Toko faha 3
1
Io akoy gn'ino gne fitiava nomen'ny ay antsika, mba hiantsoa antsika hoe zanak'Andriamanitra, ary izany isika. noho izany antony izany, izao tontolo izao da tsy mahafantatry antsika, satria tsy mahafantatry enazy izany. [Fagnamariha: Gne dika-zaka taloha da tsy maintsy hoe:"ary izany isika."]
2
Ry malala, zanak'Andriamanitra isika amizao, ary izany da mbola tsy nambara hoe akoy gn'ino isika. Isika da mahafatantatry fa raha miboda i Kristy, da hitovy Aminazy isika, satria hahita Enazy mitovy Aminazy isika.
3
Gne mana izany fatokisa momba gne ho avy mifototry aminazy izany agnaby da madio gne tegnany hadio akoy Izy.5
4
Izay magnota agnaby da magnano izay tsy ara-dalàgna; fa gne fahota da tsy ara-dalàgna.
5
Enareo da mahafantatry fa i Kristy da nambara mba hangala gne fahota, ary ao aminazy da tsy misy fahota.
6
Tsy misy olo izay mipetraky ao aminazy ka mbola hagnota koa. Tsy misy olo mbola magnota nahita enazy na nahafantatry enazy.
7
Ry zanako malala, kavela hisy olo hamitaky anareo. Gne raiky magnano gne fahamarigna da marigny, akoy gne mahamarigne an'Kristy.
8
Gne raiky raiky izay magnota da avy amè devoly, fa gne devoly da nagnota koa amè fanomboany. Noho izany antony izany gne Zanak'Andriamanitra da niboda, mba hahafahany magnapotiky gne asan'e devoly.
9
Ndre da ia ndre da ia naterak'Andriamanitra da tsy hanohy gny fahota satria gne vao avy tamin'Andriamanitra da mipetraky ao aminazy. Tsy afaky manohy fahota izy satria naterak'Andriamanitra.
10
Ao amizany gne hagnmbara gne zanak'Andriamanatra sy gne zanaky gne devoly. Ndre da ia ndre da ia tsy magnano gne marigny da tsy avy amin'Andriamanitra; na gne raiky tsy tia gne rahalahany evakoa.
11
Fa izany gne hafatry efa renareo hatrame fanomboany: fa isika da tokony mifakantia,
12
fa tsy akoy i Kaina, izay avy amy gne ratsy sy namono gne rahalahany. Fa nagnino izy gne namono enazy? Satria gn'asany da ratsy, ary gn'an'e rahalahany da marigny.
13
Ka gaga, ry rahalahiko, raha mankahala anareo gne tany.
14
Fantatsika fa efa niala tamy gne fahafatesa mandea amy gne fiaina isika, satria tia an'gne rahalahy isika. Izay tsy tia da mimpetraky agny amy gne fahafatesa.
15
Izay mankahala gne rahalahany da mpamono olo. Fantatrareo fa tsy misy mpamono olo mana fiaina mandrakizay mimpetraky ao aminazy.
16
Amizany gne hahafantarantsika gny fitiava, satria Kristy nanolotry gn'ainy ho antsika. Isika evakoa da tokony manolotra gn'aintsika ho an'gne rahalshy.
17
Fa ndre da ia ndre da ia mana gne haren'izao tontolo izao, ka mahita gne fahasahiragnan'e rahalahany, ary magnidy gne foniny falahelova enazy, amy gne fomba akoignaia gne impetrahany fitiavan'Andriamanitra ao aminazy?
18
Ry zanako malalako, ôka isika tsy hitia amy gne zaka na koa amy gne vava, fa amy gn'asa sy fahamarigna.
19
Avy amizany gne hahafantarantsika fa avy amè fahamarigna isika, ary mampatoky gne fontsika eo agnatrehanysika.
20
Fa raha magameloky antsika gne fontsika, Andriamanitra da zakabe noho gne fontsika, ary mahafantatry gne rahà agnaby Izy.
21
Ry malala, raha sy magnameloky antsika gne fontsika, da mana fatokisa amin'Andrimanitra isika.
22
Ndre ino ndre ino angatahantsika da ho azontsika avy aminazy, satria isika mitandry gne didiny sy magnano izay ankasitraha eo agnatrehany.
23
Akoizao gne didy: tokony mino gn'agnaran'e Zanany Jesosy Kristy ary mifankatia isika, akoy gn'efa nagnomezany antsika izany didy izany.
24
Gne raiky izay mifetsa gne didin'Andriamanitra da mipetraky ao aminazy, ary andriamanitra mipetraky ao aminazy. Amizany gne hahafantarantsika fa izy da mipetraky ao amintsika, amy gne Fagnahy izay nomeny antsika.