Toko 1

1 Paoly,apostolin'i Kristy Jesosy amign' alalan'gny sitrapo Ndragnahary, i Timoty rahalahintsika, 2 ho agn'ireo mpino sy reo rahalahy mahatoky ao amign'i Kristy a Kolosia. Ho aminareo anie gny fahasoava, sy gny fiadana baka amin' gny Ndragnahary Babantsika. [Fagnamariha ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany manampy hoe: "gny Tompo Jesosy Kristy"]. 3 Magnome fisaora an-Dragnahary tsika, Baban'ny Tompontsika Jesosy Kristy, sady mivavaky mandrakariva ho anareo zahay. 4 Fa renay gny finoanareo agn'i Kristy Jesosy sy gny fitiava ze agnanareo ho agn'izay iaby voatoka ho an-Ndragnahary. 5 Magna agn'izay fitiava zay nareo noho gny fanantena azo antoky natoka ho anareo an dagnitsy agny. Renareo gny momba io fanantena azo antoky io talohagn'ny teny fahamarigna, gny filazantsara, 6 ze avy aminareo. Ty filazantsara ty de minday vokatry sady mitombo erakign'izao tontolo zao. Ze fa nanao agn'izay taminao avao koa nanomboky tamign'andro naharezanao azy sy nianara nareo gny momba gny fahasoava Ndragnahary ao amign'ny marina. 7 Ty gny filazantsara ze araky gny nianaranareo tamign'i Epafra, le mpiara-manompo malalantsika, ze mpanompo mahatokign'i Kristy amign'anarantsika. [Fanamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Amign'anaranareo"] 8 Nampahafantarign'i Epafra anay gny fitiavanareo gny Fagnahy. 9 Noho io fitiava io, hatramign'andro naharezanay an zay, tsy nitsahatry nivavaky ho anareo zahay. Nangataky zahay mba ho feno fahalala gny sitrapony amign'ny fahendrea iaby sy fahalala ara-pagnahy nareo. 10 Nivavaky zahay mba handehananareo amin-pahendrea ao amign'ny Tompo amy reo fomba ankasitrahy Ndragnahary. Nivavaky zahay mba hamokatry amign'asa soa iaby nareo sady mba hitombo fahalala an-Ndragnahary. 11 Mivavaky zahay mba hahazo hery amign'ny fahaiza iaby nareo araky gny voninahitry amign'ny fiareta sy gny fahareta. 12 Mivavaky zahay mba hagnome fisaora agn'ny Babantsika am-pifalia nareo, ze nahafaha nareo hana anjara amign'ny lova gny mpino amign'ny fahazava [Fagnamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "ze nahafahantsika magna anjara"] 13 Namonjy antsika tamign'ny fanapaha gny haiziky sy namadiky antsika ho amign'ny fanjaka gny anaky lahy malalany i. 14 Ao amign'ny anaky lahiny ro agnanantsika gny fagnavota, gny famela reo fahota. [Fagnamariha ambany gny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Ao amy gny anakiny ro ananantsika fanavota amign'alalan'ny liony, de gny famela reo fahota"] 15 Gny anaky lahy de endriky Ndragnahary tsy hita maso. I le teraky voalohany tamign'ny faharia. 16 Fa tamign'alalany ro naharia gny raha iaby, reo ze an-dagnitsy any sy reo ze ambony gny tany, reo raha hita maso sy reo tsy hita. Na seza fiandriagna reo,na fagnapaha, na reo fitondra-mpanjakana, na reo manam-pahefa, reo raha iaby reo ro noharia tamign'alalany sy ho azy. 17 I ro alohagn'ny raha iaby, sady aminy ao ro haharetagn'ny raha iaby. 18 I ro lohagn'ny vata, sy gny fiangona. I ro fiandoha sy teraky voaloha baka agnivon'ireo maty, ka i ro nana toera voalohany tagnivon'ny raha iaby. 19 Satria sitraky Ndragnahary gny tokony gny hiaina gny fahatsaragny iaby aminy ao, 20 mba hampihavana amin'gny alala gny anaky lahy amign'ny raha iaby tamign'ny vatany. Zagnahary nihava tamy gny lalan'ny lion'ny hazo fijalia. Zagnahary ro nampihava gny raha iaby tamign'ny vatany, ndre gny raha iaby ambony gny tany eto ndre reo raha iaby an-dagnitsy any. 21 Tamigny fotoa raiky, nareo koa, de vahiny tamin-dragnahary sady fahavalony tan-tsaigny tao sy tamign'ireo asa raty. 22 Henanaky zao i ro nampihava anareo tamign'ny vatany manontolo tamy gny alalan'ny fahafatesa. Nataony zay mba hanaova anareo ho masina, tsy hanam-pondro agnatrehany eo, sy hangala baraka azy noho gny fagnaratia, 23 laha tohizanareo amign'ny finoa, miorina sy mafy orina, ka mihataky amign'ny fanantena mahatokign'ny filazantsara ze nirenareo. Ty ro filazantsara ze nagnambara tamign'olo iaby noharia ambany gny lanitry. Ty ro filazantsara ze nahavy ahy, Paoly, ho mpanompo. 24 Henanaky zao aho de faly amign'ny fijaliako ho anareo, sady zaho namegno gny nofoko ze tsy ampy amign'ireo fahoriagn'i Kristy noho gny vatany, gny fiangona. 25 Noho gny fiangona ro naha mpanompo ahy, araky gn' andraikitry baka amy Ndragnahary ze nameany ahy ho anareo, mba hahatanteraky gny tenin-Dragnahary. 26 Io ro marina mivogny nandritry gny tao maro sy ho agn'ny taranaky reo. Fa henanaky zao, fa niseho raha zay tamign'izay mino azy. 27 Tamin-dreo ro tian-Dragnahary nampahafantary ireo harea gny voninahitr'ity fahamarigna mivogny ty teo agnivon'ny jentilisa. Zay de Kristy ro aminao ao, le toky gny voninahitry ho avy. 28 I le nitorianay. Nagnanatry gn'olo iaby iaby zahay, sady nampianatry gn'olo iaby tamin-fahendrea iaby, mba hanolorantsika gn'olo iaby feno amign'i Kristy. 29 Noho zay de miasa mafy sy miezaky aho araky gny tanjakiny ze miasa amiko ato amign'ny hery.