Toko faha 3

1 Oa Galatianina laifaka! Azovy moa mamosavy areo? Tankilanareo lasiteny no nagnaboahagna an'i Jesôsy Kristy voahombo. 2 Tô foagna no raha tiàko ianaragna aminareo: Nalaka ny Fagnahy tamin'ny asan'ny lalagna sa tamin'ny finoagna zay regninareo areo? 3 Laifaka tatôbe moa areo? Nantomboko tamin'ny Fagnahy areo, dia hifaragna amin'ny nôfotro koa avaïzo? 4 Moa niaritry raha maro tamin'ny tsisy dikany moa areo fao raha taigna zava-poagna tatôbe ary zany? 5 Izio moa izy zay magnamia ny Fagnahy areo ndraiky magnano asa mahagaga taminareo dia magnano zany amin'ny asan'ny lalagna, sa amin'ny fitandrignaisagna amin'ny finoagna? 6 Tôrotro an'i Abrahama "nankatô an-Jagnahary ndraiky nandiniky ho fahamarignany zany," 7 dia tôrotro zany, haiky, fao zareo zay amin'ny finoagna dia zanak'i Abrahama. 8 Ny Soratra Masigny, nahita talôha fao Zagnahary hagnamarigny zareo jentilisa amin'ny finoagna, dia nitôry ny vàvà maharavoravo talôha tamin'i Abrahama, nivolagna hoe: "Avy aminao no hitahiagna ny firenena jiaby." 9 Koa, zareo zay amin'ny finoagna dia vôtahy miaraka amin'ny Abrahama, lay olognon,ny finoagana. 10 Zareo zay miankigny amin'ny asan'ny lalagna dia eo ambanin'ny ozogno; fao voasoratra hoe: "Voahozogno zay jiaby tsy magneky ny raha jiaby voasoratra ao agnatin'ny bokin'ny lalagna, ndraiky magnano regny." 11 Avaïzo dia mazava fao tsisy ologno zay hamarignigny akeo agnatraihan-Jagnahary amin'ny alalan'ny lalagna, satria ny marigny dia ho velogno amin'ny finoagna. 12 Fao ny lalagna dia tsy araka ny finoagna, fao naifa, " Ny ologno zay magnano ny asan'ny lalagna dia tsy maintsy velogno amin-jareo." 13 Kristy nagnavotro atsika tamin'ny ozognon'ny lalàgna tamin'nynatongavany ho ozogno ho nihintsika- fao voasoratra hoe: "Vohozogno zay jiaby mihantogno amin'ny kakazo"- 14 mba ho homby amin'ny jentilisa ny fitahian'i Abrahama ao amin'ny Kristy Jesôsy, mbo ho amin'ny finoagna no ahazahoantsika lay fampanantenagnan'ny Fagnahy. 15 Oa rahalahiky, ambilao zaho hivolagna araka ny fatan'ologno. Akao amin'ny fifagnarahagna atan'ny ologno, tsisy afaka magnafoagna na magnampy zay akao, koafa tafapaitraky ny lalagna zany. 16 Ary reo fampanantenagna dia nambara tamin'i Abrahama ndraiky tamin-jareo taminganazy. Tsy nagnambara zany hoe: "ho an'ny taminga," manôndro ologno maro, fao naifa ologno araiky foagna, "ho an'ny taminganao," dia i Kristy. 17 Ary zao no tiàko hambara: "Ny lalagna, zay tonga telo-polo sy efa-jato tagno tato afara, dia tsy hahafoagna ny fagnikiagna zay afa napaitra-Jagnahay talôhaka. 18 Fao raha avy amin'ny lalagna ny lôva, dia tsy avy amin'ny fampanantenagna eky zany. Fao Zagnahary magnamia zany an'i Abrahama tamin'ny alalan'ny fampanantenagna. 19 Ino, ary, ny tanjon'ny lalagna? Nasiagna zany noho reo fandikian-dalagna, mandra-pahavian'ny tamingan'i Abrahama akeo amin'ny zay nanaovagna ny ny fampanantenagna. Ny lalagna dia natan'ny mpagnano lalagna araiky ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely. 20 Fao ny mpagnano lalagna dia midika ologno mihoatra ny araiky, kanaifa Zagnahary dia araiky. 21 Izio moa ny lalagna manohitry reo fampanantenagnan-Jagnahary? Sagnatria zany! Fao koa nisy lalagna namegny zay afaka magnamia fiainagana, dia avy tamin'ny lalagna tatôbe ny fahamarinagna. 22 Fao ny Soratra Masigny nangadra ny raha jiaby ambanin'ny fahotgna. Nagnano zany Zagnahary mbo hagnomiazagna ho an-jareo mankatô ny fampanantenagna ny hagnavotagna atsika amin'ny alalan'ny finoagna an'i Jesôsy Kristy. 23 Ary talôhakan'ny ny nahavian'ny finoagna, atsika dia nitanagna ho andevo tao ambanin'ny lalagna, nigadragna mandra-pisehon'ny finoagna. 24 Koa avy eo ny lalagna dia manjary mpiambigny atsika nandr-piavin'i Kristy, mbo ho voamarigny amin'ny finoagna atsika. 25 Fao zao dia homby zany finoagna zany, kay tsy akeo ambanin'ny mpiambigny eky atsika. 26 Fao areo jiaby dia zana-Jagnahary akao amin'ny finoagna an'i Kristy Jesôsy. 27 Fao maro aminareo zay natao batisa tao amin'i Kristy, no nangala an'i Kristy. 28 Ary tsisy eky na Jiosy na Grika, na andevo na ologno afaka, na lalahy na vaïavy, fao araiky fogna areo ao amin'ny Kristy. 29 Koa raha an'i Kristy areo, dia tamingan'i Abrahama, ndraiky mpandôva araka ny fampanantenagna areo.