Toko faha 2

1 Anaka, manoratry itoa rahàtoa iaho mba tsy hagnotanareo. Kenefa raha misy magnota, da mana mpisolo vava isika miaraky amy gne Ray, Jesosy Kristy, gne marigne. 2 Izy gne fagnavota an'gne fahotantsika, ary tsy gn'antsika avao' fa gne an'izao tontolo izao agnaby evakoa. 3 Amizany gne ahafantarantsika fa mahafantatry Enazy isika: raha mitandrina gne didy isika. 4 Gne mizaka hoe:" Mahafantatry an'Andriamanitra iaho"' fa tsy mitandrina gne didiny, da mpavandy, ary gne marigne da tsy ao aminazy. 5 Fa na ia na ia mitandrina gne zakany, marigny dato, da ao amizany olo zany gne nagnatanteraha gne fitiavan'Andriamanitra. Amizany gne ahafantarantsika fa ao aminazy isika. 6 Gne raiky izay mizaka fa mimpetraky ao amin'Andriamanitra da tokony andeha evakoa izy akoy gne nandehanan'i Jesosy Kristy. 7 Ry malala, tsy manoratry didy vaovao ho anareo iaho, fa didy taloha izay efa nanagnanareo hatramè fanomboany. Gne didy taloha da gne zaka izay renareo. 8 Fa manoratry didy vaovao ho anareo iaho, izay marigne ao amin'i Kristy sy ao aminareo, satria gne mizy da mandalo, fa gne fahazava marigny da efa mamiratry. 9 Gne raiky mizakafa fa ao amè mazava izy ary mankahala gne rahalahiny da ao agnety mizy hatramizao. 10 Gne raiky izay mitia gne rahalahiny da mimpetraky aoamy gne mazava ary tsy hisy fotoa hahakivy enazy. 11 Fa gne raiky izay mankahala gne rahalahiny ao amy gne mizy; izy da tsy mahafantatry izay ombany, satria gne mizy da efa nahanjamba gne masony. 12 Manoratry ho anareo iaho, ry naka malala, satria gne fahotanareo da vovela nohon'gn'agnarany. 13 Manoratry ho anareo iaho, ry ray, satria fantatrareo gne raiky avy amy gne fanomboany. Manoratry ho anareo iaho, ry zatovo, satria noresinareogne ratsy. Efa nanoratry ho anareo iaho, ry zaza madinikay, satria enareo da mahafantatry gne Ray. 14 Efa nanoratry ho anareo iaho, ry ray, satria fantatrareo gn'avy amy gne fanomboany. Efa nanoratry ho anareo iaho, ry zatovo, satria mafy enareo, ary gne zakan'Andriamanitra da mipetraky ao aminareo, ary enareo da efa nandresy gne ratsy 15 Kamitia na an'izao tontolo izao na gne rahà eo aminazy. Raha misy mitia an'izao tontolo izao , da tsy ao aminazy gne fitiavan'ny Ray. 16 Fa gne rahà agnaby zany ao amizao tontolo izao-da gne filan'e nofo, gne filan'e maso, ary gny fiboebon'gne fiaina-izay tsy avy amin'ny Ray fa avy amizao tontolo izao. 17 Izao tontolo izao sy gne fagniriany da mandalo. Fa na ia na ia magnano gne sitrapon'Andriamanitra da hipetrky mandrakizay. 18 Zaza, ity gne fotoa farany. Aky gne afa renareo fa ho avy gn'antiKristy, androany maro gn'antiKristy izay efa avy. Amizany gne ahafantarantsika fa gne fotoa farany. 19 Niala tamintsika indreo, kanefa tsy avy amitsika. fa raha indreo da nipetraky niarky tamintsika. Fa raha niala indreo da nagnambara fa tsy tamintsika. 20 Fa mana fagnasora avy amin'gne Raiky Masina enareo, ary fantatrareo agnaby gne marigny. [fagnamaria: misy dikazaka hafa sasany vaovao izay midika hoe:"mana gne fahalala agnaby enareo." Gne dikazaka sasany taloha da midika hoe:"ary fantatrareo gne rahà agnaby."] 21 Tsy nanoratry ho anareo aho satria enareo da tsy mahalala gne marigny, fa satria fantatreo izay ary tsy misy vandy avy amy gne marigny. 22 Ia gne mpavandy fa tsy gne raiky izay mandà fa i Jesosy gne Kristy? Izay olo izay da gn'antikristy, raha mandà gne Ray sy gne Zanaky izy. 23 Tsy misy olo izay mandà gny Zanaky ka hana gny Ray. Na ia na ia magneky gne Zanaky evakao da mana gne Ray. 24 Fa ho anareo, ôka izay renareo hatramy gne fanomboany hipetraky ao aminareo. Raha izay renareo hatramè fanomboany gne mimpetraky ao aminareo, da hipetraky ao ambon'ny Zanaka sy so amin'ny Ray evakoa enareo. 25 Izany gne fampagnantegna nomeny antsika: da gne fiaina mandrakizay. 26 Efa nanoratra izany ho anareo iaho momban'io izay hinday anareo amy gne lalan-diso.