Toko faha 4

1 Ry malala, ka mino gne fagnahy agnaby. Fa, mitsapa gne fagnahy mba hahita fa avy amin'Andriamanitra izy io, satria mpaminany sandoky maro gn,efa niala tamizao tontolo izao. 2 Amizany gne ahafantaranareo gne Fagnahin'Andriamanitra-gne fagnaha agnaby izay magneky fa i Jesosy Kristy izay tonga nofo da avy amin'Andriamanitra, 3 ary gne fagnahy agnaby izay tsy magneky fa Jesosy da tsy avy amin'Andriamanitra. Da izany gne fagnahin'gn'antiKristy, izay efa renareo an-tany. [Fagnamariha: misy dikazaka taloha sasany da midika hoe:"Ary gne fagnahy agnaby izay tsy magneky fa Jesosy tonga nofo da tsy avy amin'Andriamanitra. Izany da fagnahin'gn'antiKristy, izay efa renareo fa ho avy, ary amizao da efa an-tany."] 4 Enareo da avy amin'Andriamanitra, ry zanaka malala, ary efa nandresy endreo, satria gne raiky izay ao aminareo da zakabe mihotry noho gne raiky etoa amizao tontolo izao. 5 Indreo da avy amizao tontolo izao; noho izany izay zakaindreo agnaby da avy amizao tontolo izao, ary izao tontolo izao da miteno endreo. 6 Avy amin'Andriamanitra isika. Izay mahafantatry gne Tompo da magnambara antsika. Izy izay tsy avy amin'Andriamanitra da tsy magnambara antsika. Amizany gneahafantarantsika gne fagnahan'e fahamarigna sy gne fagnahan'e fahadisoa. 7 Ry malala, ôka isika hifankatia, fa gne fitiava da avy amin'Andriamanitra, ary izay mitia agnaby da naterak'Andriamanitra sy mahafantatry an'Andrimanitra. 8 Gn'olo izay tsy mitia da tsy mahafantatry an'Andriamanitra, satria da fitiava. 9 Noho izany gne fitiavan'Andriamanitra da nambara tamintsika, fa Andriamanitra da nandefa gne Zanany lahatoka ho an'izao tontolo izao mba ho velo noho Izy isika. 10 Ao amizany fitiava zany, tsy gne nitiavantsika an'Andriamanitra, fa gne nitiavany antsika, ary gne nandefasany gne Zanany lahy ho fagnavota gne fahotantsika. 11 Ry malala, raha tia lotry antsika Andriamanitra, da tokony hifankatia evakoa isika. 12 Tsy mboa nisy nahita an'Andriamanitra. Fa raha mifankatia isika, da mipetrky ao amintsika Andriamanitra ary gny fitiavany da nteraky ao amintsika. 13 Amizany gne ahafantarantsika fa mipetraky ao aminazy isika ary izy ao amintsika, satria izy da nagnome antsika gne sasany amy gne Fagnahy. 14 Ary evakoa, efa nahita isika sy efa mitsnga vavolombelo fa Ray da efa nandefa gne Zanany lahy ho Mpamonjy an'izao tontolo izao. 15 Ndre da ia ndre da ia magneky fa Jesosy da Zanaka lahan'Andriaminitra,da mipetraky ao aminazy Andriamanitra ary izy ao amin'Andriamanitra. 16 Isika evakoa da nahafantatry ary nino gne fitiavany izay efe nanagnan'Andriamanitra ho antsika. Andrimanitra da fitiava, ary gne raiky izay mipetraky amizany fitiava zany da mipatrky ao amy gn'Andriamanitra, ary Adriamanitra da mipetraky ao aminazy. 17 Noho izany, izany fitiava zany da notanteraha tamintsika, mba hanagnantsika fatokisa amy gn'andron'e fitsara, satria akoIzy, da akoizany evakoa isika etoa amity tany ity. 18 Tsy misy tahotry ao amè gne fitiava. Fa, gne fitiava manjary da mangala gne taotry, satria gne tahotry da tsy maintsy miaraky amy gne sazy. Fa gne raiky izay matahotry da tsy niny ho anjary ao amy gne fitiava. 19 Mitia isika satria Andriamanitra nitia antsika volahany. 20 Raha misy olo mizaka hoe:"Tiako Andriamanitra" nefa malay gne rahalahany, da mpavandy izy. Fa gne raiky izay tsy mitia gne rahalahany, izay hitny, da tsy afaka gne hitia an'Andriamanitra,izay tsy hitany. 21 Ary, izany evakoa gne didy izayanagnantsika avy aminazy: Ndre ia ndre ia mitia an'Andrimanitra da tsy maintsy mitia gne rahalahany evakoa.