Toko faha 5
1
Ndre ia ndre ia mino fa i Jesosy gne Kristy da naterak'Andriamanitra, ary ndre ia ndre ia tia gny Ray evakoa da tia gne zanaka naterany.
2
Noho izany gne ahafantarantsika fa tiantsika gne zanak'Andriamanitra:raha tia an'Andriamanitra sy magnatanteraky gne didiny isika.
3
Satria izany gne fitiava ho an'Andriamanitra: da gne hagnatanterahantsika gne didiny. Ary gne didiny da tsy mavesatry.
4
Fa gn'olo agnaby izay naterak'Andriamanitra da mandresy an'izao tontolo izao. Ary izany da fandrese izay efa nandresy an'izao tontolo izao: gne finoantsika.
5
Ia gne raiky izay mandresy an'izao tontolo izay? Gne raiky izay mino fa i Jesosy da Zanak'Andriamanitra.
6
Izany da gne Raiky izay avy tamy gne rano sy rà: Jesosy Kristy. Izay da avy tsy tamy gne rano avao, fa tamy gne rano sy rà.
7
Fa misy telo izay mitsanga vavolombelo:
8
gne Fagnahy, gne rano, ary gne rà. Io telo io da mifagnaraky. [Fagnamariha: Gne dikazaka taloha sasany da midika akoizao:"Fa misy telo izay mitsanga vavolombelo agny an-dagnitry: gne Ray, sy gne Zaka, ary gne Fagnahy Masina; ary io telo io da raiky. Ary misy telo izay mitsanga vavolombelo etoa ambony tany: gne Fagnahy, gne rano,ary gne rà; ary io telo io da okoy gne raiky." Na izany koa, gne dikazaka tsara indrindra da tsy midika akoizany."
9
Raha magneky gne fitsangana vavolombolon'gn'olo isika, da ho zakabe kokoa gne fitsangana vavolombelon'Andriamanitra. Fa gne fitsangana vavolombelon'Andriamanitra da izao: izy da mitsanga vavolombelo mikasiky gne Zanany.
10
Ndre ia ndre ia mino gne Zanak'Anrdiamanitra da mana fitsangana vavolombolo ao amin'izy tegnany. Izay tsy mino an'Andriamanitrada magnano Enazy ho mpavandy, satria izy da tsy nino gne fitsangana vavolombelo izay efa nomen'Andriamanitra mikasiky gne Zanany.
11
Ary gne tsangana vavolombelo da izao: Andriamanitra da nagnome antsika fiaina mandrakizay, ary izany fiana zany da ao amy gne Zanany.
12
Gne raiky izay mana gne Zanaka da mana gne fiaina. Gn'olo izay tsy mana gne Zanak'Andriamanitra da tsy mana fiaina.
13
Efa nanoratry ity rahà ity ho anareo aho mba hahafantaranareo fa mana gne fiaina mandrakizay enareo- ho anareo izay mino gn'agnaran'e Zanak'Andriamanitra.
14
Akoizany evakoa, izao gne fifagneke izay anagnatsika eo agnatrehany, fa na ino na ino angatahantsika araky gne sitrapony, damiteno antsika Izy.
15
Akoizany evakoa. raha fantantsika fa miteno antsika Izy-na ino na ino angatahantsika Aminazy- da fantantsika fa azontsika agnaby izay nangatahantsika taminazy.
16
Raha misy olo riky mahita gne rahalahany magnano fahota izay tsy miteraky fahafatesa, tsy maintsy mivavaky izy, ary Andriamanitra da hagnome fiaina ho anazy. Iaho da mampitaha gne mana izay fahota tsy miteraky fahafatesa. Misy fahota izay miteraky fahafatesa; tsy mizaka iaho hoe tokony hivavaka amizany izy.
17
Gne tsy fahamarigna agnaby da fahota, nefa misy fahota tsy miteraky fahafatesa.
18
Fantantsika fa ndre ia ndre ia naterak'Andriamanitra da tsy magnota. Nefa gne raiky izay naterak'Andriamanitra da miaro gne tegnany, ary gny ratsy da tsy afaka gne amin'azy.
19
Fantantsika fa avy amy gn'Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao da mipetraky ao amy gne ratsy.
20
Kanefa fantantsika fa gne Zanak'Andriamanitra da efa avy ary efa nagnome antsika fahazavan-tsay mba ahafantarantsika gne raiky izay tena marigne. Akoizany evakoa, isika da ao amy gne raiky izay marigny, ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy gn'Andrimanitra marigny ary fiaina mandrakizay.
21
Anaka, arovy amy gne sampy gne tegnanareo.