Toko faha 2
1
Tiako ho hainareo gny habevata gny tolo nataoko ho anareo, ho an-dreo a Laodikia, sy ho agn'ireo maro mbo tsy nahita gny tarehiko tamign'ny nofo.
2
Miasa aho mba hampahery gny fon-dreo amign'ny fampiraisa an dreo miaraky amign'ny fitiava sy harea iaby amy gny fahalala azo antoky, ho amin'gny fahalala gny fahamarigna mivonin-Dragnahary, zany hoe, i Kristy.
3
Aminy ao gny harea gny fahendrea sy ze fahalala iaby mivogny.
4
Mivola agn'izay aho mba tsy hisy hitariky anareo amign'ny lahateny mandresy lahatsy.
5
Ndre tsy miaraky aminareo amy gny nofo aza aho, de miaraky amy nareo amign'ny fagnahy. Faly aho mahita gny filaminanareo, soa, sy gny tanjaky gn'ny finoanareo an'i Kristy.
6
Laha nandramby an'i Kristy Tompo nareo, de mandehana aminy ao.
7
Mifotora mare aminy, mioregna amign'ny finoa ze fa nampianary anareo sady mazotoa manome fisaora.
8
Mitandrema mba tsy hanenga olo hisambotry anareo amin'gny alala n'ny filozofia na gny fitaky araky gny fanao gn'olo, ze magnaraky gny endrikin'izao tontolo zao, fa tsy araky gn'i Kristy.
9
Fa aminy ao ro mitoetra gny fahatsara gny tenan-Dragnahary iaby.
10
Feno nareo aminy ao. I ro loha gny hery sy fahefa iaby.
11
Tamigny tao koa nareo ro noforay tamign'ny famorà ze tsy natao gn'olombelo amin'gny fagnesora gny nofo amign'ny vata, fa tamin'gny famoragn'i Kristy.
12
Niaraky nalevy taminy tamin'gny batisa nareo, sady taminy tao ro nanangana anareo tamin'gny alala n'ny finoa maheri-Ndragnahary, ze nananga azy tamin' gn'ireo maty.
13
Taminareo maty tamin'gny fahota sy gny tsy fahavitagn'ny nofonareo gny famorà, i ro namelo anareo niaraky tamigny sy namela antsika tamign'ireo fahotantsika iaby. [Fagnamariha: misy dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "ka namela gny fahotantsika iaby"]
14
Nifinafany gny rakitsoratrign'ny trosam-pagnafaha sy reo fitsipiky nifagnohitry tamintsika.
15
Nirambesigny raha iaby zao ka nifantsihiny tamin'gny hazo fijalia. Nirambesigny koa reo hery sy fahefa, ka i ro nanao fampisehoa ampahibemaso an-dreo, nandresy mihoatry an-dreo tamin'gny hazo fijalia.
16
Koa, ka ambela hitsara anareo na amin'gny fihinana na amin'gny fisotroa, na amign'andro fety na amign'ny vola vaovao, na amign'andro Sabata.
17
Zay ro aloky gny raha ho avy, fa gny tena i de i Kristy.
18
Ka enga hisy ndra ia ndra ia ze mila gny fanetren-tena sy gny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo gny lokanareo.Gn'olo manahaky anizay miditry amin'gny raha hijery hitany, manjary misehiseho amin'gny fisay gny nofony.
19
Tsy mitazo gny lohany i. Zay baka amy gny loha nomen-Dragnahary gny vata manontolo manera ireo vanin-taolany voho gny hozany zay magnome ka mita zay iaby zay mitambatry;zay mihamaro amin'gny firoboroboa nomen-Dragnahary .
20
Laha maty niaraky tamign'i Kristy nareo tamign'ny endriky gny zao tontolo zao,nagnino nareo ro miay manahaky gny voafehy amin'gny tany:
21
"Ka mba mihodiky,ka magnandra ka mikasiky"?
22
Zay raha iaby zay ho any fahalova ,araky gny torolala voho gny fampianara gnolombelo.
23
Regny fitsipiky regny mana fahihira gny momba gny fivavaha,gny fanolora-tena gny vatany.Fa nareo tsy manan-danja amin'gny fanohera gny fandefera gny fila gny vata.