1
Amizao, ry rahala, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitry gne zakany Tompo, da mitovy amizany evakoa gne aminareo.
2
Mivavaha mba ho afaky amindreo ratsy fagnahy sy olon-dratsy izahy,fa tsy gne rehetra no manam-pinoa.
3
Fa gne Tompo da mahampy, izay magnamafy orina sy miamby anareo ame ratsy.
4
Fa iahay matoky anareo ao amin'i Tompo, fa izay raha hafatraparany da efa ataonareo sady mbola ho ataonareo evakoa.
5
Fa gne Tompo anie hagnitsy lalana gne fonareo ho ame fitiavan'Andriamanitra sy ho ame faharetan'i Kristy.
6
Ka mandidy anareo iahay , ry rahalahy, amin'ny agnaran'ny Jesosy Kristy Tompotsika, ma hialanareo ame rahalahy agnaby izay tsy midoboky tsara ka tsy magnaraky gne fampianara nome izay noraisiny taminay.
7
Fa gne tegnanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay. Fa nitoetra tsara taminareo iahay.
8
Ary tsy mihina sakafon'olo tsy nahaloa vola iahay. Fa niasa andro amanaligny tame fikelezan'aina sy gne fisasaragny mba tsy hahavaky tratra na da kidikidy aminareo aza.
9
Tsy gne fanagnanay fahefa anefa, fa mba hatolotray anareo ho fianaranareo gne tegnanay.
10
Rehefa niaraky taminareo iahay, da nandidy anareo hoe : '' Raha misy iray tsy ta hiasa, da tsy tokony hihina izy.''
11
Fa renay fa misy gne sasany aminareo tsy midoboky tsara, ka tsy miasa avao, fa mivezivezy magnety gnan'olo.
12
Ka izay magnano anizà gne rashirashainay sy hagnarianay amin'i Jesosy Kristy Tompo mba hiasa tsara ame fiadanagny ka hihina gn'anazy evao.
13
Fa anareo, ry rahalahy, aza ketraky ame famboara soa.
14
Ka raha misy olo tsy magneky gne zakanay amin'io epistily io, ka amarigno izà olo izà, ka aza mikambagny aminazy esana hahamenatry anazy.
15
Nefa ka anihy fahavalo loatry izy, fa agnaro toy gne rahalahiny.
16
Fa gne tompon'ny gne fiadagna anie hanome anareo fiadagna mandrakariva ame zavatry rehetra. Ho aminareo rehetra anie nē ny Tompo.
17
Itiky gne veloma hataon'ny gne tagnako, iao Paoly, io gne famantara gne epistily rehetra. Izao gne soratro.
18
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompotsika.