Toko faha 5

1 Magnanatry gne loholo aminareo iaho, izay loholo nama. Iao evakoa da vavolombolon'gne fijalian'i Kristy, ary mpikamba ao amè voninahitry izay efa haseho evakoa. 2 Noho izany, magnanatry anareo iaho, ry loholo, diaso gne ondrin' Andriamanitra izay eoaminareo. Araho maso izy iregne, tsy amè fahapitsapitsa, fa amy gne sitraponareo, araky gne sitrapon' Andriamanitra. Araho maso izy iregny, tsy amè vola maloto, fa an-tsitrapo. 3 Kamanjakazaka amè gn'olo izay tandremanareo. Fa, ôka ho fitaratry ho an'e gn'ondry. 4 Ary raha miboda gne loholon'gne mpiamby ondry, da hahazo satro-boninahitry tsy mety simba enareo. 5 Akoizany koa, enareo tanora fagnahy, magneke gn'olom-be. Enareo agnaby, iseo faendren-tegna gne tegnanareo ary mifanompoa. Fa Andriamanitra manohitry gne mpirehareha, fa magnome fahasoava gne mpanendry tegna. 6 Noho izany manendre tegna eo ambanin'e tagna-maherin'Andrimanitra mba hanandratany anareo amin'izany fotoa izany. 7 Apetray eo aminazy gne fagnahanareo agnaby, satria Izy gne magnampy enareo. 8 Mampihonogna tegna, membena, Gne fahavalonareo, da gne devoly, miodikody mitovy amè liona mierongero, mitadia izay olo ho aniny. 9 Toero izy. Mierongero amy gne finoanareo. Fantatrareo fa izany fahoria zany da mahavoa gne firesan'gne mpino magnera an'izao tontolo izao evakoa. 10 Rahà avy nijaly nandritry gne fotoa kidy enareo, gn'Andriamanitra gne fahsoava agnaby, izay nangaiky enareo ho amy gne voninatriny mandrakizay ao amin'i Kristy, da hahatanteraky enareo, hananga enareo, ary hampahery enareo. 11 Ho Anazy gne fanjaka mandrakizay. Amena. 12 Reso okoy gne rahalahy matoky i Silasy, ary nanoratry zaka kidikidy ho anareo tamy gn'alalny iaho. Magnanatry anareo iaho ary magnambara anareo fa izay nosoratako da fahasoava marin'andriamanitra. Mitsangana amizany. 13 Gne viavy izay agny Babylona, izay vofidy niaraky taminareo, magnano veloma anareo. Ary koa i Marka, zako lahy, magnano veloma anareo. 14 Mifamboara veloma amy gne koraolaham-pitiava. Ho aminareo agnaby gne fiadana izay ao amin'i Kristy.