotro ny fagniriagnan'ny Fagnahy. Fao mifanohitry zareo, mbô tsy hahafahanareo magnano zay raha tiànareo. 18 Fao raha tarihin'ny Fagnahy areo dia tsy ho ambanin'ny lalàgna. 19 Avaïzo dia mihiarihiary ny asan'ny filagnan'ny nôfotro: fijangajangagna, fahalotoagna, fitiratiragna, 20 fanompoan- tsampy, famosaviagna, fankahalagna, fifandiragna, faraha, fiboahan'ny fahavigniragna, fifandrafiagna, fisaraham-bazagna, fisaratsarahagna, 21 fialaognagna, fahamamoagna, fagnakorontagnagna, ary ny raha mitôvy amin'ny zany. Mampitandrigny areo zaho, karaha ny afa nampitandraimako areo taloha, fao tsy handaova ny fanjakagnan-Jagnahary reo zay mampihiatra reo raha reo. 22 Fao ny vokatry ny Fagnahy dia fitiavagna, firavoagna, fiadanagna, faharaitagna, fahatsaram-pagnahy, fanaovagna raha tsara, finoagna, 23 fahalemiam-pagnahy, ary fahafehezan-taigna; tsisy lalàgna manohitry raha tôrotro zany. 24 Reo zay nihin'ny Kristy Jesôsy dia afa nagnombo ny toaitra feno fahotagna niaraka tamin'ny fahafinaretany ndraiky ny filagnany. 25 Raha miaigny amin'ny Fagnahy atsika, aoka handaiha amin'ny Fagnahy faogna koa. 26 Aoka atsika tsy hanjary mpipoairapoaira. mifandrangitry, ary mifampialogno.