Toko faha 2

1 Noho izany ario agnaby ratsy, gne fahadisoam-pagnantagna agnaby, gne fetsram-belatsihy, gne fagniria, ary gne fagnendrikendreha agnaby. 2 Akoy gne zaza voteraky, magiry ronono ara-pagnahy madio, mba hahafahanareo mitombo ao amin'e famonjea amy gn'alalan'izany, 3 raha nahatsapa enareo fa tsara fagnahy gne Tompo. 4 Magnato enazy gne vato velo izay narian'e gn'olo, fa vofidin'Andriamanitra ho manan-danja Aminazy. 5 Enareo evakao da akoy gne vato velo izay voaory ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisoro masina izay magnomé gne sorogny ara-pagnahy eken'Andriamanitra amè gn'alalan'i Jesosy Kristy. 6 Gne Soratra Masina d ahita izao: "Io, Iaho mipetraky amy gne Ziona tsangambato, vofidy sy manan-danja. Gne mino enazy agnaby da tsy ho megnatry." 7 Gne voninahitry noho izay da ho anao izay mino. Kanefa, "gne vato narian'gne mpananga tragno, izay da majary lohan'e tsangambato"- 8 ary, vato misaka sy vatolampy mahalavo. Valaky indreo, tsy nagneky gne zaka, izay votoka ho andreo evakoa. 9 Fa enao da olom-bofidy, mpisoron'gne mpanjaka, firenena masina, olo ho an'e fanagnan'Andriamanitra, mba ho afaky hagnambara gne hatsaran'gne asan'gne raiky izay nangaiky enao avy tao amè mizy ho ao amè hazava mahagaga enao. 10 Taloha enao tsyy olo, kanefa amizao enao da olon'Andrimanitra. Tsy nangala famindram-po enao, fa androany enao nangala famindram-po. 11 Ry malala, mangaiky enareo akoy gne vahiny sy mpirerirery iaho mba hifidy gne filàn'e nofo, izay mahavy ady manohitry gne fagnahinareo. 12 Tokony mana fitondran-tegna tsara enareo eo amindreo Jentilisa,mba ho,raha mizaka momba anareo ho nagnanorahà ratsy indreo, da tokony hahita gn'asa tsaranareo sy hankalaza an'Andriamanitra amè gn'andro izay heviany. 13 Ekeo gne fahefan'ny gn'olombelo agnaby noho gn 'amy Tompo. Ekeo akoy gne ambony indrindra gne mpanjaka, 14 sy gne governora evakoa, izay nalefa mba hagnasazy gne mpagnano ratsy sy hankalaza gne izay magnano gne tsara. 15 Fa izany gne sitrapon'Andriamanitra, amè fagnamboara gne tsara anareo da mampisihy gne zaka tsy mahafantatry fombon'ny gn'olo mola. 16 Mitovy amè maha-olon'afaky, ka ampisay akoy gne fanakofa fahalemeny gne fahafahanao,fa ôka ho akoy gne mpanompon'Andriamanitra. 17 Omeo voninahitry gn'olo agnaby. Tiavo gne firahalahia. Matahora an'Andriamanitra. Omeovoninahitry gne mpanjaka. 18 Ry mpanompo, meteza hagneky gne tomponareo amin'gne fagnanja agnaby. Aza magneky ho mpanompon'e tsara sy ho tompo tsara fagnahy, fa ho andreo ratsy toetra evakoa. 19 Satria mendri-pidera izany raha misy miaritry mangotsiky raha mijaly amè tsy rariny noho gne fagnantegnany an'Andriamanitra. 20 Fa hotrino gne vola raha magnota enao ary miaritry mandritry gne fagnasazia anao avy eo? Fa raha nagnano gne tsara enao ary miaritry mandritry gne fagnasazia enao, da mendri-pidera amin'Andriamanitra izany. 21 Fa noho ity gne ningia anao, satria Kristy evakoa da nijaly ho anao. Nagnavela ohatry ho anao Izy mba hagnaraha gne lalany. 22 Tsy nagnota Izy, na hoe nisy fitaky teo am-bavany. 23 Raha nizaka ratsy Izy, da tsy mba namaly ratsy. Rehefa nijaly Izy, da tsy nagnano vavabe, fa nanolotry gne tegnany tamin'gne raiky izay Mpitsara ampahamarigna. 24 Izy tegnany da ninday gne fahotantsika tao amè tegnany ho eo ambony hazo, mba tsy hana anjara amè fahota esanaky isika, ary mba hiaigny ho an'e fahamarigna. Tamè gn'alalan'gne ratrany gne nahavelo anareo. 25 Nirerirery akoy gne ondry very enareo, fa andraony enareo niverigny tamè mpiamby ondry sy mpiamby gne fagnahinareo.