Toko faha 3
1
Amizany fomba iazany, Enareo viavy da tokony hagneky gne vadinareo. Amboaro izany ndre da misy lalahy maro tsy magneky gne zaka, ary mety ho azo indreo na tsy misy gne zaka, amè gn'alalan' e fitondran-tegnan' e vadindreo.
2
Fa indreo da hahita gne fitondran-tegna mendrikareo am-pagnaja.
3
Ôka izany ho tanteraky tsy miaraky amindreo hengo ambadiky: tadi-volo, rojo volamena, na ankanjo lamody.
4
Fa, ôka izany ho tanteraky miaraka amin'izay ao am-pon'ny olo, sy gne hatsara maharitran' e fagnahy tsara sy tsy mizaka, izay sarobidy eo agnatrehan'Andriamanitra.
5
Fa gne viavy masina taloha gne nandrava gne tagnandreo akoizany. Nana fatokia an'Andriaminitra indreo ary nagneky gne vadiny avy.
6
Akoizany fomba zany gne nagneken'i Abrahama an'i Saraha sy nangiany enazy ho tompony. Enareo da zanany androany raha magnano izay tsara sy tsy matahotry olana enareo.
7
Akoizany koa, enareo lelahy da tokony miaigny miaraky amè vadinareo araky gne fahazavan-tsay, mitovy ame fanaka malemy, gne viavy. tokony omenareo voninahitra indreo akoy gne mpiara-mandova gne fagnomezan'ny fiaina. Amboaro izany mba tsy ho vobaha gne vavakareo.
8
Farany, enareo agnaby, ôka hiaraky say, hhalahelo, hifakatia mitovy amy gne mpirahalahy, ho tso-po, ary hanolo-tegna.
9
Ka mamaly ratsy gne ratsy na manivativa gne mpanivativa. Mifanahitra amizany, matahia avao, fa noho izany gne nangia anareo, mba hahafanareo mandova gne fitahia.
10
"Gne raiky izay te hakamamy gne fiaina sy te hahita andro tsara dia tokony hagnajano gne lelany amè ratsy sy gne molotrony amin'gne fizaka fitaky.
11
Ôka izy hiala amy gn'any hoe ratsy ary agnambotry izay tsara. Ôka izy hitadia fiadana sy hitaky izany.
12
Gne mason'ny Tompo mahita gne marigny, ary gnesofiny maharè gne fangatahandreo. Fa gne tarehin'ny Tompo da mandà gne magnano ratsy.
13
Ia gne raiky izay hamely anareo raha magniry gne hagnano gne tsara enareo?
14
Nefe raha mijaly nohon'gne fahamarigna enareo, da sambatry. Ka mataotry izay hatahorandreo. kA Mangorohoro.
15
Fa, atokano mitovy amy gne masina ao am-ponareo gne Tompo Kristy. Mivonogna avao hamaly gn'olo agnaby izay magnontany anareo gne antony hatokinareo an'Andriamanitra. Amboaro amin'gne halemem-pagnahy sy fagnaja izany.
16
Manà feon'ny fieritrereta madio mba gne olo izay manivativa gne fiaina tsaranareo ao amin' Kristy da mety megnatry satria mizaka manohitry enareo indreo akoy gne hoe mpagnano ratsy enareo.
17
Tsara, raha Andriamanitra gne magniry, fa mijaly enareo amy gne fagnamboara gne tsara nohon'gne fagnamboara gne ratsy.
18
Efa nijaly nohon'gne fahota evakoa i Kristy. Izy izay marigny da nijaly ho antsika, izay tsymarigny, mba hindesany antsika eo amin'Andriamanitra. Novonoy tamè nofo Izy, fa novelomin'e Fagnahy.
19
Tamè gn'alalan'gne Fagnahy, da nandeha izy ary nitory ho an'gne fagnahy izay agny am-ponja androany.
20
Tsy nagneky indreo raha nandigny gne faharetan'Andriamanitra tamè gn'andron'i Noa, tamè gn'andron'ny fanangana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy olo tsy ampy_fagnahy velo_tamy gne rano.
21
Izany gne famatara gne batisa izay mamonjy anareo androany_tsy mitovy amy gne fagnadiova gne loto ame gnay, fa akoy gne aiky gne feon'ny fieritrereta ho amin'Andriaminitra_tamy gn'alalan'ny fitsanganan'i Jesosy Kristy tamy gne maty.
22
Kristy da eo an-tagna ankavanan'andrimanitra. niakatry agne an-dagnitry izy.Gn'anjely, gne manam-pahefa, ary gne hery da tsy maintsy magneky Enazy.