toko faha 2
1
Androany gne momba gnè fiavian'i Jesosy Kristy Tompotsika sy gne nandagnona antsika iaraky aminazy: magnotany anareo iahay, sa rahalahy,
2
mba tsy ho mora rebirebe na hangitakitaky anareo, na amè fagnà, na amè gnafatry, na amè taratasy izay mitovy amè hoe ho avy aminay, nohon' gne vokatrin' gne fiavian'iza andron' ny Tompo za.
3
Ka avela hisy olo hagnambaka anareo na ame fomba akognaia. Fa tsy ho avy izà raha tsy afaran'gne filavoa, ary gne lehilahy mpandika lalàna da ambara, gne zanak'gne fahavilavila. [Fanamarihana: ny dikan-teny taloha sasany da mivaky hoe: " gne lehilahy mpanota da habôky"].
4
Izy gne manda sy magnambony gne tegnany amin'izay rehetra angia hoe Andriamanitra na izay ivavaha. Vokatr'izany, da nidoboky tao amè tempolin'Andriamanitra izy ary magnambara e tegnany hitovy amè Andriamanitry.
5
Tsy tadidinareo mè mbola iao niaraka taminareo da efa nizaka io raha io?
6
Androany fantatrareo ino gne mità anazy, mba ibohany amè fotoa mety raiky avao.
7
Fa e zavatra afinin'gne fandikan-dalàna da efa miasa, fa misy olo raiky avao manda anazy amizao mandra-pagnala anazy tao amè lalàna.
8
Avy eo gne tena mpandika lalàgna da haboaky, izay hovonin'i Jesosy Tompo ame fofon'aigny gne vavany. Gne Zagnahary da hitonra anazy ame tsy misy dikany ame alalàn'e fiaviany.
9
Gne fiavian'e tena mpandika lalàgna noho gne asan'ny satana miaraky ame hery agnaby, gne famantara,ary gne fahagaga tsy marigny,
10
da miaraky ame fitaky agnaby, mikasiky gn'ame tsy fahamarigna. Io raha io da hoan'ireo zay very, satria indreo da tsy nangala e fitiavan'ny fahamarigna mba havoavonjy endro.
11
Noho izany antony izany da mandefa gne asan'e fahadisoangny Andriamanitra mba hinoandreo e vandy.
12
Vokatr'izany da hotsaray agnaby indreo, indreo izay tsy mino e fahamarinagny fa koa mangala fafinaretana ame tsy fahamarigna.
13
Fa iay da tokony magnome fisaora an'Andriamanitra fehizay ho andreo, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra gne nisafidy anareo mitovy ame voalohambokatry ho an'e famonje ame ame fahamasigna gne Fagnahy sy e finoan'e fahamarinana. [Fanamarihana: ny ny dikan-teny hafa da mivaky mitovy ame: " Fa Andriamanitra da nifidy enareo hatrame voalohany ho an'e famonje.]
14
Izany gne nangainy anareo tame alalan'e filazantsaranay mba ahazoanareo e voninahitr'i Jesosy Kristy Tompotsika.
15
Ka noho izany, sa rahalahy, mifahara mafy. Tazomy ireo fahamarina izay nampianarina anareo.Na tame zaka na tame taratasinay.
16
Androany aoka i Jesosy Kristy Tompontsika tegneny, da Andriamanitra Iabantsika izay tiantsika ka nagnome antsika fankahereza mandrakizay sy ny fahatokisana tsara hoan' e ho avy ame alalan'e fahasova,
17
hampahery ary agnampetraky e fonareo ame asa tsara agnaby sy e zaka.