Toko faha 4

1 Noho izany, satria nijaly tamè nofo i Kristy, da amboaro fiadanan'gne tegnanareo izany tanjona izany. Fa izay nijaly agnaby tamy gne nofo da nijano tamè fahota. 2 Vokatr'izany, gn'olo mitovy am'izany, mandritry gne fotoa sisa hiaignany, da tsy hiaigny ho an'e fagnirian'olo esanaky, fa ho an'e sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay gne fotoa lasa nagnamboara izay tian'gne Jentilisa amboary-hafalian'e nofo,fijejojejoa, fimamoa, fitondran-tegna mahamegnatry, fihiran-dratsy, ary gn'asan'e fanompoan-tsapy mamparikoriko. 4 Heverindreo fa hafahafa satria tsy mikamba amindreo ao amizanyfagnaranam-po be izany enareo, noho izan da hizaka ratsy mikasiky enareo indreo. 5 Hamaly gne raiky izay vonogny hitsara gne velo sy gne maty indreo. 6 Noho izany antony zany gne gne nitoria gne vaovao mahafaly tamy gne maty evakoa, mba, ndre da notsaray tamy gne nofo akoy gn'olo indreo, da hiaigne mitovy an'Andriamnitra ao amè fagnahy. 7 Magnakeky gne faran'e rahà agnaby. Noho izany tongava say, ary mihonogna tegna amy gn'eritreritrareo ho an'ny fitiavam-bavaka. 8 Ambonin'e rahà agnaby, manà fitiava feno ho an' e tsirairaiky agnaby, fa gne fitiava maminy fahota maro. 9 Mifampiantragnoa tsy am-pitaraigny. 10 Fa gne tsiraikiraiky aminareo da nandray fagnamezam-pahasoava, ampiasao hifanompoa izany. Magnamboara izany akoy gne mpitan-draharahan'e fagnomezam-pahasoava maro tsy andovavam-bola an'Andriamanitra. 11 Raha misy mizaka, ôka izy hagnano izany akoy gne raiky mizaka gne zakan'Andriamanitra. Raha misy manompo, ôka izany ho avy amy gn'hery izay vatsian'Andriamanitra. Magnamboara enio rahà io mba homem-boninahitry amè gn'alalan'i Jesosy Kristy amy gne fomba agnaby Andriamanitra. Ôka ho an'i Jesosy Kristy gne voninahitry sy hery mandrakizay doria. Amena. 12 Ry malala, ka resinao ho hafahafa gne fitsapa amy gn'afo izay niboda taminareo, akoy gne nisy rahà hafahafa niboda taminareo. 13 Fa, ndre da maro gne hiaignanareo gne fijalian'i Kristy, mifalia, mba ho afaky hifaly evakoa enareo ary ho ravoravo amy gne fagnambara ny voninahitriny. 14 Raha notivativay noho gne agnaran'i Kristy enareo, da votahan'gne Fagnahan'e voninahitriny sy gne Fagnahan'Andriamanitra da mimpetraky ao aminareo. 15 Fa ôka tsy hisy ns ia na ia aminareo hijaly akoy gne mpamono olo, mpangalatry, mpagnano ratsy, na mpiraharaha gne an'ny gn'hafa. 16 Fa raha misy mijaly fa Kristiana, ôka izy tsy ho megnatry; fa, ôka hagnome voninahitry an'Andriamanitra amizany agnara zany izy. 17 Fa fotoa izao hanomboha gne fitsara miaraky amy gne havan'Andriamanitra. Raha manomboky amintsika izany , ino gne ho vokatry ho an'gne izay tsy magneky gne filazantsaran'Andriamanitra? 18 Ary raha " gn'olo-marigny saiky tsy ho vovonjy, amy gne fomba akoignaia gne hibodagna gn'olo tsy an'gn'Andriamanitra sy gne mpagnota?" 19 Noho izany ôko gne izay mijaly noho gne sitrapon'Andriamanitra hizaka gne fagnahandreo amy gne Mpamorogny matoky amy gne fagnamboaran-tsoa.