Toko 1

1 I paoly, i Silasy ary i Timoty, ho agny ame fiangonan'ireo tesaloniana ao ame Zagnahary Iabantsika sy i Jesosy Kristy Tompotsika. 2 Ho aminareo gne fahasoava, sy gne fiadana avy ame Zagnahary Iabantsika sy i Jesosy Kristy Tompo. 3 Ihay da tokony hagnome fisaora an'Andriamanitry hoanareo fezay, rahalaha. Fa izany gne tsara amboary, satria tena mitombo fatratry gne finoanareo, ary gne fitiavanareo tsiraikiraiky da mitombo ame sasany. 4 Noho izany e tegnanay da mizaka am-pirehareha mikasiky anareo amireo fiangona e Zagnahary. Iahy da mizaka mikasiky gne faharetanareo sy gne finoanareo tamin'izay rehetra nagneze anareo. Mizaka gne momba gne fijalia izay neretanareo i ahay. 5 Izany da famantara gne fitsara marina ataon'e Zagnahary. Gne vokatr'izany da ho horaisy ho mendriky gne fanjakan'Andriamanitry izay nampijaly anareo. 6 Marigny ame Zagnahary gne hamaly gne fijalia gnolo nampijaly anareo, 7 ary homen'e zagnahary fiadana miaraka aminay ary gnolo izay niaraky nijaly taminay. Hoamboariny izany ame fibohan'i Jesosy Tompo avy an-dagnitry miaraka ame Anjelin'e herin'e Zagnahary. 8 Ame gnafo milelalela gnamboara gne valifaty amizay tsy mahafatatry gne zagnahary sy hoan'izay tsy mamaly gne filanjatsara i Jesosy Tompontsika. 9 Indreo da hijaly ame fagnasazian'e famaringaria mandrakizay lavitry gne fagnatrehan'i Tompo sy gne voninahitriny. 10 Hagnano enezany indreo raha avy gne andro hagnomeza gnolo voninahitry enazy sy higagan'izay rehetra nino enazy. Fa gne fijoroa vavolombelo nataondreo tamenareo da ninoa. 11 Noho izany,da mivavaky ho anareo i mandrakizay i ahay. Mivavaky i ahay mba ho mendriky gnoraisin'e ZAgnahary ame fiantsoa ianareo. Mivavaky i ahay mba ho tanterahany ame hery gne fagnirianareo gne raha tsara izy ame asan'e finoa rehetra. 12 Mivavaky an'ireo i ahay mba aminareo voninahitry gne agnaran'i Jesosy Tompontsika. Mivavaky iahy mba hagnomeza voninahitry anareo, nohon'e fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.